Page 1

ar sc ga a d a M À es un Je es d en si Mouvement Salé

ETRENNE

TAONA FAHA VII, N° 1

Mivoaka in-droa isan-taona

Juin 2014


Page 2

Namako

TENY FANOKAFANA

FIANGONANA  Fananganana ho olomasina ny Papa Jean XXIII sy Jean Paul II Page 3

Ry tanora malala, namako ianao ! mpinamana isika ! izay no antony hizaran’ireo tanoran’ny MSJ ( Mouvement Salésien des Jeunes) manerana ny Madagasikara izao vaovao sy fampianarana izay atolotra anao izao amin’ny alalan’ity Gazety nampitondraina ny loha teny hoe “Namako” ity. Isaorana manokana ary ireo tanora maro izy nifarimbona tamin’ny fanatontosana izany Gazety izany. Afaka fotoana fohy dia hiditra tanteraka amin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra (vacances) isika. Ampatsiahivina ny fanentanan’i Md Joany Bosco izay nananatra antsika hoe: “Ny fialan-tsasatra (vacances) dia tsy hoe tsy manao na inona na inona, tsia, fa manao asa izay miova kely amin’ny mahazatra andavan’andro” (ohatra raha mpianatra ianao dia mba miasa manampy ny Ray aman-drany amin’ny asa fivelomana eny ambanivohitra mandritra ny vacances...) Mbola nampiny ihany koa hoe: “Raha tsy manao na inona na inona ianareo mandritra ny fialan-tsasatra dia indro fa hiasa ao anatinareo ny Demony”. Noho izany, tsy hipetrapetrahana fotsiny ny fotoanan’ny fialan-tsasatra fa fanamby goavana hifaninànana hazakazaka mankany amin’ny fahamasinana. Anisany fanentanana ho antsika rehetra amin’ity fialan-tsasatra ity ary ny loha hevitra ao amin’ny Bokin’ny Fy don Bosco 2014 manao hoe: “ Andao isika hizotra amin’ny lalam-pahamasinana araka ny fiainam-panahin’i don Bosco. Natao ho masina isika rehetra . Don Bosco nanolotra tsiambara-telon’ny fahamasinana ho antsika rehetra: dia ny fiainana ny fiainam-panahin’ny andavan’andro; fiainam-panahin’ny hafaliana; fiainam-panahin’ny fitiavam-bavaka; fiainampanahin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana ary ny fiainam-panahin’ny fanompoana ny hafa . Raha fintinina dia ny fiainantsika an-davan’andro izay manaraka ireo fiainam-panahy dimy ireo no antoka hahazoantsik a ny fahamasi nan-tsik a isan’anandro. Modely izay hasongadina ato amin’ity Gazety Namako ity moa ny ntantaran’ny Papa Joany Paoly faha-2 izay fantantsika tsara ary nisy aza tamintsika efa nahita azy. Nifaly sy niaritra ny mafy takantsika izy ary amin’izao dia efa olomasina izy. Noho izany vitan’ny hafa ve dia tsy ho vitantsika? Tsarovy anefa fa raha ny herintsika samirery tsy mahavita na inona na inona fa tsy maintsy mila ny Fanahy Masina izay manoro, manazava sy manilo ny lalan-kaleha ary mila ny fanampian’ny masina Maria isan’andro. Mazotoa daholo.

 Ny fiainan’ny Pretra Page 3

ZON’NY ANKIZY 

Zava-dehibe ny fanabeazana ny ankizy Page 4 Tononkalo: «Farano hatreo » Page 4

MAHA SALEZIANINA Iza moa ny dimbin’i Don Bosco faha-10 Page 5 

Salezianina Malagasy misionera any Cambodge Page 5

VAOVAON’NY MSJM 

Ny fanabeazana Salezianina Page 6 

 

Tononkalo: Soa fianatra Page 6

Fanomanana ny MSJM Zonal Page 6

Ekipa mpandrindra ny pastoralin’ny tanora Page 7

VAOVAOM-PARITRA  Mahajanga : Page 8  Manazary Page 8  Bemaneviky: Oratorio Page 8  Fantatrao ve? Page 8

KOLON-TSAINA 

Tantaran’ny Olomasina: Mb Terezin’i Jesoa Zazakely Page 9 

Mahasao an! Page 9

Mpanoratra: olomangan’i Gasikara Page 10

Tononkalo: « Mba rotsirotsio » Page 10 

Fantatrao ve … Page 10 

P. Bruno sy Sr. Alejandra

Tadidio fa … Page 4

Hatsikana Page 11  Kilalao Page 11


TAONA FAHA V, N° 1

Page 3

FIANGONANA

N

atsangan'ny Papa François ho olomasina tamin'ny alahady 27 aprily teo ireo papa roa dia ny Papa Joany faha-23 sy ny Papa Joany Paoly faha-2. Mpivahiny aman-etsiny maro avy any Italie sy Pologne ary ireo firenena maro samihafa no tonga tany Roma nanatrika izany fotoana izany. Teo amin’ny kianjan’i Md Pierra no natao ny fanamasinana ary ankoatra ireo olona nanatry maso mivantana ireo dia maro ihany koa ireo nanaraka izany tamin’ny haino aman-jery samihafa.

Ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra ô! sitrakao no nifidy an’I Maria ho renin-janakao, koa enga anie izahay hanana fitokisana sy fandavan-tena noho ny fitahian’I Masina Maria eo amin’ny asa fanasoavana ny tanora sy eo amin’ny fiainana andavanandro. Miaraka amin’ilay reny maminay no hitalahoanay izany aminao. Amen Duard Coord MSJM ; Bemaneviky

Hevitry ny Papa mahakasika ny tsy tokony hanambadian’ny Pretra:

"Hetsika iray izay mbola tsy hita teo amin'ny tantaran'ny Roma izany fananganana Papa roa hotronin'ny Papa roa mbola velona izany" hoy i Mgr Liberio Andreatta, lehiben'ny sampan-draharaha mandrindra ny fivahinianana. Ny harivan'ny sabotsy 26 aprily 2014 no efa nanomboka ny fotoam-bavaka. Hita taratra teo amin’ireo vahoaka tokoa ny hafaliana ao anatin’ny finoana. Nambaran’ny Papa tamin’ny fomba manetriketrika teo anoloan’ny sary lehibe misy an’izy mirahalahy ny teny fananganana azy ireo ho Olomasina ary nasaina mafy ireo mpino mba hiombom-bavaka tanteraka ho amin’izany. Iza moa ny Papa Joany faha-23?

Hentitra dia hetitra tokoa ny Papa namaly ny fanontanian’ireo mpanao gazety momban’ny fanambadian’ireo Pretra. Tsy azo leferina ny fanambadian’ireo Pretra satria “asan’ny maizina izany.” Tokony hitondra ny ankizy ho amin’ny fahamasinana sy hanampy azy ireo amin’ny olana mafy mianjady amin’ny fiainan’ireo sahirana ny Pretra.” Tsy misy intsony ny “Mpahazo tombontsoa ao amin’ny fiagonanana, tokony hahasarotiny antsika izany” hoy ihany ny Papa François. Manoloana an’io “toetra mamoahetra” io “dia tsy misy ny fandeferana”. Ny maha mpitovo ny Pretra: efa nisy resaka ihany ny momba ireo miray mitovy fananahana, “iza moa aho no tokony hitsara?” tsotra ihany ny namaliany izany: “tsy fotompapianaran’ny finoana ny fanambadiana, mivoha ny varavarana”.

Teraka tamin’ny taona 1244 tao Cahors, maty tamin’ny 1334 tao Avignon teo amin’ny faha-90 taonany. Voafidy ho Papa tamin’ny 1316 tamin’ny faha72 taonany ary nitana izany adidy masina izany nandritry ny 18 taona. Isan’ny ezaka lehibe nataony ny fanavaozana ny fiainan’ny Fiangonana. Izany moa i Papa Joany Paoly faha-2? Teraka tamin’ny 18 mey 1920 tao Cracovie tao Pologne, maty ny taona 2005. Ny 16 oktobra 1978 izy no voafidy ho Papa ary isan’ireo Papa ela indrindra tamin’ny fiketrahana Masina satria dia nitana izany toerana izany nandritry ny 26 taona sy 05 volana sy 18 andro. Isan’ny ezaka lehibe nataony ny fampiraisam-pinoana, ny fampihavanam-pirenena, ny fitiavana manokana ireo tanora. Endriky ny fampivoarana amin’izao tontolo izao izy ara-pinoana ihany fa teo politika,... Araka izany dia ganana ho Olomasina izao.

lehibe teo anivon’ny Fiangonana sy teo mirahalahy ireo. Tsy teo amin’ny lafiny amin’ny lafiny ara-tsosialy, ekonomika, mendrika azy ireo tanteraka izao fanan-

Ando, Coord MSJM ; Ampasanimalo

Ny fisaraham-panambadiana dia tsy hahafahana mandray ny Sakramenta. Niadiankevitra lalina io satria tsy misy lalàna napetraka fa tsy afaka mandray Sakramenta ireo nisarampanambadiana. Izany hoe miankina amin’ny fanadihadiana. Tokony hazava amin’ny olona tsirairay fa ny fisaraham-panambadiana dia tsy hanesorana ny olona tsy ho isan’ny Fiangonana. Mampatsiahy antsika izany ny sinodan’ny Fianakaviana Jeannot, Coord MSJM ; Mahavatse


Namako

Page 4

ZON’NY ANKIZY ZAVA-DEHIBE NY FANABEAZANA NY ANKIZY

T

ena zava-dehibe ny fanabeazana ny ankizy, satria fototra iorenana sy hametrahana ny hoaviny, ary indrindra iankinan’ny fandrosoana. Amin’ny fotoanan’ny fahazazana manko no andraisany ireo zavatra atolotra azy rehetra na tsara na ratsy. Ao amin’ny ankohonana ohatra dia efa alain’ny ankizy tahaka ny fihetsika sy ny fiteny rehetra ataon’ny ao an-trano, noho izany raha mpiteny ratsy, mpandainga, mpiady … ny olona manodidina azy dia zary lasa fahazarana ho azy izany ary heveriny ho tsara. Raha toa ka fanananarana, fitiavana, hafaliana, fifanajana no iainana ao an-tokatrano dia lasa fanabeazana tsara sy ohatra velona ho azy ireo. Noho izany, amin’io no fotoana tokony hararaotina hanomezana azy izay zavatra tsara rehetra, anisan’izany ny fanabeazana. Hoy ny Ntaolo: “zaro amin’ny lalana tena izy ny ankizy, mba tsy hiankina amintsika ny tsiny”, sy ny hoe: “ny hazo no vanon -ko lakana, ny tany naniriany no tsara”.

Ireny zaza ireny no tonga ho lehibe Ka henoina izy ireny fa tsy hodian-tsy re Ary raha tianao mba ho tonga olom-banona Dia tohanohano, indrindra amin’ny hanina

Fa ankoatra izay hanina izay Dia tadidio fa na mbola zaza aza ny olona iray Dia efa afaka mandray

Mandray ny zavatra mitranga Ka tandremo ny fihetsika tsy voalanja Fa omeo azy dieny mbola zaza Ny fanabeazana sahaza Dia any aoriana any ianao ho gaga

Elysé, Coord MSJM;

Domoina

, Coord

, MSJM Iva to

Ijely TADIDIO FA :

Zo

hanana fialam-boly (And 21): ny fiaraha-monina tsirairay, ny sekoly tsirairay dia miezaka manome fahafahana ny ankizy hiala-voly. Satria manana zo feno hilalao, hiala-voly ny ankizy rehetra. Any an-tsekoly ohatra dia asiana ny fakan-drivotra sy ny fotoana ahafahana miala sasatra toy ny « Vacance ». Ary eny amin’ny fiaraha-monina dia asiana ny film, ny tantara an-tsehatra, ny kilalao maro isan-karazany mba hahafahana manaja ny Zon’ny ankizy hilalao sy hiala-voly ary koa hiala sasatra. Zava-dehibe amin’ny ankizy manko raha toa ka haintsika ny manome azy tsiro ny fialam-boly sy ny kilalao ka hanampy azy amin’ny fivelaran’ny sainy sy ny fahasalamany ary ny maha olona azy manontolo. Koa hajao sy tandrovy hatrany ny zon’ny ankizy izay hahafahany miala sasatra sy milalao fa ilain’ny vatany sy ny maha olona azy izany. Justine, Coord MSJM; Ankililoaky


TAONA FAHA V, N° 1

Page 5

MAHA SALEZIANINA

Izy no Recteur Majeur vaovao

Ny talata 25 martsa 2014, nandritran'ny "chapitre général" faha-27 tany Roma dia voafidy ho" recteur majeur "-n'ny salezianina i Ángel Fernández Artime ho amin'ny enina taona manaraka.

I

Artime Fernández dia nanolo an'ilay meksikanina Pascual Chávez, izay nitazona io asa fanompoana io nandritran'ny roambinifolo taona, fotoana be indrindra voafaritry ny lalam-panorenana salezianina azo anatanterahana io asa io. Araka izany dia lasa dimbin'i don Bosco faha-10 ity salezianina espaniola ity, tao aorian'ny fifidianana izay natao ny alatsinainy faha-24 martsa 2014 tolakandro. Talohan'izao nahavoafidy azy ho "recteur majeur" izao , i Artime Fernández dia voatendry ho "supérieur provincial"-n'ny faritra salezianina "Marie auxiliatrice" ny volana desambra 2013, faritra izay mamondrona an'i Andorre, Aragon, Catalogne, Baléares, Valence, Murcie, Estrémadure, Andalousie, ary ny nosy canaries. I Agel Fernandez Artime dia teraka tao Gozon-Luanco (Asturie) tamin'ny taona 1960. Tamin'ny faha 18-taonany no nanombohany ny asa maha-salezianina azy, enina taona tao aorian'izany no nanosorana azy ho mpisoron'i Avo indrindra. Nianatra momban'ny teolojia pastoraly, ny filozofia sy ny pedagojia ihany koa izy. Rehefa nitazona andraikitra maro tao amin'ny faritra salezianin'ny Satiago el Mayor izy, dia lasa "supérieur provincial", ary avy eo dia voatendry ho "directeur"-n'ny kolejy salezianina ao Orense. Nanomboka ny taona 2009, izy no "provincial" tao Argentine, andraikitra izay notanany mialohan'ny nanendrena azy ho "provincial"-n'ny faritra Marie Auxiliatrice (Espagne) ny desambra farany teo.

Riri Coord MSJM; Ivato

Daniel, SDB Cambodge.


Namako

Page 6

VAOVAON’NY MSJM

I

o no lohahevitry ny fiofanana natrehin’ireo mpandrindra ny « Pastoral des Jeunes » ao amin’ny Fianakaviam-be Salezianina, izay natao tao amin’ny Maison Don Bosco ny Zoma 30 mai lasa teo. Sr Alice Lucia Razanatoany, FMA no nanentana ny fihaonana izay niainga tamin’ny fahitan’ny olona sy izay zavatra tonga ao antsain’ny olona raha vao hoe « Salezianina » no resahina. Tsapa fa na dia efa ho telopolo taona mahery aza izao no nahatongavan’ireo misionera teto Madagasikara dia mbola vitsy mpahafantatra ny Salezianina fa ny anaran’i Don Bosco sy ny Radio Don Bosco no fantatry ny olona. Tsy takona afenina kosa ny vokatra sy ny fivoarana nentin’izy ireo teo amin’ny fanabeazana ny zanaka malagasy raha tsy hilaza afa-tsy ny fisian’ny sekoly sy fianarana arak’asa amin’ny faritra rehetra ahitana azy ireo izay hita fa mijery manokana an’ireo atao an-jorombala raha ny faritra misy azy ireo no jerena (ohatra Bemaneviky, Ankililoaka, Ijely……) Nojerena avy teo kosa ny tontolon’ny tanora Malagasy sy ny filàny ary ny ezaka tokony hataon’ny Salezianina ho entina mamaly izany. Efa nohalalinina hatramin’ny taona 2007 moa ity lohahevitra ity ka nasongadina tamin’izany ireo toe-tsaina malagasy izay toy ny efa tany lonaka ahafahan’ny toe-panahy Salezianina mitsiry sy mitsimoka tsara toy ny fanajana ny aina, fanajana an’Andriamanitra Mpahary, ny firaisankina sy ny hafaliana izay tena manan-danja koa amin’ny fomba fanabeazana Salezianina. Tsapa ihany koa fa misy ireo kolon-tsaina Malagasy izay mila ho halalinina bebe kokoa dia ireo angano sy haisoratra izay hita fa mihavery ankehitriny ka mila ezaka avy amintsika salezianina malagasy mba handalina sy hankafy azy ireo. Ando coord MSJM; Ivato

Avonony ny hery ry tanora namana Fa izaho sy ianao no hiara-dalana Hanavotra indray ity Tanindrazana Hanohy hatrany ny ezaky ny razana

y ireny antsy iz m a o k o -po t ny y ao am y firene Tsy mat oe tia n h o a t a an y n o drazany Satria iz y ’ny Tanin n a taranan o h ainy avin’ny y n o h y y in n o F hatrany sinjoviny t ia r t a S

Ry tanora namana malala, Ny vitan’ireo razantsika iaraha-mahalala Ndeha isika hanao tahaka izy ireo Fa soa fianatra hoy izy ireo Michael; Ambanja

isan’ny fomba amam-panaon’ny SaleziaAn nina ny mikarakara fihaonamben’ireo tanora rehetra izay miaina sy mivelona ny fomba nanabeazan’i Don Bosco (Meeting). Io fihaonanan’ny tanora salezianina io dia misokajy telo ; National, zonal, ary local. Ity taona 2014 ity ohatra no ho tanterahina aty Betafo ny meeting zonal ho an’ny faritra ampovoany(Tana, Miarinarivo, Betafo). Ho an’ny Betafo manokana dia efa nanomboka hatrin’ny ela ny fanomanana ny fandraisana ny tanora rehetra izay ho avy aty, na eo amin’ny toerana, fitaovana, sy ny herijika rehetra izay hatao mba hahatomombana antsakany sy andavany an’io fihaonana io, fa indrindra fa ny toe-tsaina handray vahiny sy ny toe-panahy. Tsy mora ny mikarakara zavatra kanefa noho ny fahavonana handray fihaonana lehibe toy izao dia azo lazaina fa vonona tanteraka I Betafo handray io fihaonana io .Eto ampamaranana àry dia miandry anareo izahay avy aty Betafo amin’io fihaonana io fa ny fahavonana efa ao. Rija coord MSJM; Betafo


TAONA FAHA V, N° 1

Page 7

Ny hetsika voalohany tamin’izany dia samy nanao vavaka sy fampahafantarana ny MSJM isaky ny sokajy ( sekoly, oratorio, fikambanana masina). Ny hetsika faharoa dia ny fifaninanan-kira izay nanana ny lohahevitra « hafaliaana » na « fiangonanana » na « tanindrazana », ka nandray anjara daholo na ankizy na ny tanora eo anivon’ny kartie. Ary ny 20 martsa dia nofaranana tamin’ny « Récollection » ‘ny tanora sy ny lamesa izany. Tena tsapa fa herinandro tena nitondra lesona tsara teo amin’ny ankizy sy ny tanora tokoa iny herinandro iny. Moise, Coord MSJM; Mahajanga

T

ontosa soa aman-tsara ny fivorian’ireo mpandrindra ny pastoralin’ny tanora salezianina eto Madagasikara. Tao amin’ny « Maison Don Bosco » Ivato. Telopolo mianadahy no nandray anjara tamin’izany: Pretra, Relijiozy ary tanora Laika , izay misolotena ny faritra iasan’ny Salezianina. Naharitra 3 andro ny fivoriana ny faha-29-30-31 mey 2014. Isan’ny zavatra natao tamin’izany ny fandinihina ny « Système Préventif, ny kolontsaina Malagasy niarahana tamin’i Masera Alice (FMA). Ankoatra izay dia teo ihany koa ny fanomanana ny fitaovana enti-manentana ny tanora mandritry ny taom-pikatrohana toy ny Gazety Namako, Tafatafa samy tanora, tari-dalana pastoraly, bokin’ny FY,… Izahay ekipa mpandrindra rehetra àry dia mirary soa ny tanora salezianina rehetra hahavita be amin’ny iraka napetraky ny Tompo amintsika ho fanasoavana ireo ankizy sy tanora indrindra ireo tena sahirana. Mahereza amin’ny asa soa eo ambany fitantanan’i Masina Maria vonjin’ny kristianina!

Tontosa soa aman-tsara ny MSJ local taty Fianarantsoa ny 11 – 14 avrily 2014 lasa teo. Niavaka noho ny isan-taona izy ity satria nisy JMJ Faritra izay natao teto an-tananan’ny Fianarantsoa ka nifanindry an-dalana tamin’io JMJ io ny fankalazana ny MSJ local. Nandritra io fotoana io dia nahatratra tanora miisa 500 mahery izay nitsinjara tamin’ny paroasy 8 teto an-toerana. Niompana tamin’ny lohahevitra hoe: “sambatra ny mahantra ampanahy fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra”. Nizotra toy izao manaraka izao àry ny MSJ sy ny JMJ faritra: ny zoma no fahatongavana sy fandraisana an’ireo t anor a, i zay ni t ohy tamin’ny lalan’ny Hazofijaliana; famelabelarana momba ny lohahevitra narahina adi-hevitra ny sabotsy maraina, ny tapany hariva kosa dia vavaka “célébration penitentiel” narahina alim-bavaka tamin’ny “relique Jean Paul II”; ny alahady kosa ny diabe am-bavaka izay nitondrana ny “relique-n’i Jean Paul II sy fitondrana ny lakroan’ny JMJ Diosezy. Nizotra nankeny amin’ny katedraly Ambozontany ny diabe ary narahina lamesa izay notarihin’I Mgr Fulgences Rabemahafaly Arsevekan’ny Fianarantsoa. Nisy avy eo ny sakafompiombonana ny atoandro narahina sahoby. Tsy hijanona eo ihany anefa izany fihaonan’ny tanora izany fa mbola hitohy amin’ny MSJ nasionaly amin’ny 2015 sy ny fanomanana ny JMJ Mada VIII, fa indrindra ihany koa ny fanomanana ny faha-200 taona ny nahaterahan’I Don Bosco. Ka noho izany rehetra izany dia efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka izahay aty Fianarantsoa (ara-panahy, ara-toerana, ara-batana, ara-tsaina, ara-pitaovana,…) amin’ny fandraisana ireo tanora. Koa manantena ny fahavitrihantsika tanora amin’ny fandraisana anjara izahay mba ho tonga maro ianareo amin’io MSJM sy JMJ Mada VIII io. Henry coord MSJM; Fianarantsoa

Ireo ry zalahy reo!

; JM MS d o B Co CM ha, tac a N


Page 8

Namako

VAOVAOM-PARITRA Fihaonam-ben ’ny

TANORA

Ta

o amin’ny ECAR FANAHY MASINA Antanimalandy no nifanao fotoana ireo tanora’ny Vikaria Mahajanga ville niaranisantatra nankalaza ny sampankazon’ny tanora tamin’ny sabotsy 12 - 13 aprily 2014. Mavitrika tokoa ny fandraisan’ny tanora anjara satria dia nahitana 800 ny mpizaika avy eto amin’ny paroasy valo (8) eto an-drenivohitra. Ny fanomanana sy ny zavatra natolotra azy ireo ihany koa moa efa nisy rindran-damina tsara. Tsapa teto fa ny zavatra natolotra dia feno tsara : tao ny katesizy, ny laha-dinika, ny alim-bavaka, ny fifaninanan-kira, ny lalan’ny hazo fijaliana namakivaky ny RN4. ny alahady 13 avrily dia niaraka nankalaza ny Sorona Masina izay notarihin’i Père Victor ary tao aorian’izay dia nisy ny sahoby.

Toy ny mahazatra in-telo isan-taona no haonan’ireo Tanora fiaty amin’ny faritry ny Bemaneviky. Tanora avy amin’ny zanam piangonana maro no tonga manatrika izany .Matetika , eo amin’ny fetin’I Do n Bosco sy ny Sampakazo ary ny Pantekoty no fotoana fanatanterahana io fihaonana io. Ts ara ny mamaritra etoana fa ao Ambohitrand riana indray amin’ity Pant ekoty ho avy ity . haonana no fand alinana ny tenin’An Sady fidriamanitra; eo koa ny fane ntanana ireo fikam banana maro izay handin ika ran’ny M.S.J.M farit ny fandraisana ny tanora (z lana Septambra 20 one nord )amin’ny vo14 no mibahan-to amin’izany. Mahaz erana o mahatoky fa sam y handray ny mifanandrify az y ny tsirairay mba ho tsara fanomanana izany . Mr Duard Cood. ;

Tao anatin’ny hafaliana hatrany no niainanany izany rehetra izany. Sr Aurelie (St Maurice); mpanampy mpanabe Oratorio

F

ety fankasitrahana ny Masera FMA ny 11 may 2014 tao amin’ny ECAR Manazary.

Fankalazana ny herinandro faha-4 ny paka: fetin’ny mpiandry ondry tsara. Raha ny fety aloha dia azo lazaina fa nakotrokotroka tokoa. Mazàna manko dia saika isan-taona dia misy foana io fankalazana sy fankasitrahana io eto aminay. Nizara roa ny fotoana: ny tapany maraina dia Sorona Masina lehibe izay niarahana tamin’ny Vikera generaly miasa eto amin’ny Diosezy Miarinarivo sy niaraka tamin’ny Mompera Salezianina teto an-toerana. Notsindriany tsara tamin’ny toriteniny ny maha-mpiandry ondry tsara ny Masera, Ray aman-dreny, ary ny mpanabe. Ny tapany hariva kosa dia fiaraha-misakafo, narahina korana: dihy, vakodrazana, karaoke,… Tao anatin’ny fahafinaretana tokoa ny rehetra, ary farany dia samy namonjy ny fodiany tamim-pitsikiana sy tamimpifaliana ny tsirairay satria tena fetimpianakaviana tokoa. Mle Claudine, Coordinatrice Manazary

Bemaneviky

Fantatrao ve

Ireo soa azo avy amin’ny Paoma ? (Pomme)

Fantatrao ve fa ny paoma dia anisan’ny voankazo mitondra hery betsaka ho an’ny vatan’olombelona satria ahitana vitamina C, B1, B2, PP, B5, B6, E izy. Miady amin’ny poizina tafiditra ao anatin’ny vatana ihany koa ny paoma, araka ny fikarohan’ny manam-pahaizana; miady amin’ny fahanteran’ny hoditra koa izy. Manampy betsaka ireo olona manana olana ar apivalanana sy ireo tsy mahalevon-kanina koa. Ho an’ireo mitohana dia tokony hihinana paoma betsaka, tsy voasana fa tonga dia hanina amin’izao rehafa voasasa madio tsara. Voalaza mantsy fa be “cellulose” iny hodiny iny. Ho an’ireo Andriambavilanitra te-hampihena vatana kosa dia manampy betsaka amin’izany tokoa ny fihinanana paoma. Misy karazany maro ny paoma, ao ny mena midorehitra, ny maintso, ny somary manopy mavo,…. Toy izany koa misy ny malemy, ny matsakotsako, ny marikivy sy ny mamy. Koa anjaranao no misafidy izay tsiro mety aminao fa mitondra ho any amin’ny fahasalamana avokoa izy ireny. Ando coord MSJM; Ampasanimalo


Page 9

Namako

KOLON-TSAINA

N

! n a a o Mahas

y 02 Janoary 1873 no teraka i Terezy kely. Efatra mirahavavy ny zokiny dia I Marie, Pauline, Léonie ary Celine.

Torohevitra vitsivitsy mety ha-

Louis Martin sy Zelia Guerin kosa no Ray amannampy anao amin’ny fahasalamana: dreniny. Mbola kely I Terezy dia efa feno hafaliana lalandava ary miteny momba  Amin’izao vanim-potoanan’ny ririan’Andriamanitra foana ary mazoto nina izao dia mamely ny kohoka sy mivavaka. Na mbola kely aza I Terezy dia efa ny gripa, noho izanahatsapa sahady izany hoe fisakaizana ny dia ity misy amin’Andriamanitra izany. Niezaka nanome torohevitra mety fanabeazana kristianina an’ireo zanany ny ray hahasoa anao. aman-dreniny. Isan-kariva ohatra dia mamaky tantaran’ny olomasina ingahy Louis ary mirehidrehitra ao amin’ny fianakaviana ny fanajana Zavatra ilaina : an’i MasinaMaria isaky ny volana mey. Noho ireo fanabeazana sy Tantely 2 sotro lehibe ohatra tsara nomen’ireo ray aman-dreniny azy dia nitombo fahen-  drena sy fahamasinana i Terezy, tia mivavaka, manampy ny mahan- Sakamalao (sakaviro na sakay tra.

tany) 5g ( mitovy habe amin’ny hohon’ny ankihi-

Ny 27 Aogositra 1877 no maty ny renin’I terezy ary 3 volana taorian’i- be) zay dia nifindra tany Lisieux ry Martin mianakavy. Ny oktobra 1882 no niditra tao amin’ny Monasteran’ny Karmelita tao Lisieux I Pauline. Niditra fikambanana hafa koa i Léonie zokiny taty aoriana ary ny oktobra 1886 koa dia nanaraka an’I Pauline tao amin’ny Karmely I Marie. Hany ka izy sy Pauline sisa no nanafana ny akaniny.

Atao anaty vera na kaopy ny tantely 2 sotro ; sasana sy voasana ny sakamalao dia tontoina halemy tsara. Rahefa izany dia atao ao anatin’ilay vera misy tantely ka ampifangaroina tsara. Sotroina 1 sotron-dite maraina sy hariva alohan’ny hatory. Sady manala ny aretinao io no mameno hafanana ihany koa.

Vao 15 taona monja koa i Terezy dia naniry ny hiditra karmely, nanaiky azy ny rainy saingy nandà izany kosa ny dadatoany. Andro vitsivitsy anefa dia niova tanteraka ny dadatoany rehefa nivavaka ka nanaiky ihany. Nandà azy indray koa ny Pretra Delatroette lehiben’ny Monastera, tsara hoy izy raha miandry roampolo taona ianao vao miditra. Dimy volana taty aoriana tapa-kevitra i Terezy fa hanatona ny Eveka Hugonin any Bayeux. Maro ny olana nosedrainy nandritra ny NB: raha tsy misy tantely dia azo soloina fotoana maharitra. Nivaha ny olana rehetra ka ny 01 janoary 1888 no nilazan’ny fikambanana karmely izy fa nomen’ny Eveka alalana hid- siramamy gasy. itra ao amin’ny fikambanana. Tontoina halemy tsara miaraka ny sakamalao sy Tanteraka ny fanirian’ i Terezy, nivoha ho azy mandrakizay ny varavaran’ny karmely. Maro ny fanaratsiana sy ny fampijaliana nahazo azy tamin’ireo mpiray fikambanana taminy. Saingy hoy izy hoe: “Tonga eto hijaly ho famonjena mpanota maro aho”. Ny 10 janoary 1889 no nandraisan’I Terezy ny akanjon-drelijiozy. Ny 08 septambra 1890 kosa no nanaovany ny voadin’ny fahantrana, fahadiovan ary fanekena. Relijiozy izy izao, ary vao maika maro ny ireo fijaliana nihatra taminyn fa hoy hatrany izy: “Tokony ho tia ny fijaliana fa ao aminy irery ihany no hahazoantsika mamonjy fanahy tahaka an’I Jesoa”. Ny 29 jiona1894 no maty ny rainy tamin’ny faha 71 taonany. Ary farany niditra karmelita ihany koa I Celine zokiny roa volana taty aoriana. Nataon’I Terezy am-pitiavana avokoa ny zavatra rehetra, “Tiako ho laniana hanaovan-tsoa ety an-tany ny lanitra”, hoy izy. Narary mafy izy taty aoriana, somary naharitra izany tsy fahasalamany izany, efa vonona amin’ny fahafatesana anefa izy, ary mbola niezaka niantso mafy farany izy teo am-pimbanjinana ny sarin’i Kristy mifantsika: “oh! Tiako Izy! Andriamanitra ô! Tompo ô! Tiako ianao”. Ka ny 30 septambra 1897 tamin’ny 07ora sy 20mn hariva no maty izy. Ny 17 mey 1925, 28 taona taorian’ny nahafatesany no natsangana Olomasina I Terezy. Ary isaky ny 01 Oktobra no hankalazana ny fetiny.

ny siramamy gasy dia atao anaty vera ka asiana rano kely araka izay hitiavanao azy. Dia sotroina toy ny teo aloha ihany. 

Ankoatra ny kohaka dia eo koa ny fahavakivakisan’ny tarehy sy ny molotra:

Isaky ny faran’ny herinandro àry dia manaova ity masque ity. Potserina ny nofona antsasaka zavoka, ampiarahana amin’ny tantely 2 sotro fihinanana ary ahosotra amin’ny tarehy sy molotra. Avela hilona 20mn eo dia kobanina amin’ny rano matimaty avy eo Dia mba andramo ary fa sao dia hahasoa anao e! mirary soa.

Domoina coord MSJM; Ivato

Mr Roger Coord MSJM; Ambanja


Page 10

Namako

nto Hay Soratra sy Ka Samuel RATANY

Ry tendrombohitra manjavozavo

1901 - 1926

Ry lohasaha sy alan’Angavo Ry tany lemaka manopy mavo Mba rotsirotsio ny fo tsy miravo

Olomangan’i Gasikara

Ry rano velona mangalahala Ry rainilovy tabihan’ny ala

Teraka ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo izy. Zanaky Ratsimamakitany sy Ramariarivelo ary manam-bady andRasoazananohatra. Nianatra tao amin’ny Paul Minault Ambohijatovo izy. Tao no nanombohany nankafy literatiora ary nanampy azy tamin’izany sy nanolokolo ny talentany Randrianjafindratrimo anadahin-dreniny. Mahay zavamaneno koa, ka ny rainy Ratsimamakitany no nanolokolo azy teo amin’ny hira sy ny zavamaneno. Voataiza tamin’ny finoana kristianina koa izy. Mpitana bokim-bola tao amin’ny tranombarotra “Vissilou” no asa nataony. Maty tamin’ny 10 oktobra 1926, raha vao 25 taona monja I Samuel Ratany ary nalevina ao Lazaina Avaradrano. Vao 15 taona monja izy no nanomboka nanoratra ary TANICUS no solojn’anarana nentiny.sarotiny tokoa ka nisy niverenany intelo na inefatra ny fandrafetana sy fanadiovana ny asa soratra navoakany. Nifanerasera sy nifankatia tamin’ny mpanoratra mitovitovy taona aminy izy, indrindra fa tamin’I Jean Joseph Rabearivelo izay nihevitra azy ho mpamorona tononkalo lehibe indrindra tamin’ny androny. Azo alahatra ho anisan’ireo ngezalahy izy. Ny nokendreny dia ny hanondrotra ny poezia Malagasy amin’ny toerana ambonimbony kokoa. Mpanoratra tononkalo, sombin-tantara izy ary nanoratra tamin’ny gazety sy revio ihany koa.

Ry raozy maraina tsy matim-panala Mba rotsirotsio ny diso malala Ry alan-tapia anivon’Imamo Farihin’Alaotra mielo tatamo Ry vonin-daoranjy tsy manamohamo Mba rotsirotsio ny saina efda kamo Ry alan-jozoro otronin-karefo Ry hazo sedera ka mpanefoefo Ry zahatr’Ikopa tsy malefolefo Mba rotsirotsio ny saina marefo Ry alan’akondro singanin-dongoza Ry rano manjelatra ierem-poza Ry riana mahery miseho ho loza Mba rotsirotsio ‘zay mitavozavoza Ry voron-drehetra miara-mikalo Ry eritreritra sendra mandalo Ry eri-drivotra manalohalo Mba rotsirotsio ny saina mimalo Ry dobo mavany any Tritriva Ry feo re lavitra antsiva Ry diavola-misoko takariva Mba rotsirotsio ny saina efa iva Ry bararata mifandrondrona Ry volo vaventy sy vahy mifamona Ry ampanga mandravaka toy ny galona Mba rotsirotsio ny fo ‘zay mirona Ry tsotso-drivotra manelohelo Ry ako mozika ka manelohelo Ry telegrafiko “tsy ambara telo” Mba rotsirotsio ny fo malahelo.

Samuel RATANY Ambozontany Fianarantsoa, tak 59-60


Page 11

Namako

A N A K I HATS

O A L A KIL SUDUKU: Fenoy isa 1-9 ny banga!!!

Niresaka ireto mpi

vady: Ramatoa:nah oana no laza inao fa matin bonaika nef 'ny toaka i a izy tsy mis otro toaka?? -rangahy:tov olahy mamo toaka no nan ka nahafaty indrona ants azy!!! y --ramatoa:g rrrrrr

indray andro lahy;

tanora 15 taona zatovo nis ramatoa sy teo @arret bus

d zao pozko zao? s ny fijerin'la an le na ho :a oa at ram ona?, tokny ho firy ta 15 taona, ztvlahy:tsara ka taona?, volok? tkny firy ramatoa:ar ny 15taona kou, ztvlahy:mbola firy taona eo?, bikako? tokony ramatoa:ar ny u 15taona kou, bola tsara be ko m y es y: ah vl zt y?, tarehik tkny fir ramatoa:ar ny 15taona kou, ztvlahy: mbola tena izy e!, firy marna zan na te fa : oa at ram ona eo zan enw 5+15+15=60 ta +1 15 !! m hm ztvlahy: madama a!

1 2

3

4

Fanadinana: Tadiavo ny “X”?

5 1– Mpanavotra; 2– Avy ao am-po; 3– Renintsika; 4-Eto an-tany; 5Matanjaka

X

4

Inona ary izany?

5

1. Raha esorina ny rambony sy ny lohany dia biby tongotra 4 izy, raha esorina ny fony dia razana izy. Ny mpivady ihany no manana azy.

Valiny:Io izy io

JeannotMSJM;

Hary coord MSJM;

Mahavatse

Ivato


Page 12

Namako

« Matokia an’i Masina Maria dia ho fantatrareo ny atao hoe fahagagana » Don Bosco

ivoaka indray ity ny Gazety namako voalohany amin’ity taona ity, isaorana ny mpandray anjara rehetra.

M

Ankoatra izay dia isaorana dia tiana ny mampahatsiahy fa ao anatin’ny fanomanana ny faha-200 taona nahafatesan’i Don Bosco isika izao. Tsy tokony hampipetrapetraka antsika izany! Maro ireo tolotra amin’ny fiofanana sy ny fanabeazana ao ihany koa ireo asa marobe miandry antsika, toy ny MSJ zonal, ny VOSAMI, ny Ambohibosco, ny Fy don Bosco sns. Araraoty àry fa i Don Bosco sy Masina Maria Vonjin’ny Kristianina dia miara-dalana amintsika mandrakariva amin’ny fanabeazana ataontsika. Mahereza e!

Mana titratit ra ny

fisaora ka anj na, amin’ny ara, ta f fanato min’ny andraisants ntosan ia ity g azety N AMA KO it y

Mi jor Tan oa ora ho mis ion tan era ora n’n y nam ana Mouvement Salésien des Jeunes à Madagascar Maison Don bosco BP: 60 Tel: 22 451 03 Fax: 22451 01 E-mail: msj_fma@yahoo.fr pdjmada@yahoo.fr

a avit mah nao o n o ia iana tsy !!! Eny . Raha hafa y n y a s iz mi tsy dia

fom- o ny a o t na a e velo Areh a f e vana nareo. i pitia t a an

NAMAKO JUIN 2014  
Read more
Read more
Similar to
Popular now
Just for you