TAFATAFA FEVRIER 2013

Page 1

Taona faha-15 – N° 03 Volana fevrier 2013

“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo.” (Fil4,4) . Tahaka an’i Don Bosco, andao ho entitsika ho any amin’i Jesoa ny Tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana ao anatin’ny hatsaram-panahy(Etrenne recteur Majeur 2013)

(tohiny)

Ny fahamasinan’ny Fiangonana no loharano fahamasinan’ny zanany eto an-tany izay mahatsapa fa mpanota ka mila fibebahana sy fidiovana lalandava. Zava-dehibe eo amin'ny amin'ny fiainantsika tanora ny fibebahana,indrindra amin'izao akatrokin'izao taonan'ny finoana izao, ary anisany zavatra iray lehibe takian'ny fitorian'ny vaovao mahafaly atontsika izany. Ny testamenta taloha koa dia manasongadina ny toritenimpibehaana nataon'ireo mpaminany : Izaia, Ezekiela,jeremia, Ozea, Amosy, mba hiverenen'ny vahoaka israely amin'Andriamanitra sy mba hialany amin'ny fitondran-tena ratsy sy amin'ny fanompoantsampy.Ao amin'ny Baiboly dia maro ireo teny ampiasaina mba hilazana ny fahotana na ny fisarahana amin'Andriamanitra,toy ny hoe; “Niodina”(Iz 1,2 ; Ezkla 2,8-7) “nandao”(Jer 1,16) “nihataka”(Jer 2,5). Ny fibebahana ary araka ny toriten'ireo mpaminany dia midika ho fiverenana

indray amin'Andriamanitra. Koa tsy mahagaga raha miverimberina ny teny hoe; “miverena”,”miverena ianareo”, “miverena amiko”, “miverena amin'Andriamanitra”(Iz 31, 6 ;44,22 ; Ezkl 14,6 ; 18, 30 ; Jer 3,14; OZ 14, 2 ; Zak 1,3 ; Mal 3,7...) “mibebahana”( Asa 2,38 ; 3, 19) “ mibebahana ianareo (Lk 13,3-5) na ny antsom-pibebahana nataon'i Jesoa (Mt 4,17; Mk 1,15). misy fotoana aza ampiasana miaraka ny teny hoe;”mibebaka”sy ny dikany “fiverenana @ Andriamanitra”(Asa 26,20).Samy mitaona ny olona hiverina amin'Andriamanitra indray arak'izany,na ireo mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha, na i Joany Batista,na i Jesoa sy ireo Apostoly toa an-dry Piera sy Paoly ao @ Testamenta Vaovao.Ho antsika Katolika ny fibebahana dia ny fiverenana amin'Andriamanitra,satria matetika isika olombelona no manao tsinotsinona ny fitiavany ka mihataka sy manalavitra azy,tsy mizotra amin'ny lalana ombany sy izay iriny ombatsika koa. Ady ny fianantsika kristianina,ady manohitra ny ratsy,ady hitandrovana ny fihavaozana ao anatintsika, ady mba tsy hanalavirana an'Andriamanitra. Simon


NY ATI-DOHA Ny ati-doha dia taova iray amin’ny tenantsika miantoka ny fiterahana sy ny fisainana: a) ASAN’NY ATI-DOHA : Mibaiko ny fihetsika voajanahary eo amin’ny olombelona , manome fahazarana,ipoiran’ny fahendrena sy fahaizana ary fitiavana. b) NY ZAVATRA ILAIN’NY ATI-DOHA : mila rivotra madio,masoandro,mila sakafo ara-dalana,sakafo misy vitamine sy miovaova, mila rano madio,masoandro,mila torimaso aradalana,vatana mihetsiketsika,asa saina ara-dalana,ary fialam-boly. Mba ho afaka miasa tsara ny ati-doha dia tokony ho tandremana ny manimba azy. c) NY MANIMBA NY ATI-DOHA: tsy ampy torimaso,miasa saina be loatra,mifoka sigara,misotro toaka, mihinana zavatra misy alikaola,reraka be vatana na saina,vizana be loatra d) VOKANY : Raha simba ny ati-doha dia simba ny fiainan’ny olombelona tsy afaka misaina intsony, rehefa manao zavatra manatao foana. Simon

TANDREMO FA...  Isika matetika dia tsy mahatsiaro fa tsy mety ny zavatra ataontsika raha tsy mihatra amin'ny tenantsika ilay zavatra. “Tsongoy fon'ny tena tsongoy fon'ny hafa.”  Ny zavatra iray mampihomehy antsika matetika dia tokony heretreretina tsara sao handratra ny hafa. Tsy tokony hadino arak'izany ny fialantsiny rehefa nahatsapa fa nandratra olona isika.  Tokony ataontsika an-tsaina lalandava fa napetrak'Andriamanitra eo ambany fahefantsika ny zavatra rehetra na ny kely izany na ny lehibe. Noho izany manatrika antsika foana Izy amin'ireny fanambakana ataontsika, ireny.  Mila izay harapany ny amboadia ka tokony hitazona sy hifikitra mafy amin'ny finoantsika isika amin'izao vanimpotoana iainantsika izao .

Fisa N°03 : KAJY Soloy Marika ny Litera mba ahazahoana ny vokatra 27459 dia manaova kajy avy eo Raha: O = H K M D 2=M + 5=R L R H 8=D

F G

+ + +

2

M

D

K

A

G

A

L

B

F

B

R

H

5

9

7

VALIN’NY FISA N° 02

4

dia Fianarana

Ankamatatra: inona ary izany? “Raha marary izy mirahalahy dia mamangy izy mirahavavy,fa raha marary kosa izy mirahavavy dia tsy mamangy izy mirahalahy” OHABOLANA: “Ny fihavanana tahaka ny volonkotona: hatonina manalavitra, halavirina manatona” Jeannot Mpandrindra ny TAFATAFA SAMY TANORA : Oratorio Don Bosco – Mahavatse Adiresy hifandraisana : Salésiens Don Bosco – Mahavatse BP– 69- TOLIARA – 601 -

E-mail: tlukaszuk@salezjanie.pl


Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.