Voatery tsy fidiny niaritra ny habibian’ ny vahoaka romotra sy maimbo ra ny mpanjaka sy ny andriana ary ny mpitondra fivavahana... Tapaka ny hevitra fa hatao vono-moka izay rehetra noahiahina fa tsy nankasitraka ny Tolompiavotana. Hipoka ny tranomaizina... Feno toe-javatra nampihoron-koditra ireo tanàn-dehibe tao amin’ ny fanjakana. Ka i Frantsa dia nanjary saha nidadasika izay nifandonan’ ny vahoaka marobe, nentanin’ ny fihetseham-po nirehitra. «Tao Parisy dia nanao sesilany ny rotaka, ka nizarazara ho antoko nifanjevo be ihany ny olona, izay toa tsy nanana tarigetra afa-tsy ny hifandripaka». Ary ho fanampin’ ny fahoriana nianjady hatraiza hatraiza dia rafitr’ ady izay naharitra ela sy nahalao ny tany tamin’ ireo fanjakana lehibe tao Eoropa, ny firenena. «Efa saiky bankirompitra ny tany sy ny fanjakana, nitaky ny karamany tsy voaloa ny tafika, tsy nanan-kohanina ny mponina tao Parisy, ringana noho ny asan’ ny jiolahy ny faritany ary (sivilizasiona) efa saiky fongotry."