«Aoka ho tsipahintsika io lalàna io», hoy ireo andriandahy. «Rehefa mikasika ny feon’ ny fieritreretana dia tsy ny maro an’ isa no mahery»... Ny fitondram-panjakana rehetra izay mitady hifehy na hanamafy ny fitsipika ara-pivavahana amin’ ny alalan’ ny fahefana sivily dia manao sorona ilay foto: Ny voalohany dia ny fitsabahan’ ny fahefana arapanjakana ary ny faharoa dia ny fahefana tsy an-drariny raisin’ ny fiangonana. Ho solon’ ireo fahadisoan-kevitra roa ireo ny fivavahana Protestanta dia mametraka ny fahefan’ ny tenin’ Andriamanitra ambonin’ ny mpanapaka ary ny fahefan’ ny tenin’ Andriamanitra ambonin’ ny fiangonana hita maso. Dia mitsipaka ny fahefam-panjakana izy raha ny momba ny zavatra mikasika an’ Andriamanitra ary miara-milaza amin’ ny mpaminany sy ny apostoly hoe...Vavolombelona miezinezina mitsipaka ny tsy fahalalana eo amin’ ny ara-pivavahana izany sy ny zon’ ny olona rehetra hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretany.