Fitahiana lehibe no azo amin’ny fitandremana ny Sabata, ary irin’Andriamanitra ny hahatonga ny andro Sabata ho andro fifaliana ho antsika. Nisy fifaliana tamin’ny fanorenana ny Sabata. Nijery tamin’ny fahafaham-po Andriamanitra ny asan’ny tanany. Ny zavatra rehetra izay nataony dia nambarany “tena tsara”. Feno fifaliana ny lanitra sy ny tany. "Niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ny zanak'Andriamanitra." Na dia efa niditra teto amin’izao tontolo izao aza ny ota mba hanimba ny asany tonga lafatra, dia mbola omen’Andriamanitra antsika ny Sabata ho vavolombelona fa Iray Mahery Indrindra, tsy manam-petra amin’ny fahatsarana sy ny famindram-po, no namorona ny zavatra rehetra. Irin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny Sabata ny hitahiry eo amin’ny olona ny fahalalana Azy. Iriny ny hahatongavan’ny Sabata ny saintsika ho Aminy amin’ny maha-Andriamanitra marina sy velona, ary amin’ny alalan’ny fahalalana Azy no hananantsika fiainana sy fiadanana.