TAFATAFA DECEMBRE 2012

Page 1

Taona faha-15 – N° 01 Volana Desambra 2012

“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo.”(Fil 4, 4) Tahaka an’i Don Bosco, andao ho entintsika any amin’i Jesoa ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana ao anatin’ny hatsaram-panahy.

(Etrenne 2013 Recteur Majeur) ****************************************************************************************************************************

Hafaliana lehibe ho anay ekipan’ny Oratorio Mahavatse ny miarahaba antsika rehetra tanora manerana ny Nosy, tratran’izao taona ny finoana izay ankalazain’ny Fiangonana maneran-tany izao. Enga anie hanampy antsika eo amin’ny fomba iainantsika an’izany ny hafatra sy fanentanana lehibe avy amin’ny Recteur Majeur, lehiben’ny Fikambanana Salezianina manerantany manao; « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, eny averiko indray mifalia e ! » (Fil 4, 4). Raha fomba fiainan’ny zanak’olombelona ankehitriny tokoa moa no jerena dia, tsy lavina aloha fa tena misy fiatraikany lehibe tsy azo tsinotsiniavina eo amin’ny asa fanabeazana ireo zava-misy iainantsika eo amina’ny fiaraha-monina ankehitsiny. Ohatra fotsiny : ny fivoarana lehibe nentin’ny teknolojia vaovao samihafa (finday, internety, video, televizionina, radio, sns…) ary ireo lesoka isankarazany vokatrin’ny fanabeazana isan-tokatrano. Indraindray mantsy tafiditra amin’ny fiainan’ny fikambanana masina mihintsy ireo olana sy tsy fahombiazana misy eo amin’ny fiaraha-monina, noho ny antony maro samihafa ireo. Etsy andaniny kosa, iaraha mahalala ny fiainam-pirenena izay misavoritaka tsy milamina araka ny tokony ho izy; mihasarotra ny fiainana, indrindra ny fanabeazana. Maro amintsika tanora no mitebiteby manoloana an’ireo trangan-dravatra maro ireo, sahirana mijery ny fiainany ka mametraka fanotaniana momba ny hoaviny, mametraka fanotaniana amin’ny tenany amin’ahiahy hoe: Fomba ahoana no idiraka amin’ity tontolo voagejan’ny tsy fahamarinana sy ny fahoriana mavesatra tsy tambo isaina ity? Kanefa, raha iraka sy vavolombelona marina

tokoa moa isika, ka miezaka miaina sy mizara ny fanabeazana omen’ny Fiangonana antsika, indrindra fa ny fitondra-tena mendrika eo amin’ny fiainana andavanandro sy eo amin’ny fiarahamonina, dia mety ho moramora amintsika ny mionona sy miaritra ary mitady vahaolana ankafaliana manoloana ny olana maro isankarazany. Mr Simon

Sarotra ny fiainan’ny tanora amin’izao, maro ny zavatra iriny sy ny mety hahalavo azy; nefa kely loatra ny traikefany sy ny fiarovany mahomby amin’ireo mety hanimba azy... >

Aza tia manandrakandrana

> Aza maika ny hanao sipa fa matokia tena fa > > > > >

tsara ianao, ary tsy maintsy misy anjaranao any ho any rehefa tonga ny fotoany. Aza maika ny hahaleo tena, miafia araka izay tratra ary manana tanjona amin’ny hoavy. Mianara mafy araka izay tratran’ny hery Mihainoa ny anatrin’ny Ray aman-dReny na dia hitanao aza fa tsy mahatanteraka izany akory izy ireo. Ny fahatahorana an’Andriamanitra no fiandoham-pahedrena. Fidiofidio ny namana ary aza manaiky ho tarihin’ny amin’ny ratsy! Tsy vitan’izany fa ianao mihintsy no tokony hitarika azy. Tadidio fa ny fanapaha-kevitrao ao anatin’ny fahatanorana no mety hanimba ny hoavinao iray manontolo. Mr Jeannot


TONONKALO

Saino Saintsaino ny fiainanao rahatsizay Saino ka iza no mpahary fahizay Masoandro miposaka mitamberina isanandro Saino hoe iza no nampisy ny andro ?

fitondran’azy ho eo akaikin’Andriamnitra. Avelao ny zaza hifanerasera miaraka amin’ny namany mba ho afaka misokatra bebe kokoa ny fahiratantsainy, mba ahafany mampiseho ny hankaton’ny fiainana. Arak’izany beazo ihany ny ankizy hanatona an’i Tompo, mba hahafahany mivelatra amin’ny zavatra soa rehetra satria ao aminy no ahitana hafaliana mandrakariva. Mr Manjaka

Mitady fahasambarana ny zanak’olombelona Hany mba fantany ny teny hoe velona Velona miefoefo amin’ny fananana Be siasia fa manana ny aina Saintsaino indray hoe aiza ny finoako ankehitriny? Miverena raha tafapotsaka mamirifiry Raha tafa latsaka an-davaka tsy afa mihanika Minoa azy marina tokoa fa hahita ny hatsaran’ny lanitra R. P Elvin

Lalao N° 01 : Nisy voalavo TELO mianaka hiampita rano dia niaraka nilomano izy ireo ,dia hoy ny reniny rehefa tonga eny an tanety: <<Misaora an’ Adriamanitra isika EFATRA mianaka fa tsy nisy maty!>> FANONTANIANA: Inona no nahatonga ity renin’ny voalavo ity hiteny hoe: <<Misaora an’Andriamanitra isika efatra mianaka fa tsy nisy maty?>>

Iaraha mahalala fa ny: ” zaza tsara fiary mahasambatra ny firenenena rahatsizay”. Mbola avy niara-nanokatra ny taonan’ny finoana isika tamin’ny 25 novambre lasa too, izay manazava ny andraikitrinry tsirairay eo amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Zon’ankizy ny tarihina: Fantatsika ao amin’ny Soratra Masina fa Andriamanitrra dia fitiavana; noho izany tiany avokoa ny olona rehetra fa indrindra ireny madinika tsy manan-tsiny ireny. Tiany hanatona azy tsy misy fisalasalana tanteraka izy ireny, izany anefa dia miankina amintsika izay mahalala ny hatsaran’Andriamanitra. Zon’ankizy ny entanina: Tokiny entanina ny ankizy hianatra ny momba an’Andriamanitra mba hivelarany amin’ny maha izy azy amin’ny lafin’ny tsara mandrakariva. Amin’izany izy afaka mitombo ara-pinoana sy ampitiavana, hijoro amin’ny toe-panahy maha kristianina. Zon’ankizy ny beazina araka tokony ho izy: Beazina kosa izy handala ny fihavanana eo amin’ny tontolo misy azy; na ankafaliana. Tsy azo atao ny manakana na manilikilika azy ireny hianatra sy hialavoly na hilalao fa ny

R. Sylvestre M.

BILAGY!!!! Falifaly vao maraindray i Dasily fa nahazo bodo fotsy hono! Damongo : Miramirana vao maraina Dasily zany an! Dasily : Eny e! Faly tokoa zaho satria nividianan’i Neninay bodo fotsy koh!o!o Damongo : sambatra leitsy ialah! Ny anay aza efa tamin’i Neninay sy Dadanay vao nianatra nivady Dasily : Eh! Mampalahelo ialahy izany,fa raha izaho teo amin’ny toeran’ialah de nitomany aho. Damongo: hono ah leitsy! Bodo fotsy manao ahoana moa izany bodo fotsinao izany? Dasily : tsy fantako fa ao izy miebotsebotra tahaka ny resoro ao zay e! Damongo: f’inona kay no tena anarany ? Dasily: izany vita FOAM izany hono ny anarany! Damongo: izany ve leitsy tsy kodoro ry Dasily an! R. Sylvestre M.

Mpandrindra ny TAFATAFA SAMY TANORA : Oratorio Don Bosco – MAHAVATSE- TOLIARA Adiresy hifandraisana : Salésiens Don Bosco – Mahavatse BP. 69 – 601 Toliara E-mail: tlukaszuk@salezjanie.pl


Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.