Malagasy - Christus Victor (Amen)

Page 1


Verse 1

CHRISTUS VICTOR (AMEN)

Songwriters: Matt Boswell, Bryan Fowler, Keith Getty, Kristyn Getty, and Matt Papa Language: Malagasy

Avo indrindra, ry Ilay hatrizay, Ilay Izy, ’lay Mahagaga

N’ranao no-namonjenao anay

Tamin’ny rano saika handoza

’Lay antoky n’famonjena anay

Chorus

Ho an’Ilay Zanakondry anie

Ny haja sy ny voninahitra

F’efa nandresy Ianao

Haleloia, Amena

Verse 2

Avo indrindra, monina aminay

Nirahina ho an’ny mpanota,

N’ranao no avotra ho anay

Zanakondry novonoina

Nefa nitsangan-ko mpandresy

Chorus 2 & 3

Ho an’Ilay Zanakondry anie

Ny haja sy ny voninahitra

F’efa nandresy Ianao

Haleloia

Ny firenena rehetra

Miombona amin’ny anjely

Hihoby hoe nandresy Ianao

Haleloia, Amena

Verse 3

Avo indrindra, Tompon’ny tompo

Fiderana no he tafianao !

Iza ary no tsy hangovitra

Raha hijoro Kristy Mpandresy?

Omaly, anio, sy mandrakizay

Bridge: Amena

Tag:

Nandresy ilay Zanakondry

Haleloia Amena

© 2024 Getty Music Publishing (BMI), Messenger Hymns (BMI), LIVINGHYMNS (BMI), Getty Music Hymns and Songs (ASCAP), Love Your Enemies Publishing (ASCAP) (all admin. at CapitolCMGPublishing.com). CCLI # 7245980

Getty Music gratefully acknowledges the assistance of Jaëla Randrianjoary and Faly Ravoahangy in preparing this official Malagasy language translation of "Christus Victor (Amen)”.

Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.