Gender & IWT - report summary (Malagasy)

Page 1

TATITRA FAMINTINANA

FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY & VAROTRA BIBIDIA TSY ARA-DALANA TSY VOAJERY ARY NOHAMAIVANINA

Ity tatitra ity no famintinana sy fanombanana voalohany mikasika ny fiatraikan’ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny varotra bibidia tsy ara-dalàna maneran-tany (IWT). Ity tatitra ity dia notsongaina tamin’ny fikarohana mihevitra ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy, porofo avy eny ifotony sy foto-kevitra mifandraika amin’ny fihazana, fanondranana sy fampiasana vokatra azo avy amin’ny bibidia ary koa ny fitantanana sy ny lalàna iraisam-pirenena. Tamin’ny alalan’izany antotan-kevitra izany no nandraisana « rafitr’asa mihevitra ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy » hampiasaina ho torolàlana amin’ny tetikasa IWT, ny famolavolana lalàna sy ny firotsahana an-tsehatra amin’ny alalan’ny fanaovana fanadihadiana ny fiatraikan’ny fahasamihafana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny mpandray anjara, ny mpitondra sy ny vokatra ary ny dingana tokony ho raisina. Voarakitra amin’ity tatitra ity ihany koa ny zavatra takiana ho fanatanterahana ny fikarohana sy ny mety ho vahaolana amin’izany, eo an-toerana sy maneran-tany.

« Fahasamihafana eo amin’ny lahy sy vavy & Varotra bibidia tsy ara-dalàna, tsy voajery ary nohamaivanina » mivoaka amin’ny jolay 2021. Nosoratan’i Joni Seager Raha mila fanazavana fanampiny, manorata amin’ny : Rob Parry-Jones, Filohan’ny sampana mandray antanana heloka atao amin’ny bibidia, WWF Iraisam-pirenen rparryjones@wwfint.org

1 NY TSY FIHEVERANA NY FIATRAIKAN’NY FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY MANOLOANA NY IWT DIA MAHATONGA NY FIATREHANA NY HELOKA ATAO AMIN’NY BIBIDIA HO « MANDEHA ILA ». Mahatonga fahabangana lehibe izany amin’ny fahafantarana ny hetsika IWT tena izy sy ny fizotrany ary ny fahafahana miditra an-tsehatra. Ny fiheverana ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fanadihadiana IWT kosa nefa dia mety hitondra fahombiazana eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary mety hitondra makany amin’ny fanovana ny tsy fitoviana ara-tsosialy. Ohatra amin’izany ireo vehivavy atao an-kilabao any amin’ny Kafue National Park any Zambia, izay tsy misy azo atao ivelomana afa-tsy ny mampian-trano sy mivarotena amin’ireo mpihaza. Vokatry ny henatra sy ny tahotra ireo mpihaza dia manafina ny momba ireo mpihaza ireo vehivavy ireo mba tsy ho afa-baraka.

1|tatitra faminintinana

Ny firesahana ireo tsy fitoviana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy dia manamafy ny ezaka amin’ny fiadiana amin’ny famonoana bibidia ary koa manampy amin’ny fiadiana ilay tsy fitoviana izay niteraka izany olana izany. Fanampin’izany rehetra izany, ny tsy fiheverana ny vokatry ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy manoloana ny dingana raisina amin’ny IWT dia mety hanamafy ny tsy fitoviana sy fahasamihafana ary tsy mahasoa na ny vehivavy na ny fiarovana ny tontolo iainana -- raha toa ka tokony ho hetsika sady mampihena ny IWT no manamafy ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy izany.

TOHIN’NY FAMINTINANA


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.