Sandrify ara-pedagôjia " 'Ndao isika hiara-hihira miaraka amin'ny O!O "

Page 1

Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »



Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »



Fanoritsoritana ankapobeny Inona moa ny sandrify ara-pedagôjia?. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 3

Ny vontoatin’ny sandrify ara-pedagôjia. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 4

A. Takelaka tekinika fanampiny amin’ny fitrandrahana ny fandaharana O ! O. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6

i - Dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny lesona iray. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6 ii - Fitrandrahana ny fizarazarana ao amin’ny fandaharana O ! O iray. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6

B. Takelaka “Mandranto fahalalana an-kira” . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 8

D. Torolalana mikasika ny fomba fitrandrahana ny hira.. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 9

i - Fanomanana mialoha ny fihainoana sy fihirana. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 10 ii - Mandritra ny fihainoana sy fihirana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 10 iii - Aorian’ny fihainoana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 11

E. Ny karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita mandritra ny fotoana ampianarana. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 12

F. Takelaka “Sahanasa hafa”. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 14

G. Raki-kira mahakasika ny famakianteny sy fanoratana ary fikajiana ao amin’ny fandaharana O ! O . . . . . . . . . . 19

H. Raki-kira mahakasika ny fahaiza-miaina ao amin’ny fandaharana O ! O . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 29

I. Raki-kiran’ireo sakaizan’i O ! O .. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 41

Tovana : Fifandraisana misy ao amin’ny vontoatin’ny fandaharana O ! O sy ny vontoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 48

Tovana: Takelaka fanomana ny fanatontosana ny sahanasa . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 49



3

Inona moa ny sandrify ara-pedagôjia? Lohateny : Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »

Ireo iantefany :

Ny fandaharana O ! O dia manao ho vaindohan-draharaha ny hahafandaharana miendri-dalalao azy ao amin’ny radiô, ka hahatonga ny ankizy ho finaritra sy ho faly noho ireo hira sy tantara ary angano ao aminy : « Sady milalao isika no mianatra ».

Mpampianatra ao amin’ny CP, Mpampiofana ara-pedagôjia, Fikambanana miandraikitra ankizy, radiô, sns.

Ny fitrandrahana ireo tantara dia atao araka izay voarakitra ao anatin’ny torolalana ho an’ny mpampianatra, izay manolotra ireo sahanasa azo tanterahina mifanandrify amin’ireo fizarazarana telo ao amin’ny fandaharana O ! O tsirairay avy :

Fanolorana ny sandrify ara-pedagôjia

-

Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana,

Ao anatin’ny sehatry ny Fanabeazana ampitain-davitra sady hanampiana ny mpampianatra amin’ny fanatontosany ireo sahanasa miendri-dalao hoenti-manabe, ny Ministeran’ny Fanabezam-pirenena (MEN) sy ny UNICEF dia manolotra ny sandrify ara-pedagôjia izay tahirina fitaovana azo henoina enti-mameno ny kahie sahanasa .

-

Fifandraisana am-bava,

-

Fahaiza-miaina (hairaha enti-miatrika ny fiainana).

Ny sandrify ara-pedagôjia, « Ndao hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O » izay mameno ny fandaharana O ! O dia rakikevitra mikasika ny fanabeazana miendri-dalao amin’ny alalan’ny hira. Fitaovana enti-manabe tsotra sy mora ary feno hetsika, mitaiza ny fitadidiana sy ny fitiava-mamorona ao amin’ireo ankizy 5 ka hatramin’ny 9 taona efa any an-tsekoly na tsia, izy ity. Ireo hira ao anaty sandrify ara-pedagôjia dia tsy hira fe hira fotsiny fa mirakitra vontoatim-panabeazana ahafahana mampivoatra sy manamafy orina ny fahaiza-manao sy ny hairahan’ny zaza. Natao koa izy io hanampy azy ireo hanabe voho ny voambolany ka hanatsara ny fari-pahalalany arapitenenana.

Ny fitrandrahana ny hira kosa dia ny sandrify ara-pedagôjia no mirakitra ny fitaovana azon’ny mpampianatra ampiasaina hanatanterahana izany any an-dakilasy. Ireo fitaovana enti-manabe ireo dia ho hita any amin’ny Centre de Ressources Pédagogiques (CRP) sy ny Fari-piadidiampampianarana (CISCO) ary ny Centre Régionale de l’Institut de National de la Formation Pédagogique (CRINFP).

Ny sandrify ara-pedagôjia dia tari-dalana ihany fa tsy mametra ny mpampianatra hanatevina sy hampifanaraka izay ataony amin’ny fari-pahalalan’ny mpianany sy ny zava-misy isamparitra tsirairay.


4

Ny vontoatin’ny sandrify ara-pedagôjia A - Takelaka tekinika fanampiny amin’ny fitrandrahana ny fandaharana O !  O

E - Ny karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita mandritry ny fotoana am-pianarana

Ity takelaka ity dia natao hameno izay voalaza ao amin’ny torolalana fitrandrahana ny fandaharana O ! O. Ohatra mivantana no noraisina hanehoana ny fomba fitrandrahana ny fandaharana O ! O amin’ny alalan’ireo taranja samihafa hita ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny kilasy. Tsy môdely no omena eto fa tari-dalana ihany.

Ireto misy ohatra na karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita manditry ny fotoana ampianarana sy ohatra vitsivitsy tokony hataon’ny mpampianatra manoloana izany toetra izany.

B - Takelaka “Mandranto fahalalana an-kira” Ny fandrantovam-pahalalana avy amin’ny alalan’ny hira dia fomba iray enti-manabe amin’ny endrika lalao, sy entimampianatra zavatra maro ny ankizy.

D - Torolalana mikasika “Ny fomba fitrandrahana ny hira” Ity takelaka ity dia manolotra ireo karazana asa azo tanterahina manodidina ny hira : Inona no atao mialoha, mandritra ary aorian’ny fihainoana ny hira iray ? Misy ihany koa sahanasa azo tanterahina atolotra ny mpampianatra amin’ny fanatontosany ny fandaharampianarany. Sady azo saratsarahina ireo hira ireo no azo arindra hifanaraka amin’ireo taranja samihafa ampianarina ao andakilasy. Mety ho an’ny dingam-pampianarana rehetra: CP no ho miakatra ary voasokajy araka izay lohahevitra heverina fa ilaina na koa hahaliana ny ankizy: ny matematika, ny litera, ny teny, ny isa, ny fianakaviana, ny sekoly, ny fikoloana ny vatana, ny namana, sns.

F - Takelaka “Sahanasa hafa” Ity takelaka ity dia manolotra soso-kevitra maro hoentimitrandraka malalaka ny hira. Ahitana ohatra maro ao : toy ny fomba fanamboarana zava-maneno tsotra azon’ny ankizy atao, sns. Ary marihina fa azon’ny mpampianatra atao ny mameno ny sandrify ara-pedagôjia amin’izay zavatra hitany an-toerana.

G - Raki-kira 0!0 (1) : Hira ho an’ny famakianteny sy fanoratana ary fikajiana Raki-kira anombohana mianatra ny abidy sy ireo voambolana fototra, ny tarehimarika hahaizana manisa sy ny ventin-drefy ary ny lantom-peo amin’ny alalan’ireo tanisa an-kira sy hira.

H - Raki-kira 0!0 (2) : Hira ho an’ny fahaiza-miaina (Hairaha ho enti-miatrika ny fiainana) Raki-kira mahakasika ny fahaiza-miaina sy fitaizana ho isambahoaka notsoahina avy amin’ireo lohahevitra trandrahina ao amin’ny fandaharana O ! O. Ireo hira ireo dia mirakitra hafatra hitondra fiovan-toetra ao amin’ny zaza. Manampy ho amin’ny fanovan-toetra ireo hira ireo ka hahatonga ny zaza hanana ny maha izy azy sy hiaina amin’ny fomba mirindra na ao antsekoly na any amin’ny fiarahamonina. Manana lohahevitra ifantohana ny fandaharana tsirairay, toy izany koa ny hira isanisany.


5

I - Raki-kira 0!0 (3) : Sakaizan’i 0 ! 0, hira sy tanisa an-kira Ity kapila ity dia mirakitra hira efa hain’ny be sy ny maro ary novelomin’ny mpianatra avy amin’ny sekoly samihafa manerana an’i Madagasikara. Lohahevitra maro mahakasika ny famakianteny, fanoratana sy fikajiana ary ny fahaiza-miaina no voiziny : ny teny, ny loko, ny isa, ny voaary, ny vatana, sns.

J - Tononkira sy tanisa an-kira Ny tonon’ny hira sy tanisa an-kira rehetra dia ho hita ao amin’ny faran’ity sandrify ara-pedagôjia ity. Azon’ny mpampianatra atao tsara ny manampy izany amin’ny alalan’ireo efa fampiasany andavanandro mba ho fanatevenana azy.

TOVANA Ato no ahitana ny fifandraisana misy ao amin’ny vontoatin’ny fandaharana O ! O sy ny vontoatin’ny fandaharampianarana vaovao.


6

Takelaka tekinika fanampiny amin’ny fitrandrahana ny fandaharana O ! O I - Dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny lesona iray

Fizarana 1º : FAMAKIANTENY SY FANORATANA ARY FIKAJIANA

Fantarina mialoha ny lohatenin’ny lesona atao araka ny voarakitra ao amin’ny fitsinjaran’asan’ny kilasy.

- Malagasy : - Vakiteny (HF2) - Dikasoratra (HF3)

Jerena ny torolalana fitrandrahana ny fandaharana O ! O : fafana misy ireo lohahevitra rehetra trandrahina ao amin’ny fandaharana

- Matematika : - HF1 (Rafitrisa) - HF2 (Rafitsary) - HF3 (Rafidrefy)

Tadiavina ny ventin’asa mifanaraka amin’ny lesona tiana hatao ho fitaovana iaingana hitondrana ny lesona.

Fizarana faha-2 : FIFANDRAISANA AM-BAVA

Ohatra : - Lohatenin’ny lesona atao : Vakiteny, (HF2) ny litera « H » (CP1) - Ao amin’ny fafana : Fandaharana faha-8 = ventin’asa faha-8 - Ventin’asa 8 : Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana - Tanisa an-kira : « Lava hoho i Babakoto » – zahao any amin’ny fizarana fahatelo ao amin’ny torolalana ny tonon’ny tanisa an-kira, ianarana mialoha ny lesona mba ho lasa fitaovana iaingana. Dia toy izany hatrany no atao isaky ny lesona vaovao na taranja tiana hotanterahina.

II - Fitrandrahana ny fizarazarana ao amin’ny fandaharana O !  O iray Ny ankamantatra, ny sehosehatra an’ohatra, ny angano, ny hira, ny tanisa an-kira, ary ny resadresaka ao amin’ny fandaharana O ! O iray, dia azo ampiasaina isaky ny fizarazarana :

Malagasy : Français :

- Fanazarana hiteny (HF1) - Français oral (CB1)

Fizarana faha-3 : FAHAIZA-MIAINA

- FFMOM - Sahanasa na Fanazarana hampiasa tànana

IREO HIRA SY TANISA AN-KIRA ARY TONONKALO

- Tsianjery - Hira, dihy sy Mozika - Sary - Fanabeazana ara-batana


7

Tsara homarihina fa :  Azo atao tsara ny mampiasa ny torolalana na naheno na tsia ny fandaharana ny mpianatra.

 Tsara raha arindra mba hiovaova ny taranja eo amin’ny fotoana natokana hihainoana ny Fandaharana.

 Fomba roa no mety azo ampiasana ny sahanasa voatondro ao amin’ny torolalana :

 Tsy voatery ho vita ao anatin’ny seho iray ny sahanasa iray fa mety ho seho maromaro misahana taranja samy hafa fa miankina amin’ny fahafahan’ny mpampianatra sy ny fandaharam-potoanany ao an-dakilasy.

a) fitaovana iaingana ampitana lesona vaovao

b) fitaovana ampiasaina ho fanamafisana izay fahaizana amam-pahalalana norantovina tany amin’ny lesona iray na maromaro (raha lesona efa vita).  Raha tsy hain’ny mpampianatra ny feon’ny hira iray dia azony atao tsara ny mamorona ngadona na feo hafa amin’izay itiavany azy ary heveriny fa mety hahasarika sy hahaliana ny ankizy.  Maharitra 15 mn ny fandaharana ampitaina ao amin’ny radiô, noho izany heverina fa mbola hisy ambim-potoana kely ahafahana manomana na manomboka sahanasa avy hatrany izany. Ohatra : Talata Fandaharam-potoanan’ny kilasy : Matematika 9 ora 05 - 9 ora 25 mn (20’) Asa atao : - 9 ora 05 – 9 ora 20 : Fihainoana ny fandaharana ao amin’ny radiô - 9 ora 20 - 9 ora 25 : Fanehoana ny lalao hatao amin’ny seho Matématika manaraka, voatondron’ny kahie sahanasa.

 Ny sahanasa dia azo atao mandritry ny fakan-drivotra fa tsy voatery ao anaty efitrano.  Tsy natao ho trandrahina indray mandeha ny fizarazarana telo ao amin’ny fandaharana iray fa tapatapahina araka izay heverina fa mifanaraka amin’ny taranja ampianarina na ny faripahalalan’ny ankizy ao an-dakilasy (CP1 na CP2).


8

Takelaka “Mandranto fahalalana an-kira” Ny hira dia fanehoana hevitra na fientanam-po sy izay rehetra mety ho endrika isehoan’ny fiainana andavanandro, na izay mitranga any an-tsekoly na any amin’ny fianakaviana, na any an-tanàna na any amin’ny tanàn-dehibe. Mety ho fitaovana iray ahafahana mivelatra ihany koa izy.

Ireo hira ao anaty rakitra dia ahafahana mandalina ireo lohahevitra voizina any amin’ny fandaharana (fianakaviana, zon’ny zaza, fitiavan-tanindrazana, ny raharaha antokantrano,…), manamafy orina ihany koa ny fahaizana mamakiteny, manoratra sy manisa (litera sy isa,…) ary ny fahaiza-manaon’ny zaza eo amin’ny lafiny :

a ra-panononana sy fientanam-po : eo ampanononana ny tononkira sy tanisankira ao anatin’ny ngadona ;

ara-pifantohan-tsaina : eo am-pihainoana sy eo ampitadidiana ireo rafi-pehezanteny sy voambolana samihafa ;

f anehoan-kevitra sy fitiavana mikarokaroka : eo ampikarohana ny lohahevitra na ny teny iray ;

f ahaiza-mampifandrindra : eo am-pamadihana ireo tononkira ho amin’ny fiteny ibeazany, na eo amin’ny fampiasa ireo zava-maneno misy eo an-toerana araka izay ilana azy, na koa eo am- pamadihana ny hira ho lasa sehosehatra, sns.

Na manao ahoana na manao ahoana, ny hira dia natao :

hohiraina ;

hahafinaritra ;

hialana voly

itaiza ny fahaiza-mihaino sy manonona ary miarah miaina amin’ny hafa

handrantovam-pahalalana

Atao izay fomba rehetra mety hahatonga ny ankizy ho tia mianatra amin’ny alalan’ny hira. Atao vaindohan-draharaha ny mihira ary kendrena ny hiheveran’ny ankizy azy ho toy ny fialam-boly fa tsy asa atao. Ny fitrandrahana ny hira dia fanampiny ihany.

Manana ny toerany manokana eo amin’ny fampianarana ny hira ka tsy tokony hosimbana na oviana na oviana ny fitiavan’ny zaza ny hira amin’ny fiheverana azy ho toy ny lesona hafa rehetra, fa tsy fotoana iray hialana voly sy hialana sasatra.


9

Torolalana mikasika ny fomba fitrandrahana ny hira  Mazava ho azy fa ity fomba fitrandrahana atolotra eto  Tsara raha manomana takelaka toy ity manaraka ity ny ity dia tsy tonga lafatra akory na môdely fa azo arindra tsara mpampianatra mialoha ny fanatotosany ny sahanasa : hifanaraka amin’ny fari-pahalalan’ny mpianatra iandraiketana. Lohahevitra : Ny litera NT M na Ny zon’ny zaza na Ny adihevitra  Ireo sahanasa atolotra dia ahafahana :

ampivelatra ny fahaiza-mihaino sy ny M fifantohan-tsaina : fahafantarana izay nianarana tao an-dakilasy. Ohatra : Ny isa na ny litera, ny lohahevitry ny fahaiza-miaina, ny teny, ny feo, ny ngadona, sns.;

Lohatenin’ny hira : NTM

Hevitra

na Zoko ny mianatra, Ma

nana kopia, sns. na Miad

Sehatra ianarana : Fama kianteny sy fanoratana na Fahaiza-miaina na Fifandraisana am-bava Tanjona : Zaza mahafantat

ra :

ampivelatra ny fahaiza-manonona M sy manaka-kevitra;

anefy ny ankizy hahafehy ny M malagasy ôfisialy amin’ny alalan’ny sehatra sy sy seho ao anatin’ny hira ary hifanerasera ihany koa amin’ny teny frantsay;

itarika azy ireo hahatsapa ny M fahasamihafana ara-kolontsaina misy eto Madagasikara ary koa hisokafany amin’ny any ivelany.

- ny feo NTM na koa ma namafy orina ny fahaizan y mampiasa (mamaky na manoratra) ny iray amin’ ireo feo ireo na izy rehetr a mihitsy ( raha toa ka Famakianteny sy fanora tana) Na - ny zony sy mampiaty ny fahalalana fototra mifan draika amin’izany (raha ka Fahaiza-miaina) toa Na - ny fomba fifandraisan a sy fiadiana hevitra am in’ny namana na ny hafa toa ka Fifandraisana am (raha -bava).

Faharetany, toerana, fo

toana : Apetraka eto ny vin avinam-paharetana me hanatanterahana ny sah ty anasa, sy ny toerana (ao an-dakilasy na eny ivelan na any an-trano na toeran y -kafa) ary ny fotoana itr andrahana ny tononkira anatin’ny fandaharam-po (ao toanan’ny kilasy na fotoa na hafa) Fitaovana ilaina : Tanisain a eto ireo fitaovana rehetr a tokony homanina mialoha (zavamaneno na fitaovana hafa) Dingana sy fitrandrahana

: Soritsoritina eto avokoa ireo dingana samihafa : fomba sy tetika fampia narana ny hira

ho fitrandrahana ny asa

Fanamarihana : Tsara rah a asiana faritra manoka na hanaovana fanamari ny takelaka hanoratana hana izay rehetra mety ho tsa pa fa nisongadina teo ampanatanterahana ny sahan asa : ara-potoana, fihets em-pon’ny ankizy, sns.

y


10

i. Fanomanana mialoha ny fihainoana sy fihirana

ii . Mandritra ny fihainoana sy fihirana

Ny tanjon’ity dingana ity dia ho fanomanana ny fihainoana, sy fanairana ny fifantohan-tsaina ary ny fahalianan’ny ankizy. Tsy voatery hatao avokoa izay voalaza eto fa anjaran’ny mpampianatra ny mifantina izay heveriny fa tena manandanja amin’ny fanatontosana ny fitrandrahana ny hira na ny vontoatin-desona hianarana:

Araka ny voalaza etsy aloha dia ny mihira no tena tokony ho laharam-pahamehana mba hahatonga ny ankizy hihevitra fa fialam-boly io fa tsy asa atao. Ny fandrenesana ny hira no hitarika amina asa.

F anoratana mialoha eny amin’ny solaitrabe ny tononkira (CP2 miakatra);

Ampianarina ny ankizy ny hira.

Asaina (azo isafidianana ireto):

F ifanankalozan-kevitra mikasika ny lohahevitra na ny lohatenin’ny hira; F ikarohana teny fantatry ny ankizy mahakasika ny lohateny iray; F ilazalazana izay hita amina sary mifandraika amin’ny lohahevitra voizin’ny hira;

F anolorana ny lohatenin’ny hira sy fanontaniana izay andrasan’ny ankizy momba izany.

F anolorana fehezanteny na fametrahana fanontaniana iray izay hitarika ny ankizy hiady hevitra ka hahafahan’izy ireo maneho ny heviny, ny fihetsempony sy izay mety ho traikefany manokana mikasika ny lohahevitra;

Fihainoana ny kapila misy ny hira;

F ianara-misefo, manonona feo, vaninteny, teny, lantom-peo, sns. Sarihana ny sain’ny ankizy hifantoka sy hihaino tsara ary hamerina izany alohan’ny hihiran’ny mpampianatra na ny mpitarika manontolo ny hira.

 

anao fihetsehana (mandritra ny fihainoana sy ny m hira voalohany) ;

f antariny izay faritra sarotra mitaky fanazavana na famerenana manokana;

tsimponiny ireo voambolana sarotra ;

avahany ireo zava-maneno ;

f antariny ary soratany eo amin’ny solaitrany izay abidy na tarehimarika ren’ny sofiny, raha hira mahakasika izany ilay hira ;

f antariny ireo singa samihafa : teny fototra (Ohatra ny teny na isa efa nianarana tao an-dakilasy na mbola hodinihina any aoriana), teny mifandraika amin’ny lohahevitry ny hira ;

f antariny sy avahany ny karazam-peo ao, ny zavamaneno nampiasaina, ny ngadona,…sns. (Azo atao, ohatra, ny manome lisitra teny maromaro ny mpianatra. Ho marihiny (X) izay mifanandrify amin’ireo singa voalaza ireo);

t simponiny ny teny henony mifandraika amina lohahehitra iray na amin’ny lisitra teny maromaro omena azy;

f enoiny ny teny banga amin’ny tononkira nosoratana mialoha teo amin’ny solaitrabe na nampianarina azy;

sns.

Fantarina izay heverina fa nanan-danja tamin’ny ankizy na izay tokony ho raiketiny an-tsoratra. Sns.


11

iii. Aorian’ny fihainoana Mandritra ity dingana no itakiana ny mpianatra hilaza ny heviny manokana mikasika izay voalazan’ny hira na ny lohahevitra notrandrahina : afaka mamorona izy, na koa tarihina hanitatra ny fomba fijeriny. Azo atao tsara ny mametraka ireo karazam-panontaniana mahazatra toy ny hoe : Iza ? Taiza ? Oviana ? Ahoana ? Nahoana ?...

Anontaniana izay resahin’ny hira : Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana sa Fanabeazana ho isambahoaka?

Inona no tantarain’ny hira ?

Lazalazao ny fizotran’ny tononkira

Valiana ny fanontaniana apetraky ny mpianatra

Anontaniana ny mpianatra izay azony na tsia, izay tiany na halany, sns.

Anontaniana ny fahazoany ny fomba fiteny sasantsasany.

Manatanteraka sahanasa mitaky fitiliana manokana, fanasokajiana, fikarohan-kevi-baovao voafaritra tsara. Ohatra : Fitadiavana teny ao amin’ny lahatsoratra mifandray amin’ny lohahevitra na ny taranja ifantohana ; ho an’ny Fifandraisana am-bava na ny Fahaiza-miaina, fantarina izay hafatra ampitaina ao, ny fomba fisainana na hevitra voalaza, na ny toetra tokony halain-tahaka.

Mandamina ny isan’andininy nakorontana na notapatapahina na nafangaro. Mety hanana andininy samy hafa ny tarika tsirairay, ohatra, hohirainy izany rehefa tonga eo amin’io faritra io ny hira

Mety azo atao koa ny :

ampifandray ny vontoatin-kira amin’izay efa M niainana manokana : tarihina ny ankizy hampifandray izay ianarany ao an-tsekoly sy izay iainany any antrano, hilaza izay fomba fijeriny sy izay tsapany, na izay fihetsem-pony ;

itady izay mety ho lohatenin’ny hira raha toa ka tsy M nomena mialoha izany ;

iady hevitra manodidina ny lohahevitra hita ao M amin’ny hira;

ikaroka hira na tanisa an-kira hafa mitovy M lohahevitra sy mampitaha izany ;

ba ho lasa lavidavitra kokoa, dia azon’ny ankizy atao M ny : > mamorona hira kely ka raisina ho ohatra amin’izany ireo hira momba ny isa sy ny abidy ; > mamorona tononkalo fohy miainga avy amin’ireo teny fototra hita tao amin’ny tononkira ; > mitondra lahatsoratra fohy nosoratany na nangoniny tetsy sy teroa ary andramany asiana feony mba horedonina miaraka amin’ireo zavamaneno izay izy ihany no nanamboatra azy na tsia.

Ampirisiho ny zaza ho tia karokaroka ary ampio hamoron-kira samirery ho azy.


12

Ny karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita mandritra ny fotoana am-pianarana NY MPANDAMINA : Ny toetrany :

liana mihaino ny hafa eken’ny fiaraha-monina mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

mamela ilay mpandamina haneho ny heviny mivantana aminy matetika mampandray anjara amin’ny adihevitra

ILAY BE TSY MITENY : Ny toetrany :

atahotra ny hovoakiana m tsy mahazo aina sy tsy maharaka ny fanazavana mahatsiaro tena ho voatery mandray anjara tsy mahaliana azy ny lohahevitra saro-kenatra

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

miezaka mamantatra azy sy maka ny fony mametraka ao an-tsaina fa ny adihevitra dia mahasoa ny rehetra avela hiteny izy fa tsy hihomehezana mamintina matetika manome aina ny adihevitra mametraka fanontaniana tsotra, mamaly ny fanontaniana eny sa tsia

ILAY MPITRIFANA : Ny toetrany

manana olana manokana mahatsapa ny tena ho ambony miseho ho hafa indrindra ao anatin’ilay vondrona te hisongadina

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

manontany ny hevitry ny hafa manoloana ny heviny : amin’ny ankapobeny dia tsy manaiky ny rehetra mampirisika ny mpandray anjara haneho hevitra ampanajana manana faharetana ary mitondra ny adihevitra tsy hivaona amin’ny lohahevitra raha ilaina dia any ivela’ny fiofanana izy no resahina mba hahafantarana ny fihetsiny omena andraikitra mazava izy indraindray ao anatina sehatra mba hanehoany fihetsika mendrika


13 NY MPIDONGY SEHATRA :

RABEVAZIVAZY

Ny toetrany : mafana fo sady miseho hoilaina miseho ho manana fahalalana mihoatra noho ny hafa miteny zavatra tsy misy ifandraisany amin’ny lohahevitra miseho ho mahay ny valiny rehetra mihevi-tena ho lehibe te hisongadina hatrany tsy miraharaha ilay mpampianatra

Ny toetrany :

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra : mametraka eny am-piandohana ny fahafahan’ny tsirairay miteny mamerina ny voalaza ary manontany ny hevitry ny mpandray anjara mikasika izany mangataka azy hamintina izay tiany holazaina manontany ny hevitry ny hafa mahakasika ilay lohahevitra

NY VERIVERY SAINA : Ny toetrany tsy mahazo tsara ny fototry ny adihevitra difotra ao anatin’ny olany manokana te hiresaka ny momba azy fa tsy mifantoka amin’ny lohahevitra Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra : tokony hazava araka izay tratra ny lohahevitra hitondrany ny adihevitra ary mahazo ny fankatoavan’ny vondrona miezaka mampifandray izay voalaza ao amin’ny adihevitra ary manontany ny hevitra hafa mahakasika ny lohahevitra manontany ny hevitry ny hafa, ny fifandraisan’ny lohahevitra amin’ny zavatra nolazainy manana faharetana ary mitondra ny adihevitra tsy hivaona amin’ny lohahevitra mampisafidy ny hafa ny lalana tian-kizorana

tia mampihomehy te ho jerena sy hohenoina tsy miraharaha ilay mpampianatra, mananihany azy tsy liana amin’ny resaka atao te hisongadina matotra loatra ho azy ilay fanentanana

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

miezaka manakaiky sy mampandray anjara azy hanala hamohamo ny rehetra ampahatsiahivina azy ny tanjon’ny fihaonana ary entanina ny rehetra hifantoka amin’izany anontaniana azy izay tiany holazaina anontaniana azy ny heviny mikasika ny lohahevitra mibanjina azy mivantana mandritra ny fotoana iresahana, ny ankizy be vazivazy mantsy dia tsy mahasahy manapaka resak’olona izay mandinika azy


14

Takelaka “Sahanasa hafa” Ny fanamboaran’ny ankizy zava-maneno ho azy dia mampivelatra ny sainy ho tia mamorona, sy ho tia karokaroka. Mitaiza ihany koa ny sofiny eo amin’ny lafiny ara-mozika, miasa anaty tarika sns. Tsy maintsy ho hainy ny mampiasa ny haitaony hanorenany ny sangan’asany, noho izany tsy vitan’ny hoe manamafy orina ny hakingan’ny sofiny ara-mozika fotsiny io fa manorina ihany koa ny fahafehezany ny taranja hafa (Ohatra, amin’ny matematika : fahafehezana ny erana)

Fanehoana Isan-tarika na tsirairay, asaina haingoin’ny ankizy sary na peta-tsary ireo tononkira araka izay fahazoany azy.

Ampiasaina amin’ny lesona atao na mandritra ny fetintsekoly samihafa ireo hira :

Mihira sy mandihy amin’ireo hira. amorona soradihy. M Mamelona sy milalao an-tsehatra ny hira.

Ny fahafehezana ny hira dia azo tarafina amin’ny alalan’ny famoronana sehosehatra niainga avy aminy.

Toy ny mahazatra dia tsara raha zarina mamakiteny malagasy ôfisialy ny ankizy ho fanazarana azy sy hahazoany izay lazainy.

Miady hevitra Isaky ny lohahevitra tsirairay dia azon’ny mpianatra atao ny miady hevitra mikasika izany isan-tarika sy mandravona izany eo anatrehan’ny be sy ny maro na koa milazalaza izay tiany na ny tsy tiany sy ny anton’izany. Azony atao koa ny mitsangan-ko vavolombelona milazalaza izay efa niainany na efa hitany mikasika ny lohahevitra.

Manamboatra zava-maneno Azo atao tsara ny mamorona zava-maneno avy amin’ny alalan’ny akora faran’izay tsotra, voajanahary, na fitaovana tsy ampiasaina intsony hita eny rehetra eny. Asaina manangona fitaovana mety afaka hamoaka karazam-peo ny ankizy. Ohatra : fitaovana tsy ampiasaina intsony (boaty vifotsy, tavoahangy, baoritra…) zavamaniry (volotsangana, tahom-bary, voan-tsaramaso,…)

Atao mandritra ny lalao izany. Ny fikarohana sy ny fanakambanana ireo fitaovana nangonina dia azo atao isantarika na samirery.


15

Ireto misy ohatra vitsivitsy azo tanterahina tsara : Hazon’orana

Korintsana

Amponga

Asiana fasika na voa-madinika maromaro anaty vanina volobe iray na fantsona plasitika

Atao ao anaty boaty vifotsy ny vatokely maromaro

Rakofana tsikeladrano mihenjana tsara ny vavan’ny kapoaka ilany. Azo velesina amin’ny hazo kely izany ho lasa amponga. Arakaraka ny maha lehibe ny kapoaka no mampigobona hatrany ny feo azo

Ohatra ihany ireo fa azo ovaovana araka ny zava-misy isamparitra ny akora ampiasaina. Mety hahazo karazana zavamaneno samihafa amin’izany, arakaraka ny karazana akora izay samy manana ny maha izy azy tsirairay avy.


16

(1) Raki-kira mahakasika ny famakianteny sy fanoratana ary fikajiana Titre

Page

‘Zahay am’dimy d’efa mifoha (accapella) ‘Zahay am’dimy d’efa mifoha (remix) Fola paratan’ i bemarivo Ombivavy be ronono 1 Fiomanana – 2 Maka bahana 3 Dia Lasa Tanisa : isao ny ganagana Reto Rery Famantaranandro Ny rantsan-tanako Potipoteho ny paiso sy paoma abidy Boribory misy rambony (remix) « t n m » « v e y » « r l s» «hgd» «jbk» Zaza mahay mamaky teny aho

19 19 19 19 20 20 20 21 21 21 21 22 22 22 22 23 23 23

Lasa nianatra i Mora (remix)

24

Lasa nianatra i Mora

24

Iaba sy endry o ! mivolagna mivolagna Dihy malagasy Amin’ity nosy malala ity Harena vitsy mpanana Ko ! ko ! ko ry zanak’akoho Modimodia hono ry Mora Izaho mba te hiditra an tsekoly Dadabenoely ‘Zahay rehefa Noely Vakansa ê ! Aiza ‘nareo no hanao vakansa ? Ny tananako Anosivola Veloma kely Razandriko’zany! Mpianatr’Imanga Rivodrivotra Ny ahy kosa…. Afomanga Tonga indray ‘ty ny fety

24 25 25 25 25 26 26 26 26 26 27 27 27 27 27 28 28 28 28 29

Texte, interprète Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Texte et Interprète : Association Kolo, Musique : Hervé Demon Texte et Interprète : Association Kolo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte et Interprète : Association Kolo Texte et Interprète : Association Kolo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte et Interprète : Association Kolo Texte et Interprète : Association Kolo Texte et Interprète : Association Kolo Texte et Interprète : Association Kolo Texte et Interprète : Association Kolo Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Texte: Association Kolo, musique : Hervé Demon, Interprète : Famille Razatovo Texte: Association Kolo, musique : Hervé Demon, Interprète : Narlaina Élisabeth Razefarison Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprètes : Groupe studio et association Kalo Texte et musique : Rajery Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo

Thème Chiffre / heure / les nombres importants Chiffre / heure / les nombres importants Chiffre, nombre dix Chiffre, nombre 4, 5 ,6 / les animaux Chiffre, nombre 1, 2 ,3 / apprendre en faisant Mathématiques, jouer avec les nombres Mathématiques / les Collections (garçons /filles / égaux / différents) Mathématiques / apprendre l’heure / les chiffres Chiffre / apprendre à compter avec les doigts de la main Lettre P / les fruits Lettre / alphabet Lettre O I A Lettre T N M Lettre V E Y Lettre R L S Lettre HGD Lettre JBK Lecture bienfait Lecture, savoir lire Lecture, savoir lire Les mots / la grande famille Lecture Les mots / la culture Les mots / la culture Les mots / la culture Jouer avec les mots Les phrases Générique, chanson thème Le grand père au temps de Noël Les enfants à Noël Les occupations durant les vacances Les régions de Madagascar Un regard sur mon quartier Se situer dans l’espace Ecole en fête Ce qu’on apprend à l’école Mes rêves, mon métier Mes convictions Les couleurs La fête nationale


17

(2) Raki-kira mahakasika ny fahaiza-miaina Titre Miady hevitra Tafa sy dinika Sambatra ho’aho ‘zay mpinamana Reo namako Avia ho namanay Namana mifanampy Teo aho dia falifaly ianao Ny asan'i Dada Sahirana Doro tanety Tandritandremo ny doro tanety Voly Hazo Gidro Fiompina Tandremo ny loza Zoko ny mianatra Lala mahitsy Mihaino Mahay mihaina izahay Manaja Zaza mahalala fomba Matanjaka izahay Sakafo be otrikaina Ianaro Manao raharaha Gasikara Kolontsainan’ny taniko Toy izao ny fitafianay Endrey ny any aminay Amin’ity Nosy malalanay ity Mamiko ny tanindrazako Tiako i Gasikarako Tiako ny fianakaviako Ny fitiavan’i dada sy neny Ny Fianakaviako Lehibe aho izao Mitovy ny zo Ndao isika hilalao Manana kôpia Zon-jaza Fananantsika Fetim-pirenena Andron’ny sekoly Tratran’ny taona Ny fialantsatsatra Ny fianarana Tanàna mendrika

Page 29 29 29 30 30 30 30 31 31 31 31 32 32 32 33 33 33 33 33 34 34 34 34 35 35 35 36 36 37 37 37 37 38 38 38 38 39 39 39 39 39 39 40 40 40 40 41

Texte, interprète Texte : Francinet Ratsimaholy, INTERPRETE : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte et Interprète: Association Kolo Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte: Association Kolo, Interprète: Groupe studio** Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte et Interprète: Famille Razatovo Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Texte et Interprète : Association Kolo Texte: Redactrice Atec, Interprète: Groupe studio Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Texte et Interprète : Famille Pasy Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète: Groupe Rindra et compagnie Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy

Thème Discussion, savoir bien discuter, politesse Discussion, apprendre à argumenter poliment Amitié, joie d’avoir des amis, solidarité Amitié, le respect entre amis Amitié, aimer ses amis Amitié, entraide entre amis Joie d’avoir des amis Respect des choses, des autres, demander avant d’emprunter Entraide avec les petites occupations Lutte contre feu de brousse Civisme, faire attention au feu de brousse Nature, respect Faune et flore, les animaux sauvages Animaux, élevage Dangers qui peuvent arriver aux enfants Droit des enfants Respect des lois et des règles, le droit chemin Respect envers les autres, savoir écouter Respect, vivre en société Respect des autres, politesse Respect des autres Soin du corps Alimentation, les aliments sains Apprentissage, soins du corps Petites occupations Culture, connaître Madagascar, les couleurs Culture, les danses traditionnelles, les traditions, les instruments de musiques Culture culture Culture Culture Culture Famille Famille Famille Personnalité, développement des capacités Droit des enfants Jeu (droit des enfants) Droit des enfants Droit des enfants Bien scolaire Activités lors de la fête nationale Activités à faire lors des congés de la fête des écoles les Us et coutumes en début d’année Activités à faire lors des vacances Importance d’aller à l’école Le quartier idéal


18

(3) Raki-kiran’ireo sakaizan’i O ! O Titre

Page

Texte, interprète

Mazoto izahay Falifaly lava Manasa lamba Alaviro Fahadiovana Ny zaza hendry Azafady Rakoto Mihetsiketsika ny biby Ny anatra Dans mon joli pays Ny loharano Voasary lalao Jereo anie Lambahoany Soamiditra

41 41 41 42 42 42 43 43 43 43 44 44 44 44 44 45

Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie

Couleur

45

Interprétée par Rindra et compagnie

Razamany Bitrokely Mianatra manisa Izahay CE ! Nankaiza ? Ny mandeha tongotra Ny mandeha tongotra Kintana Manana kopia Ny zonay ankizy Rakoto mpiompy Mitsiky

45 46 46 46 46 47 47 47 47 47 47 47

Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par le groupe Haleloia Interprétée par Rindra et compagnie Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprétée par Rindra et compagnie Interprétée par le groupe Haleloia Interprétée par le groupe Haleloia Interprétée par le groupe Haleloia

Thème Joie de s’entraider Joie de travailler pour son pays Respect envers les autres, hygiène Hygiène, ses bienfaits Hygiène, comment laver le linge Apprendre ce qu’est un enfant sage et poli La politesse Elevage, les sons des animaux de la ferme Les verbes d’actions, les animaux domestiques, le chiffre Les animaux nos amis et leur cri Nature, aimer son pays Respect de la nature, l’eau source de vie Jouer avec les amis (droit des enfants) Respect de la culture, s’habiller traditionnellement, fierté d’être malagasy Culture (vêtements, danse) selon les genres et les origines Culture : Jeu et danse traditionnels Apprendre les couleurs ( noir, bleu, rouge, blanc) et les différentes parties du corps humain Apprendre les différentes parties du corps et les tenues vestimentaires Apprendre les mots : haut, bas, devant, derrière Dialogue : Jouer tout en apprenant les mathématiques Les différentes matières du Cours Elémentaire Dialogue : savoir s’informer Communication, moyen de transport Communication, moyen de transport Jeu nocturne Droit des enfants Droit des enfants Les animaux de la ferme, l’élevage Les expressions, sourire


19

Tononkira (1) : Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana ‘Zahay am’dimy d’efa mifoha (remix)

Ombivavy be ronono

‘Zahay am’dimy dia efa mifoha Mavitribitrik’ery raha misasa Misakafo vary sosoa R’hefa voky avy hatrany dia lasa

Ombivavy be ronono No nompian-dry Mamanoro Teraka, teraka, ombikely efatra Hoy ny voalohany tamin’ilay faharoa : « An’ahy ‘zao ny nono fa mikisaha aloha »

R’hefa am’ fito, dia babena ny kitapo Roso mankany am-pianarana Amin’ny valo, d’efa ao an-dakilasy Eo Madama no miantso anarana Amin’ny folo, kiririokan’ny sekoly Milalao miaraka amin’ny namanay Roa ambin’ny folo, samy miomana daholo Firavana, samy mody any an-tanàna

Folo paratan’ i Bemarivo Isan – droa e Roa an-telo e ! Telo an-efatra e Efatra dimy Dimy an’enina e Enina Fito e Fito e valo, e Valo e Sivy e Sivy e Folo Folo paratan’i Bemarivo e O ‘Lay gaona, tsisy vôla

Ombivavy be ronono No nompian-dry Mamanoro Teraka, teraka, ombikely efatra Hoy ny faharoa tamin’ilay fahatelo : « An’ahy ‘zao ny nono fa esory aloha ny lelo. » Ombivavy be ronono No nompian-dry Mamanoro Teraka, teraka, ombikely efatra : Hoy ny fahatelo tamin’ilay fahefatra : « An’ahy ‘zao ny nono fa ‘nareo efa mavesatra » Ombivavy be ronono No nompian-dry Mamanoro Teraka, teraka, ombikely efatra Farany ny fahefatra ! tamin’izy rehetra « Rehefa anjarako ny nono dia tsy asiako fetra » Ombivavy be ronono No nompian-dry Mamanoro Teraka, teraka, ombikely efatra Dia nasian’i Zanahary nono anankiefatra : « Samy manana ny azy f’aza misy mihetraketraka ! »


20 1 fiomanana, 2 maka bahana,

‘Reto ‘rery !

3 dia lasa

Aty ny vehivavy, ary arỳ ny lehilahy ‘Zay manavinavy, avia manatona ahy ! Aty ny fohifohy, ary arỳ ny lavalava Samia mangina aloha, fa sao manata-bava

Iray : Fiomanana Roa : Maka bahana Telo : Dia Lasa IRAY ho’aho dia efa miomana Ohatran’ny hamonjy lanonana Ny saina no tena atombIna Tsy hanaikinaiky hosongonana. ROA dia miatrana tsara Mibanjina aloha fa tsy afara Voriana ny hery rehetra Havitrika tsy hanjoretra TELO dia lasa am’zay e ! Iny fa lasa ny anay e ! Ts’avelanay rah’tsy vita ‘Zahay dia tsy maintsy tafita ê ! Aza mifamono vorona ‘Ndeha lalimanga samborina ‘Ty mafana sy mavitribitrika Tsy matahotra mangorovitsika ê

Tanisa : isao ny ganagana Isa : isao ny ganagana Roa : roahy koa ny gisa Telo : teloy avy hakana Efatra : efa roa no any sisa Dimy : diniho izay hatao Enina : eneno koa ny vary Fito : fidio izay tianao Valo : valopy misy sary Sivy : sivano io ny sivana Folo : foloy ho maivamaivana

Tonintonin’ta torotorota Tonintonin’ta … torotorota … ‘Reto boribory, irerỳ no efajoro Isika hilalao k’aza dia matoritory Raha mifangaroharo, avaho re ‘zay mitovy Fa samy hafa ange ny karaoty sy ny ovy Tonintonin’ta … torotorota Tonintonin’ta … torotorota … He fa atambatambatro, ataoko iray toerana Angoniko, fonosiko, mba tsy hibahan-toerana ; Avy eo dia ho tahiriziko ao anatin’ny valiziko : K’indray andro any ho lasa harena hankafiziko ! Tonintonin’ta torotorota Tonintonin’ta … torotorota …


21 Famantaranandro

Potipoteho ny paiso sy paoma

Famantaranandro, ding ! dong ! Hanokona sosoa, ding ! dong ! Aiza ny kapoaka ? Inona no laoka ? Sao tara izahay ! Famantaranandro, ding ! dong ! Ny andro efa antoandro, ding ! dong ! Veloma e Dada, veloma e Neny ‘Ndeha hianatra izahay ! Famantaranandro, ding ! dong ! Ho avy aho haka rano, ding ! dong ! Aiza ny siny ? Fa efa amin’ dimy Hantsaka izahay ! Famantaranandro, ding ! dong ! Hamafa tokotany, ding ! dong ! Aiza ny kifafa ? Fa aza manatsafa Fa hiasa izahay !

Potipoteho ny paiso sy paoma Potsipotsiro anaty vilany Haroharoina tsy tapaka foana Fafafafazana be siramamy : Kôfitira no vita am’ zany !

Ny rantsan-tanako Iray voalohany ny ankihikely Ny faharoa dia manara-poana ‘Ty fahatelo no fanondro adala Ny fahefatra no tena fanondro Ny fahadimy izay miavaka be Io ry zareo no ankihibe Fa rehefa manisa aho dia manao hoe : Ny iray dia asehoko amin’ny ankihibe Ny roa ampiarahako eo ny fanondro Ny telo atambatra amin’ny fanondro adala Ny efatra miaraka manara-poana Dimy faranan’ny ankihikely.

Zarazaraina am ‘zaza mahay Tsy azo omena an’ izay mitomany F’izany no fomban’ny sekolinay Zarina ho hendry sy madio hatrany : Zaza mazoto ‘zahay am’zany ê ! Faly dia faly ‘zahay manadio Jereo ‘zao ny fako fa anio dia anio, Dia dorana ho zezika azo ampiasaina, Amin’ny voly na koa ho entona hataina, Tsy misy very rehefa misaina ê !

Abidy a, b, d : omeo anay atỳ e, f, g : ny tady sy kofehy h, i, j : haterinay arỳ k, l, m : amin’ikalamena n, o, p : mihinana tapia r, s, t : ary koa voatabia v, y, z : ka mirezareza


22 Boribory misy rambony (remix)

“VEY”

Boribory misy rambony ambany Iza koa no tsy hahalala an’izany ! Boribory misy rambony ambany “A “ no ahafantarako ‘zany ! Boribory misy sangany ambony Boribory izy fa tsy “a” intsony Boribory misy sangany ambony ? “O” ‘zany raha tsy fantatr’itony Ary ‘lay tsipika toa labozia Tsy matavy be fa tena mahia Ny rambony iray miolaka aty K’inona izany fa tsy ilay “I” ? A o i ! A o i ! ‘Zay tsy mahavaky iry soratra iry Miverina mianatra ny abidi A o i ! A o i !

« V » sahala amin’ny Voay ! Vokisana vary ohatra anay Amin’ny valo dia mihinana indray Rehefa vonona ny kibonay ! « E » sahala amin’ny elo Reh’fa tapaka mampalahelo Ny eloben’i nenibe Tandremo tapahan’ise « Y » sahala amin’ny vy Bakam-pilesy mivilana Mivilana sy mitongilana Manao didy sompirana

“RLS” “TNM” « T » sahala amin’i Toto Zanak’ilay babakoto ! Mbola kely dia tena nazoto Nanoratra tamin’ fanoto ! « N » sahala amin’i Naina Nazoto nifoha maraina Niezaka ka kinga saina Izy dia tsy mba nalaina ! « M » sahala amin’i Mora Zatra mandeha moramora Ka re (he)fa tsy mahavonjy ora Dia ihomehezan’ireo mpanakora !

« R » sahala amin’ny rora Rakoto, Ravao sy Rabora Ibabakoto tsy manana ra Fa raha maratra izy mandeha ra « L » sahala amin’ny lolo E lavabe tsisy volo Izy rehefa mandeha Eny amin’ny arabe Dia tena olon-dehibe « S » sahala amin’ny sifaka Be lamosina ! kibony fisaka Izy rehefa mandeha Mitombina manao hoe : rambokely ao anatin’ny fe.


23 “HGD” Lava hoho Ibabakoto Lava hihy Sifaka Mihirahira Ilaitotozy Ha ! ha ! ha ! hiaka ! Misiotsioka Rafody Hi ! hi ! hi ! Sariaka ! Gisa gaigy mihinana olona Gisa lahy sa gisa vavy ? Gisa tsy mba menatr’olona, Ndao vonoina raha matavy. G g g g g g g ! goï goï goï Dokodahy dokodahy dokodahy ! Inona àry ‘zany raha fantatr’ialahy ? Tsy gana ! tsy gisa ! fa dokodahy Ny dokodahy ve tsy gana vazaha ? Tsy gana ! tsy gisa, fa tena zava-misy : Rehefa tsy gisa dia gana metisy ê !

“JBK” JJJJJJJJ Asio jiro hijerena lalana Jiro fa maizina ! jiro re entina ! Tsy misy jiro fa etsy tantanana Raha tsisy jiro jabora ampirehetina ! BBBBBBB Ibabakoto tsy mila tantanana Tsy azo badoina izy r’hefa amin’ny alina Maso baribary dia tena fananana Ahavitany manao vikin’alina.

BBBBBBB Babeo Babakoto ‘ty entako ity a ! Sao aho mianjera, na koa mikodia Ato ny baolina sy ny vilia Ka bedin’i baba aho r’ha very izy ity KKKKKKK Sifaka koa ‘nge ka mahazaka entana Raha entana kely, ka mifanentana Amin’ny vatany izay tena kely dia kely Izy ho’ aho mazoto fa andramo kely KKKKKKK Tsy zakany kosa raha izy ankiroa F’ izay kelikely ihany omena azy aloha Lay baolina ataovy ao anaty kitapo Dia mora babena tsy atahorana vaky

Zaza mahay mamaky teny aho Zaza m‘hay mamaky teny aho Ka tsy azon’iza ambakaina Zaza tia mamaky boky, Hany ka tsy voasoloky Raha alefa any an-tsena, Hividy anana sy hena Ataon’i Neny an-taratasy, Soratany am’ teny gasy ‘Zay rehetra hovidina, Moramora tadidiana e !


24 Lasa nianatra i Mora

Iaba sy endry

Nisy hono zazakely, Mora no natao anarany Maika ery (ny) ho lehibe. Dia niteny tamin’i Neniny hoe : e ! e ! e ! Zaho Neny efa lehibe, Ka omeo boky sy kahie Zaho koa mba hianatra, Hamaky sy hanoratra : a ! a ! a Lasa hono i Mora kely Lasa nankany am-pianarana Notsenain’ i Mademôzely Sady nahazo namana : a ! a ! a ! Dia nianatra abidi Ka dia falifaly erỳ Isaky ny mahita labozia Dia lazainy hoe io ny “I” … i ! i ! i ! Dia nirava, lasa nody He naseho avoko-o … Ny kahie toa feno atody Tsy atod ‘reo fa izao no “o” … o ! o ! o !

Soa dia zana-dRasoa, Rasoa dia endrin’i Soa Koto dia zana-dRakoto, Rakoto dia iaban’i Koto Noro dia zana-dRanoro, Ranoro dia endrin’i Noro Naivo dia zana-dRanaivo, Ranaivo dia iaban’i Naivo Velo dia zana-dRavelo, Ravelo dia endrin’i Velo Ditra dia zana-dRaditra, Raditra dia iaban’i Ditra Fara dia zana-dRafara, Rafara dia endrin’i Fara

O ! Mivolagna Ts’isy maresaka raha tsy miresaka O ! mivolagna F’raha tsy miresaka dia mitofezaka O ! mivolagna ‘Zaho tsy mba menatra raha manontany, Na iza na iza hanaovako izany, H’resahiko jiaby na ambony na ambany ! O ! mivolagna ! Tsy mihafahafa aho rehefa miteny O ! mivolagna Ka raha teny no gasy no hifampitafana O ! mivolagna ! Dia haiko hatramin’izay angolan-teny Ka baboko foana ny mpihaino mazana Ary mandeha ho’azy ny fifankahalalana O ! mivolagna !


25 Dihy malagasy

Amin’ity nosy malalanay ity

Tiritiritiritiriti Henoy, henoy ny filazako azy Izao no tantara ka henoy tsara Henoy tsara ny tiako hambara Ho antsika zanak’I Gasikara Indrindra ianao zanaka amam-para Tiritiritiritiritiriti

Amin’ity Nosy malalanay ity Zahay mitendry gitara Amin’ity Nosy malalanay ity Zahay mitsoka sodina Amin’ity Nosy malalanay ity Zahay mively ampongabe Amin’ity Nosy malalanay ity Zahay mitendry lokanga Amin’ity Nosy malalanay ity Zahay mitendry piano

Henoy, henoy ny filazako azy Ireo kolontsaina hananantsika Anisan’ireny ny dihy sy mozika Tsy atakalo tsy amidy vola Tsy mety lefy, tsy mety tola Tiritiritiritiriti Ny dihy soroka, lantsi-tanana Tena hafa kely fa vitsy mpanana Kidaombaramita, kidaombitaha Mahafinaritra, fampitaha Tiritiritiritiriti Na ny batrelaka avy atsinanana Na ny salegy tonga any avaratra Na ny kilalaka sy ny sisa Hajanoko hatreo fa tsy voatanisa Tiritiritiritiriti

Harena vitsy mpanana Karazan-kazo zay vitsy mpanana : Isika no manana tokana an-tany ! Ka aza avela ho lany tamingana Aza manaiky ampiasaina handringana. Karazam-borona zay vitsy mpanana : Isika no manana tokana an-tany ! Ka aza avela ho lany tamingana Aza manaiky ampiasaina handringana. Karazam-bato- soa vitsy mpanana : Isika no manana tokana an-tany ! Ka aza avela ho lany tamingana Aza manaiky ampiasaina handringana … Karazam-boankazo tsy misy any ho any : I Gasikara ê ! manana ihany ! Ka aza avela ho lany tamingana Aza manaiky ampiasaina handringana ...


26 Ko ! Ko ! Ko ry zanak’akoho

Dadabenoely

Ko ! ko ! ko Ry zanak’akoho Ny atodiakoho misy “o” Lo ! lo ! lo Ny lolo ihany koa Ny lolo ihany koa misy “o” Ny alika koa … Raha mivovo. Dia manao hoe : “o” “o” “o”

R’hefa Dadabe no tonga : Falifaly ny kilonga ! Manantena ny ho voky, Ho tsenainy lokiloky ! Indro àry izy fa tamy, Mitondra vatomamy ! Tsy homeny ‘zay maditra : Avelao hipitrapitra !

Modimodia hono ry Mora Modimodia hono ry Mora a Faingana fa aza midola Fa raha vao mandeha moramora Manjary tsy mahavonjy ora Mora ve tsy azo tenenina e ! Omeo taratasy sy penina aho Ho soratako sao ‘lahy marenina Na lazain’ny olona afenina e !

Izaho mba te hiditra an-tsekoly Izaho mba te hianatra tsara Mahay miteny sy manisa, mitantara Izaho mba te hiditra an-tsekoly Hamaky boky, hanao tsianjery, hiala voly Fiv: Eh … tena marina e … e tena marina e (bis) Izaho mba te hiditra an-tsekoly (valiny) O ! i ! ô ! Te hianatra izahay !

‘Zahay rehefa noely Fiverenana : ‘Zahay rehefa Noely Ataon’ny olona toy ny Anjely Ividianana kilalao ô Tambazana ‘zao sy ‘zao Vao midify ny Noely : Hadino ‘ lay zazakely ! Ampiasaina hitady vola, Tsy mba afaka miangola … ‘Zahay rehefa Noely …. Vao midify ny Noely : Hadino ‘lay zazakely ! Asaina mitana basy, Tsy mandalo ‘zay lakilasy … ‘Zahay rehefa Noely … Vao midify ny Noely : Zera-baomba sy vono reny ! Aiza ‘lay zazakely ? Velom-poana tsy miteny … ‘Zahay rehefa Noely …


27 Vakansa ê !

Ny tananako

Ie vakansa lahy Eka

Ataoko tsy mena-mitaha ! Amin’ny tananam-bazaha ! Ny toerana izay misy ahy. Ka jereo fa manomboka anio, Fanamby ‘ty ka tadidio : ‘Zay jeren’ny maso madio Tongava ka vangivangio !

1-Tsy mifoha maraina M’lamindamina saina Tsy m’taraindraina Tsy miferin’aina Vakansa ê ! …

Eka Eka Eka Eka

2-‘Ndao ‘lalao any an-tsaha Eka Hangala kazaha Eka Hanao fampitaha Eka Avia manaraha Eka Vakansa ê ! … 3-Tsaroana i Madama Ianao ve salama ? Tsaroana i M’sé Akory aby ê !

Eka Eka Eka Eka

Anosivola Ao ambany avaratra Ambohitsitakatra, No misy ilay tanàna, mora fantatra ; Raha misy manontany, dia lazao hoe : Io no Anosivola, tanàna maminay ! Raha misy ny vahiny te hitsidika ao, Ny lehibe sy ankizy no indray mandray anao. Ka misy tafajanona tamàna tao, Misy mahatsiaro mifanoratra aminao ô !

Aiza ‘nareo no hanao vakansa ?

Veloma kely razandriko ‘zany

Aiza nareo no hanao vakansa ? Mahajanga sa Toamasina ! ‘Zahay Tolagnaro no hihasinkasina Am’torapasika ranomasina. Any Ramenan’ Antsiranana Dia misy plazy efa miandry havana ! Ny lalana izao efa tena tsara : Mampifandray an’i Gasikara ! Veloma re ry havanay ! Veloma tsy mandrakizay !

Bâ ! bâ ! bâ … Veloma kely razandriko ‘zany ! Hendre tsara fa aza tomany ! Zoky ‘ndeha hianatra k’handao ny akany F’ atoroko anao ‘zay ataonay any ! An … Bâ ! bâ ! bâ … Ny mpampianatra anay ange ka Ramose Ny namako any dia be dia be Ianao koa izao rehefa lehibe, Dia tsy maintsy ampianarin’ilay Madé ! an …


28 Mpianatr’Imanga

Ny ahy kosa

Izahay ‘zao no Mpianatra ao Imanga, Mbola zaza miezaka ho olomanga ! Ny fianarana izay ataonay : Tsy amelanay raha tsy hainay : Mamaky teny : vitanay Ny manisa : kapoakanay ! Ny manoratra iangalianay !

Ny ahy kosa no mba tiako Sady koa mba faniriako, Tsy dia hoe ho dokotera Na koa hoe mpanao afera ! Fa hanatsara ny tontolo Tsy ho simba na hikoro Ka ho Edena hanan-jara Ilay Madagasikara !

Rivodrivotra Ts’ho lehibe aho angaha ! Ataoko gaga ialahy ! Hanamboarako fiara, Vita Madagasikara ! Tsy mihinana lasantsy, Rivodrivotra dia ampy. Ts’ho lehibe aho angaha ! Ataoko gaga ialahy ! Fa ny rononon’ikala Rana, Vola be hikararana, Hahasolo ny karama Sady tena hahasalama ! Ts’ho lehibe aho angaha ! Ataoko gaga ialahy ! Tsy hampiasa labozia intsony, Na saribao anaty gony, Fa hanan-jiro hanazava ! Sy angovo ketrika sakafo, Rivodrivotra no afo !

Tiako hoe ny bibidia Ho afaka hiriaria Ho lava andro toy ny anjely, Eny hatramin’ny voronkely ! Tiako hoe ny alantsika Sisan-tavy nataontsika ! Mba hikitroka ala maitso, Hanadio ny rivo- mainty !

Afomanga Afomanga dia mangamanga Afomena dia menamena Afomaitso dia maitsomaitso Afofotsy dia fotsifotsy Mitsoriaka manaka-danitra Miparasaka ranomanitra Loko ‘zany ! tena mahafinaritra, Indrisy anefa fa tsy maharitra ! Afomanga …


29 Tonga indray ‘ty ny fety

Tafa sy dinika

Tonga indray ‘ty ny fety ! Ka samy manao metimety Ny laoka atao tsaratsara ! Fa fetin’ilay Gasikara.

Raha misy ny tafa sy dinika Izaho dia mihaino ary koa dia mandinika Raisiko ny hevitry ny hafa k’aloha Avy eo aho milaza ny hevitro. Rehefa hiteny dia manangan-tanana Ambara ny hevitra ananana Tsy menamenatra, tsy mihafihafy, Fa mijoro tsara ka miteny mafy ...

Tonga indray ‘ty ny fety ! Vahoaka jiaby mifaly : Toa afa-drofy, afa-jaly, Afaka mba miangaly. Tonga indray ‘ty ny Jiona Fiarahantsika midola, Volana manan-tantara, Tsarovan’ny dimby sy fara ! Tafika manao matso : Fahafinaretan’ny maso, Harendrin’ankizy ny hariva : Arahin’ny feon’antsiva ! Faranan’ny afomanga, Tazan-davitra manangasanga ! Lanitra tomefy loko, Toy ny natao hoso-doko !

Tononkira fahaiza-miaina Miady hevitra Ny miady hevitra misy lalàna Misy ny toetra ‘zay tsara fafàna Ny miteny lava, io dia fadina Ny menamenatra koa dia ariana Tsy tsara mihitsy ny tonga dia tezitra Isika tsy miady fa mampiady hevitra ‘Reo manazava dia henoy tsara Ny manapa-teny dia tena voarara ‘Zany no atao hoe manaja ny hafa Raha vitanao io mirindra ny tafa

Sambatra ho’aho ‘zay mpinamana Sambatra ho’aho ‘zay mpinamana Fa tanan-kavia sy havanana Zaraina ‘zay rehetra ananana Sambatra ho’aho ‘zay mpinamana Ra’ noana dia indro fahanana Iainana ny fiadanana Sambatra ‘zaho mana-namana Ra’ lavo aho dia raisina tanana Ny anarany dia Ndremanana ! Ny anarany dia Ndremanana Za ‘zao no tanany havanana Sambatra ‘zay mana-namana Sambatra ‘zaho mana-namana Sambatra ianao mana-namana ‘Sika dia tena mpinamana


30 Reo namako

Namana mifanampy

Reo namako tsy omeko, tsy omeko anaram-bosotra Fa manjary sosotra Reo namako tsy anaovako, teny mankarary Na sangy tsy manjary Reo namako tsy esoiko, na fosaiko koa Ndrao marary fo. Tsy manavakavaka aho, tsy manambanimbany Fa tena ratsy izany. Reo namako dia namako, miara-milalao. ‘Zahay tsy mifandao !

Ny namana tsy ariana, Ra’mila fanampiana Raisiko ra’trotraka, Hareniko ra’potraka Mangovitra izy angamba, Dia tafiako lamba Ra’sahiran-tsaina, Omeko izay ilaina Ra’mafy raharaha Manampy ihany, F’izay mila izany Tsy azoko ariana, Na oviana na oviana

Avia ho namanay Mila namana izahay Mba hiara-milalao Avia re ho namanay Mifanampy amin’izay hatao Tiako ny namako (bis) Tsy mba tia sotasota Mifankatia tokoa Ny fo dia tena tsotra Mpinamana izahay Tiako ny namako (bis)

Teo aho dia falifaly ianao Teo aho dia falifaly ianao, R’ha tsy teo aho nitomany ianao Hay ‘ lay tambitambiko Tena tian’ny zandriko Hay ‘lay rotsirotsiko ‘Henoiny ao an-damosiko ! Teo aho dia falifaly ianao R’ha tsy teo ‘aho nitomany ianao Hay ‘lay sora-tanako Hay ‘lay asa tanako Ti’nao ianarana Ianao nangarangarana ! Teo aho dia falifaly ianao R’ha tsy teo ‘aho nitomany ianao Hay ‘lay zaho namangy Sy nisangisangy Ti’nao mba haharitra Ianao tena finaritra !


31 Ny asan’i dada

Doro tanety

Ny asan’i Dada dia haiko, Fa mamiko sady lalaiko. Ianarana aloha ‘zay ataony, Jereko ny zava-panaony Ireo fitaovana vita tsianjery, ‘Zay ataony rehetra tsy very. ‘Zao anefa zalahy no mba hafatra Tandremo ny manimba zavatra Tandremo tsy hanao ankambo, Ka ho tratry ny loza sy antambo. Mierà aloha vao mandray, Toavy ny tenin’ny ray !

Raha misy ny zava-tsy mety Dia ny mandoro tanety Lasa ny tsiron’ny tany Simba ka mampitomany May koa ny hazo sy ala May noho ‘reo olona adala Fongana ny bibidia Mahantra ity tany ity Matiantoka ny Firenena Matiantoka fa rava harena Sazio ny mpandoro tanety Fa ny toetrany re ka tsy mety !

Sahirana Sahirana i Dada sy i Neny ‘Zaho dia manampy azy ireny Tsy mila azy mivazavaza Ataoko ‘zay raharaha sahaza Ohatra hoe tsaka rano Mamafa, miborosy trano Mahandro, manasa lovia Na manadio lakozia Matetika mankany an-tsaha Manampy mpanao raharaha Am-pianarana torak’izany Miara-miasa am’ namana hatrany Mitombo ny zavatra haiko Maranitra koa izany saiko Faly sy ravo ny raiko I Neny ve mbola holazaiko ? Tena namana hono ny tena Mahafaly fa tena harena !

Tandrintandremo ny doro tanety Tiritiritiritiriti Voly mangahazo an-tampon-tanety Asio aro riaka fa tena ho mety Totofy tsara raha tiana ho vaventy Fa tena hahavokatra folo sarety Tiritiritiritiriti Fa tandrintandremo ny doro tanety Fa fomban-jiolahy io ka tena tsy mety Manjary tsy azo ambolena intsony Fa may avokoa na ambany na ambony


32 Voly hazo

Gidro

‘Ndeha volena hazo, F’isika dia hahazo. Ny orana ilaina, Ho an’ny tany maina

Raha gidro no hoe hotenenina Angamba dia misy hihomehy Kanefa tsy azoko afenina F’harenantsik’io r’ise !

‘Ndeha volena hazo, Ka hirao ny vazo. Fa rivotra madio, No entin’izy io. Fa ny tanindrazana Sy tanety ngazana Tsy tokony hodoroina, Fa tsara raha koloina ‘Ndeha volena hazo, Fa ho soa no azo. Satria ny tsiron-tany, Dia ho voaaro hatrany. ‘Ndeha volena hazo, Hazo tsy malazo. Hazo, ala, harena, Ho an’ny FIRENENA ! Fa ny tanindrazana, Sy tanety ngazana Tsy tokony hodoroina, Fa tsara raha koloina

Ny sokatra, kary sy lambo Ny mamba, ny lolo sy ny do ‘Sika rehetra tsy mihambo Fa ananantsika avokoa Ny ankoay sy ny vintsy Ny biby rehetra ao an’ala ‘Reo hazo meva tsy vitsy Baobaba sy ny ravinala ‘Reo biby sy zava-maniry Fahitantsika hatrizao Harena tsy fahita firy Arovy fa ahy sy anao

Fiompina ‘Zay mahakolokolo no manana ny soa Finaritra izahay fa miompy akoho Ataonay vakisiny, diovina ny trano Tsy hadino ny sakafo, dia omena rano ‘Zay mahakolokolo no manana omby soa Gisa, sarin-dokotra, kisoa matavy koa ‘Zay mahakolokolo, tsy kivy na sorena Fa fahasoavana io, vola aman-karena


33 Tandremo ny loza O Rankizy a ! Aza mihanika hazo, Fa loza no hahazo. ‘Zay midaraboka eny, Tapaka ny feny. Fadio ny manga manta, Ry Lisy sy ry Hanta Tandremo koa ny rano, Fa ahitana angano. Ny orana raha avy, Mialofa sao manavy. Ririnina raha tonga, ‘Zao re Rakilonga Akanjo ba tafiana, Ny sery no iadiana

Zoko ny mianatra Zoko ny mianatra ry Dada sy Neny Mahay manoratra, mamaky teny Zoko ny mianatra, manao tabilie Manan-kitapo sy boky, kahie … Zoko ny mianatra tahaka an’i Koto Zoko tokoa, ‘Za dia mazoto Zoko ny mianatra tahaka an’i Zay Ny mianatra mantsy no olo-mahay.

Lala-mahitsy Ny fiainan-drehetra dia misy lalàna Misy malalaka, misy raràna Tsy ‘zay ao an-tsaiko dia azoko atao Fa misy ny zavatra ‘zay tsy fanao Tsy avelako simba ny zavatra indramiko Koloiko tsara, ho madio ka alamiko

Ra’sendra misy ny zavatra tiako Dia “ ny mangalatra”, io no fadiko K’izao re no izy, ‘zao no anatra Tsy maintsy miera aho ra’mindran-javatra Rehefa tsy ahy dia tsy raisiko mihitsy ‘Zay no hizorako : lala-mahitsy !

Mihaino Matoa milamina ny ato an-trano Mihaino an’i Dada sy Neny ny ankizy Indreo koa fa mirana Ikala sy Fano Malalaka ny heviny no tena izy. Matoa milamina ny fivoriana Mihaino tsara ny tsirairay Matoa ny rehetra no liana, mangina Mifanaja tokoa no dikan’izay. Matoa mihaino dia faly mandray Ny hevitra tsara ‘zay tiana hitoetra

Mahay miaina izay Bedy raha maka tsy miera Bedy raha be setrasetra Mangataka sy miera No tian’ny olon-drehetra Bedy raha manimba zavatra Bedy manompa olona Ny zaza tian’ny mpampianatra Dia ny hendry sy mpanaja olona Bedy raha tia vandivandy Bedy raha tia fosafosa Milaza ny marina hatrany Mahazo fitia miavosa


34

Manaja

Matanjaka izahay

‘Reo olon-dehibe, tsy maintsy hajaiko Ka arahabaiko Raisiko ny anatra omen’izy ireny Ka henoiko teny Raha mavesatra izy ka indro sahirana Tsy misy ifandirana Fa mpitondra entana hatrany ny zandry Henjano ny sandry.

Isa, roa, telo Atsangana ny tanana Efatra, dimy, enina. Alefitra indray

Zaza mahalala fomba Tena tsara mahafinaritra e Zaza mahay miarahaba e Mahafinaritra marina a Tena tsara mahafinaritra Zaza mahay misaotra e Mahafinaritra marina a Tena tsara mahafinaritra Zaza mahay manao azafady Mahafinaritra marina e Tena tsara mahafinaritra e Zaza mahay manaja olona e Mahafinaritra marina e !

Dia ahodina ny loha Miaraka avokoa Atao havia, havanana Dia averina indray Sady mahafaly Ireo mpanabe anay. Hazakazaka izao No andeha atao Tsy misy tavela Miaraka isika Izay tonga aloha Omena valisoa Izay tara kosa Dia ankizy osaosa Koa alao hery Rankizy malala mba ho reharehan’ Ity Gasikara

Sakafo be otrikaina Sakafo zay be otrikaina Rankizy no tena ilaina Hano ny atody sy ovy Ny fahasalamana arovy Hano ny hena sy trondro Aza hadino ny akondro Hano fa aza malaina Ny sakafo izay be otrikaina Antoandro, hariva, maraina Mba hisokafan’ny saina !


35

Ianaro

Gasikara

Izay maloto anie rankizy, Alaviro ! Fa voretra ka tsy izy, Alaviro ! Fahavalon’ito rano, Alaviro ! Be tsikoko sady kamo, Alaviro ! Ny maloto mampitsoaka, Alaviro ! Izay maloto, ho voaroaka, Alaviro ! Izay maloto tsy ekena, Fa ny loto ho resena ! Ny madio anie ry zaza, Ianaro ! Tsy mba mampivazavaza, Ianaro ! Mahafinaritra ka soa, Ianaro ! Kilonga mamy, mpankato, Ianaro ! Neny, Dada, tsy sahirana, Ianaro ! Ny mpampianatra dia mirana, Ianaro ! Faly ravo koa ny namana, Ianaro ! Ny madio no’ndeha ho tanana, Ianaro !

Tanindrazako dia ‘Gasikara Nosy maitso ka meva sy tsara Nosy mamiko ka tsy asolo Maro foko izy : valo ambin’ny folo

Manao raharaha Manao raharaha ao an-trano Ilaina tokoa ra’izany Mahandro na mantsaka rano Misoroka ny tokotany Manao raharaha ao an-trano Manampy an’i Neny amin-kenona Fafao ka diovy ny trano Ny tsy mety rehetra harenina Manao raharaha ao an-trano Manampy an’i Dada amin’ny asa Tsy mila lehilahy kamokamo Ny tsy mifanampy tsy lasa Manao raharaha ao an-trano Manaja ny ray aman-dreny Jereo sy diniho ka tazano Fa tena zanaka ireny

Tanisaiko eto ny Betsileo Ny Sihanaka koa dia indreo Masikôro ary koa ny Tandroy Sakalava ‘zay tsy azoko afoy Merina, Tanôsy, Bara Mifandray, mihavana tsara Samy mana’ny fombany’reo Manan-kasina rehefa aseo Ny fitafiny koa mba tazano ‘Ndreny ny Bezanozano Mahafinaritra rehefa tafaraka Ny Vezo sy Betsimisaraka Tanindrazako ho’aho Gasikara Nosy maitso, ka meva sy tsara N’aiza n’aiza tsy hangasihasy Tena faly satria Malagasy


36

Kolontsainan’ny taniko

Toy izao ny fitafianay

Ny kianja efa vonona sy malalaka Ka mitsangàna handihy ‘zalahy Ny dihy salegy sa ny kilalaka ? Hetseho ny vatana, aok’ho sahy Kolontsain’ny taniko e ! Kolontsaina ka mamiko

Ity lambako ity Fitafy tena tiako Tsy hamidy sanatria Rehareha ka tafiako

Ao ny batrelaka, vako-drazana Afindrafindrao, efa fantatrao Tiako ny dihin’ny tanindrazana Tsy mena-mitaha tsy mba mankalao Kolontsain’ny taniko e ! Kolontsaina ka mamiko. Henoy ny hira sy feo manga Arahan-kabôsy na ny valiha Matetika misy ny feon-dokanga Hatramin’ny vahiny aza mankafy Kolontsain’ny taniko e ! Kolontsaina ka mamiko. Fantaro koa ny fomban-tany Toy ny sambatra, fitampoha Samy manana ny azy ny faritany Fahendren’ny taniko tena soa Kolontsain’ny taniko e ! Kolontsaina ka mamiko.

Ity semboko ity Lamba tena tiako Hoentiko mandihy Tiako ka kajiako Ity satroko ity No ahalalana ahy Izao no satrokay aty Malagasy izahay


37

Endrey ny any aminay

Mamiko ny tanindrazako

Tsarovako foana re ry lahy ‘Zany tenako maimay Manaitra ny foko sy fanahy Endrey ny any aminay O ! o ! o ! o ! o ! o ! o ! o ! o

Madagasikara Nosy tena mamiko Nosy tsy mizarazara Ataoko fifaliako Ireo harena marobe Tena be mpitsiriritra Mba henoy kely ange Tsy avelako ho ritra Ireo hazo hafakely Ireo biby miavaka Arovy ireo tsy ho very Handresy isika miaraka

‘Zahay r’hefa reraka miana-desona Tsy mba avy hatrany dia lasa miesona Fa lasa midina ambanivohitra Mifoka rivotra an-tendrombohitra ‘Zahay r’hefa reraka miana-desona Tsy mba avy hatrany dia lasa miesona Fa lasa mamonjy ny ranomasina : Eny zahay no mba mihasinkasina ! ‘Zahay r’hefa reraka miana-desona Tsy mba avy hatrany dia lasa miesona Fa lasa mijotso eny an-tanimboly Eny ‘zahay no mba miala voly ! Zahay r’hefa reraka miana-desona Tsy mba avy hatrany dia lasa miesona Fa lasa mibata ny lakan-jejo Eny ‘zahay no mijejojejo !

Tiako i Gasikarako Ity nosinay ity, Gasikara no anarany Toy ny tongotra ankavia Raha atao ny sariny Ranomasina no fefy Tena mandry fehizay Ny fahendreny tsy ho lefy Mamy tena maminay


38 Tiako ny fianakaviako Dada, dadako, etsy ange ianao Jereo fa hosoratako izao ny anaranao Dada, dadako, isaorako ianao Mihaino izay teneniko, mijery izay atao Dada, dadako, tiako be ianao Izay ezaka mba hataoko, ankasitrahanao Dada, dadako, miasa mafy ianao Izay rehetra hananako, dia avy aminao Neny, neniko, mamiko ianao Lazaiko, tsy afeniko, izay ataonao Neny, neniko, ny tambitambinao Tsaroako, tsy hadinoko ireo tambitambinao Neny, neniko, tsy sasatra ianao Manatsara ny fiainako ; manoro izay hatao Neny, neniko, na oviana, na oviana Ny foko sy ny saiko dia feno hafaliana Zoky, zokiko, azo ianteherana Andry sy tokiko, feno fandeferana Zandry zandriko, ndeha hiara-milalao Atolotro ny tanako, ho tantanako ianao Dadabe, Nenibe, ireo no tena hafa kely Tena mamy mamy be Mamy toy ny tantely Matoa mirindra ny fiainana ! hay !

Ny fitiavan’i dada sy neny Ny fitiavan’i Dada sy Neny Dia fitiavana tsara indrindra Fanompoana an’i Koto sy Kala Na ho reraka na ho salama Fony aho vao latsaka an-tany Nibadabada hoe Dada sy Neny Te hihanta sy tia hobabeny

Ka tiavo ny ray aman-dreny Fony aho vao niana-nitsangana Ny lamosina nila ho mangana Raha sendra ka diso sakafo Dia velona ny safosafo.

Ny fianakaviako Fantatro ny ankohonako Dadako, Neniko Zokiko sy Zandriko Fantatrao ve ny ankohonako ! Fantatsika ny ankohonany Haiko ny fianakaviako Dadatoa, Nenitoa Dadabe sy Nenibe Hainao ve ny fianakaviako Haintsika ny fianakaviany

Lehibe aho izao Lehibe aho izao Zazalahy tsy be lalao Tsy manao zay tsy fanao Fa mianatra no tena atao Haiko ny mamaky teny Ny manampy anao ry Neny Ny mikarakara tena Dia mantsaka sy miantsena Ny asamarika dia haiko Fa mandranitra ny saiko Jereo ny soratro voakaly Ny mpampianatra dia faly Lehibe aho izao Mifampihaino ny olon-drehetra.


39 Mitovy ny zo

Zon-jaza

Na lahy na vavy, mitovy avokoa Miasa, mamokatra an-kerim-po ‘Zay vitan’ikoto dia vitan’i Soa Tsy misy ny azy sy hoe an’iroa Na lahy na vavy, sahala avokoa Ny marina dia MITOVY NY ZO.

Omenareo ve ry Dada Omenareo ve ry Neny Omenareo ve ry Dada sy Neny ny zonay Raha mba mihirahira izahay Lazaina mitabataba Raha manoratsoratra izahay Lazaina mandoto rindrina Raha mba manontany izahay Lazaina mandrebireby.

Ndao isika hilalao Ndao isika hilalao Raha mety aminao Tsy hoe hivangabao Fa fialan-tsasatra Ndeha hihazakazaka Sy fangalam-piery koa Raosy jamba ve no atao ? Ndeha hilalao isika izao Kivarovarotra ve no atao Sa ankamantatra ? Fanorona sy katro koa Mampiasa loha

Manana kopia Izaho no Lemaro. Izy no Randria Zahay roalahy ireto dia manana kôpia (miaraka) ‘Zaho no Sahondra. Izy indray no Fy. Tsy zarizary ‘zahay raha tsy manana kôpia (miaraka) Ny taona nahaterahana, ny Reninay sy Ray (miaraka) Dia voasoratra ao, ka faly ery ‘zahay (miaraka) Izao no izy leitsy ! Izao no izy akia ! Zontsika zaza ! Ny manana kôpia (miaraka)

Fananantsika ‘Zao re no izy ry zandry sy zoky Kajio tsara, fonosy ny boky Kendreo tsy hiforitra ny sisin-kahie Tsy hisy hosoka ny asan’ise. Aza soratana ny dabilio Manimba seza dia tena fadio Ra’ mampiasa tsaoka dia tsitsitsitsio Ny tabilao dia ataovy madio. Kolokoloy re ny Sekolintsika Kajio sy arovy fa fananantsika Ao no handraisana ny Fahendrena Hoenti-manondrotra ny Firenena.

Fetim-pirenena Rahampitso izao dia fety, io no fetim-pirenena Dadanay, izaho sy i dahy, ary i Neny no hiantsena Faly ery anie ‘zahay e ! Sobika be no niara-nentina Mba hasina ny sakafo, kilalao sy ireo harendrina Rahariva izao ny ankizy dia hitety ny tanàna Hanao harendrina izahay ka hihira sy hikoràna Rehefa tonga ilay fety, ‘zahay hijery « défilé » Avy eo dia hisakafo, ny laokanay dia vorombe !


40 Andron’ny sekoly

Ny fialantsasatra

Andron’ny sekoly izao ny andro anio Finaritra izahay Milamina aok’izany – Voahaingo sy voadio ny lakilasinay Nasiana lampihazo hanaovam-pety izao Ny eo an-tokotany Dihy mirindra kanto, hira, kilalao No hitanao hatrany Andron’ny sekoly, akanjo tsara indrindra No entiko izao Mba ovako kely ho tsara ny famindra Ka ho gaga ianao Andron’ny sekoly, ry Neny ‘zao hijery I dada ho any akia ! I Badoda hihira, ‘zaho hanao tsianjery I Lisy koa handihy …

Rehefa « vacances » tsy hoe milalao Ka faly miridana fotsiny izao Mipelipelika, manata-bava Manakorontana, mandravarava Rehefa « vacances » dia izao no izy Aoka hilamina isika ankizy Manampy an’i Dada, manampy an’i Neny Mamerin-desona, mamaky teny Dia mahalala izay tokony hatao Raha vita ‘zany vao milalao … ‘Zany ô !

Tratry ny taona He arahabaina fa tratry ny taona Mitsiky, miravo fa he tafahoana Tratry ny taona ry Dada sy Neny Tratry ny taona no voalohan-teny » ‘Zao ny andro fifaliana Tratry ny taona ry havana tiana Ry tapaka, namana, he arahaba ‘Ndao àry handihy, hifaly, hikotaba « Tratry ny taona e ! »

Ny fianarana Isa, roa, telo, ‘Zay tsy mianatra mampalahelo Efatra, dimy, enina ‘Zay tsy mahay dia hanenina Fito, valo, sivy Tsy kamo ary tsy mora kivy Satria izay mianatra ihany No tsy maintsy tafita hatrany Mahazo ny soa sesilany A, b, d ‘Zay te hahay mamakia E, f, g Mahaiza manisa ry ‘se I, j, k Tsy bado, tsy very mandeha Tsy voafitaka, tsy ambakaina Fahaizana tena ilaina ‘Zay tsy mahay dia mangaina


41 Tanàna mendrika

Falifaly lava

Mendrika ery ny tanàna Madio izy ka fiadanako Mahafinaritra ery ‘zay jerena Milamina, ka tena harena

Falifaly lava izahay, Falifaly lava izahay, Falifaly lava izahay, E ! Miasa ho an’ny tanindrazanay ! Miramiran-dava izahay, Miramiran-dava izahay, Miramiran-dava izahay, E ! Miasa ho an’ny tanindrazanay !

Ny mponina dia mahatsapa Fa ny tanàna dia lapa Tsy tokony hozimbazimbaina Koloina sy tena lalaina Ny ankizy manara-dalàna Bolangina ery fa salama Mendrika ho’aho le tanàna Kanto ka mahatamana

Tononkiran’ny sakaizan’i O ! O hirain’i Rindra sy ny tariny Mazoto izahay Mazoto izahay, ka falifaly fo, Mazoto izahay, ka falifaly fo, Miasa, miasa, miasa avokoa, Miasa, miasa, miasa avokoa. Mazoto izahay, ka falifaly fo, Mazoto izahay, ka falifaly fo, Miasa, miasa, miasa avokoa, Miasa, miasa, miasa avokoa.

Mitsikitsiky lava izahay, Mitsikitsiky lava izahay, Mitsikitsiky lava izahay, E ! Miasa ho an’ny tanindrazanay !

Manasa lamba Aiza isika no hanasa lamba e lamba ? Arý amin’ny dobo tsy misy mamba e mamba ! Tsy foiko lotoina ity lamba ity e lamba ! Satria fanomezan’ny olon-tiana e lamba ! Lamba e, lamba a ! Lamba e, lamba a ! Lamba e, lamba a ! Lamba e, lamba a ! Lamba nomen’olon-tiana, Mamy ka tiako hotafiana, Lamba tsy manan-tsahala, Natolotry ny olo-malala ! Lamba e, lamba a ! Lamba e, lamba a ! Lamba e, lamba a ! Lamba e, lamba a !


42

Alaviro

Fahadiovana

Zay maloto anie rankizy ! Alaviro ! Alaviro ! Zay voretra dia tsy izy ! Alaviro ! Alaviro ! Fahavalon’ny rano, be tsikoko sady kamo, Alaviro ! Alaviro ! Raha maloto mampitsoaka ! Alaviro ! Alaviro ! Zay maloto ho voaroaka ! Alaviro ! Alaviro ! Ny maloto tsy ekena, ka ny loto horesena ! Ka ny loto horesena, Ka nahoana ho’aho e ! Ny maloto tsy ekena, ka ny loto horesena ! Ka ny loto horesena !

Ndao hanasa lamba e ! E e aiza e ? Ndao hanasa lamba e ! E e aiza e ? Ao avara-tanàna e ! E e ndao e ! Ao avara-tanàna e ! E e ndao e ! Fa ny sasa lamba no mahasoa, Sy ny fahadiovana tokoa. Ataovy toy izao, koseho re ny lambanao ! Ataovy toy izao, atòtòny re ny lambanao ! Ataovy toy izao, akopay re ny lambanao ! Rehefa tsara sasa e izany lambantsika e, Tafio tsara tsisy tomika e ! Lamba tamin’i Dada ô ô, lamba tamin’i Neny i i Madio tsisy pentina izy ireny !

Zay madio anie rankizy, Hianaro ! Hianaro ! Tsy mba mampivazavaza, Hianaro ! Hianaro ! Tena tsara sady soa, ‘reo kilonga mpankatò o ! Hianaro ! Hianaro ! Neny, Dada tsy sahirana ! Mahafaly ! Mahafaly ! Ny mpampianatra ho mirana ! Hianaro ! Hianaro ! Ho antsika izay mpianamana, ny madio no ndeha hotanana ! Izay no tsara, izay no tsara a ! Oeee … !

Ny zaza hendry Hendry ny zaza mahay miarahaba, Hendry ny zaza tsy tia tabataba, Hendry ny zaza madio isan’andro, Hendry ny zaza misasa sy mandro. Hendry ny zaza mipetraka tsara, Hendry ny zaza rehefa tsy tara, Hendry ny zaza mivavaka koa, Hendry ny zaza mpanao soa.


43

Azafady

Mihetsiketsika ny biby

Omeo, omeo foana No fanaon’ny saka. Na voky na noana, Dia tsy miambakavaka. Ny hahafantarana azy Manitsy be izao No ataony fahazarana. Ny zaza hendry kosa, Dia kinga sy malady, Miteny tsy mba votsa, Manao azafady !

Mihazakazaka, mihazakazaka ny alika kely, Mitsambikina, mitsambikina ny bitrokely, Mihanika hazo, mihanika hazo ny sakakely, Izy rehetra, izy rehetra tongotra efatra, Izy rehetra, izy rehetra tongotra efatra

Rakoto Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ô Manana omby be dia be ! i a i a ô Dia hoy izy hoe : “Man … ” Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ô Manana gana be dia be ! i a i a ô Dia hoy izy hoe : “gak … gak … gak” Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ô Manana akoho be dia be ! i a i a ô Dia hoy izy hoe : “ko … ko … ko” Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ô Manana saka be dia be ! i a i a ô Dia hoy izy hoe : “Miao … ” Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ô Manana alika be dia be ! i a i a ô Dia hoy izy hoe : “O … O … O”

Ny anatra Ny anatra ekeo ! Ny akoho raha maneno, Milaza fa maraina. Ka aoka ianao ho feno Zoto tsy malaina. Ny amboa no mivòvò, Milaza aminao : Fa mety hisy koa Mpangalatra ao ao. Ny omby raha mimà, Milaza vizana izy, Ka aoka re zalahy Hiala sasatra izy.


44 Dans mon joli pays

Jereo anie

Dans mon joli pays malgache, olé ! Dans mon joli pays malgache, olé ! Y a le soleil, comme ça, (x4) Dans mon joli pays malgache, olé ! Dans mon joli pays malgache, olé ! Y a les montagnes, comme ça, (x4) Dans mon joli pays malgache, olé ! Dans mon joli pays malgache, olé ! Il y a la mer, comme ça, (x4) Dans mon joli pays malgache, olé ! Dans mon joli pays malgache, olé ! Y a les taureaux, comme ça, (x4) Dans mon joli pays malgache, olé ! Dans mon joli pays malgache, olé ! Y a les danseurs, comme ça, (x4) Dans mon joli pays malgache, olé ! Dans mon joli pays malgache, olé !

Ny zazavavy izay tena sondriana, jereo anie, Entanin’ny haingo, ny volo boriana ka mampihomehy : Ha … Ha ! Na zazavavy izy na Ramatoa, dia asa anga, Fa miridiridy amin’ny pataloha, lamaodim-bazaha ! Raha tena Malagasy ianao, Asaviho ny lambanao, Volo ataovy tàn’ivoho, Ny elonao ialofy koa, Moa tsy hanendrika anao e Ramatoa ! La la la la la la, Ny zazalahy izay tena bôgôsy, jereo anie, Fa mitery kiho ary mangaro-paosy ka mampihomehy : Ha … Ha ! Na zazalahy izy na Andriamatoa dia mahavariana, Fa mikavin’ila, misarita-bolo, manadala an’izay tsy tiana ! Raha tena Malagasy ianao, asatrohy ny satrokao, Tsisy maharatsy ny malabary, Mi-zesta ianao rehefa maka sary, Mahazo ny tehaka ianao rehefa mikabary ! La la la la la la,

Ny loharano Ry loharano mamy, Avy aiza moa ianao ? Avy ao anaty tany, Midio ho vaovao. Ry rano mikoriana, Lazao izay entinao ! Ny onjam-pitahiana, Hitsofan-drano anao !

Voasary lalao Voasary lalao e, Ndeha isika hilalao e ! Voasary lalao e, Ndeha isika hilalao e ! Voasary lalao e, e e lahy e Ndeha isika hilalao e ! E e re roy e ! Ndeha isika hilalao e !

Lambahoany Lambahoanin’ny Madama tsy atakalony karama, Lambahoanin-dRamose, tsy atakalony complet, Ny mampiasa azy lalandava, Mandihiza re Sakalava … Lambahoanin’ny Madama tsy atakalony karama, Lambahoanin-dRamose, tsy atakalony complet, Ny mampiasa azy lalandava, Mandihiza re Sakalava …


45 Soamiditra Zovy e andao hanao soamiditra, Soamiditra mantsy no ananana. Zovy e andao hanao soamiditra, Soamiditra mantsy no ananana. Jereonareo ny fandihinay, Na ny sorokay na ny tananay, Zao no fandihin’ny kilonga ka tralala, Zay manambara fa tia gasy fa tsy vazaha Zao no fandihinay Dada ô ! Manasa mba hilalao a, Vako-drazana no atao a ! Zao no fandihinay Dada ô ! Manasa mba hilalao a, Vako-drazana no atao a !

Couleur Maintimainty ny voloko, Mangamanga ny masoko, Menamena ny molotro, Fotsifotsy ny nifiko, Fotsifotsy ny nifiko.

Razamany Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, Izao no tantarany, Ka aza mbola miala ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty lohako mila satroka, ’Ty satroka mila loha e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)

Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty sofiko mila kavina, ’Ty kavina mila sofina e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty tratrako mila lobaka, ’Ty lobaka mila tratra e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty tongotro mila kiraro, ’Ty kiraro mila tongotra e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty soroko mila pôketra, ’Ty pôketra mila soroka e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty kiboko mila zipo, ’Ty zipoko mila kibo e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty vatako mila namana, ’Ty namana mila vatana e ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3) Izaho no Razamany, Tsy misy tsy mahalala, ’Ty tanako mila hery, ’Ty hery mila tanana ! Aoka Razamany e, aoka Razamany a !


46 Bitrokely

‘Zahay CE

Bitrokely feno volo, Bitrokely feno volo, Be dia be ! Ao ambony, ao ambany, Ao aloha, ao aoriana, Bitrokely feno volo, Be dia be !

‘Zahay CE ! ‘Zahay CE ! Vonona hianatra ! ‘Zahay CE ! ‘Zahay CE ! Vonona hiana-desona ! MATEMATIKA MALAGASY FRANÇAIS GEOGRAPHIE MATEMATIKA T. F. M TSIANJERY HIRA SARY

Mianatra manisa Andao hilalao e ! Inona àry no atao e ? Mianatra manisa re tsy hohambakain’ny gisa e ! Dia inona no isaina ? ’Zay rehetra mety ilaina, vatokely, tsaramaso, hazokely koa, marobe izy ireny ka samy mety avokoa Izany ve dia ho vita, tsy ho alina eto isika ? Diso hevitra ianao fa andeha atao kilalao ! Kilalao mampiasa saina fa izay mahay tsy ambakaina, sa tianao ny hihomehezana, tsy mba misy ianteherana ? Satriko mba hahay, tsy atao bado be, ‘reo kilalao fanaonay, manjary lakile ! Ho fianarana manisa Fangalam-piery sy tanisa Tsianjery sy ny hira Ampiasaina an-kirahira

Nankaiza ? - Nankaiza ny renin-driko ? - Nankany amoron’ny ala. - Naninona amoron’ny ala ? - Nandevim-bilany bonaika. - Atao inona vilany bonaika ? - Akàna ranon-tsingala. - Atao inona ranon-tsingala ? - Anaovana lamba mena. - Atao inona lamba mena ? - Hotafian’ny zanak’andriana. - Andeha ho aiza ny zanak’andriana ? - Andeha hihaino kabary. - Ahoana ny kabarin’andriana ? Zay mangalatra hono gadraina, Zay mamono olona kosa vonoina !


47 Ny mandeha tongotra

Ndeha hianatra izahay !

Ny mandeha tongotra, tongotra, tongotra, Ny mandeha tongotra mahafinaritra. Ny mandeha bisikileta, bisikileta, bisikileta, Ny mandeha bisikileta, mahafinaritra. Ny mandeha môtô, môtô, môtô, Ny mandeha môtô mahafinaritra. Ny mandeha rôplana, rôplana, rôplana, Ny mandeha rôplana, mahafinaritra. Ny mandeha lamasinina, lamasinina, lamasinina, Ny mandeha lamasinina mahafinaritra.

Ô i ô ! ‘ndeha hianatra izahay ! (in-2) Ny andronay tanora No andro mahamora Ny fianaranay ‘Ndeha hianatra izahay Ô i ô ! ‘ndeha hianatra izahay ! (in-2)

Ny kintana Kintana Andrandrao ny masonareo hijery irý kintana irý Andeha hovonointsika, ndao tokoa Kosokosoka tain’ondrilahy, Voangilo, voan-tanantanana Tanantanam-bazaha, feno doka, Nodokain’ilay mpanambaka. Maty ve ‘lay ratsy vintana o ! “Tsy ambolana o !” Adry ! Madity lahy izy izany !

Ny zonay ankizy Fiv. Omenareo ve ry Dada Omenareo ve ry Neny Omenareo ve ry Dada sy Neny Ny zonay Raha manoratsoratra izahay (in-2) Dia lazaina fa ratsy soratra Raha mba mantsaka izahay (in-2) Dia lazaina mamaky siny Raha mba milalao izahay (in-2) Dia lazaina fa kamo mianatra

Ô i ô ! ‘ndeha hihazakazaka (in-2) ‘Zahay tsy mahalala Ny andro mamanala ‘Zay manafana anay Ny hazakazakay Ô i ô ! ‘ndeha hianatra izahay ! (in-2)

Mitsiky Mitsiky no tena tiako indrindra Mitsiky mahatsara ny tarehy Mahatsara ny tarehy Ny mihomehy Sourire, c’est un mot que j’aime Sourire est un mot charmant Pour être charmant, charmant Soyons souriants


48

TOVANA : Fifandraisana misy ao amin’ny vontoatin’ny fandaharana O ! O sy ny vontoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao Votoatiny hita ao amin’ny fandaharana O ! O Fandaharana : 1 (Ny tontolon’ny vakiteny), 2 (Ny fehezanteny), 3 (Ny teny), 4 (o I a), 5 (n t m), 6 (v y e), 7 ( r l s), 8 (h g d), 9 (j b k), 10 (p z f), [ 26, 27 (Manao lalao manodidina ny teny) ], 28 (Mamaky teny).

Votoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao Ny feo sy ny litera • [ o; i, a, n, t ] • [ y, e, m, v, r ] • [ l, s, h, g; d ] • [ j, b, k, p, r, f ]

Fandaharana rehetra

Fiteny mikasika ny : • Fifampiarahabana • Fampahafantarana

Fandaharana rehetra

Eny / Tsia

Fandaharana :

Fiteny enti-maneho ny fampahafantarana :

1 (Ny mombamomba ny olona), 2 (Ny ankohonana), 3 (Ny havana).

• • •

Ny tena Ny namana Ny olona

Fiteny enti-mangataka ny mombamomba ny olona iray : • • Fandaharana :

Enti-manontany Fehezanteny manntany

Ny fifandraisana

2 (Tiako ny ankohonako ka hajaiko), 3 (Mifankahazo tsara amin’ny havako rehetra aho), 4 (Ampiako ny namako mba tsy hiharan-doza), Fandaharana :

Ny tontolo iainana

4 (Ampiako ny namako mba tsy hiharan-doza), 17 (Ny tontolo iainana an-tsekoly), 20 (Ny voaary), Fandaharana : 6 (Sady milalao no mianatra), 8 (Zo hahazo fanabeazana- adidy ny mianatra), 13(Milalao toy ny ankizy rehetra aho…), 15 (Ny fikojakojana ny vatana), 16 (Ny fitandrovana ny fananan-tsekoly) Fandaharana : 16, 17, 18, 19

Ny fahadiovana sy fikajiana ny tontolo iainana ; tia fahadiovana sy filaminana ateraka izany : ny fahasalamana

[ 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10 ]


49

TOVANA : Takelaka fanomanana ny fanatontosana ny sahanasa Lohahevitra :

Lohatenin’ny hira : Sehatra ianarana : Tanjona :

Faharetany, toerana, fotoana :

Fitaovana ilaina :

Dingana sy fitrandrahana :

Fanamarihana :


Conception et Rédaction Jean de Dieu Rakotonirina (Pédagogue) Clément Razatovo (Inspecteur Pédagogue) Johary Randimbivololona ( Education UNICEF)

Contribution à la conception et à la finalisation Aya Kibesaki (Education UNICEF) Rodine Mary Rabosaona (Conseillère pédagogique) Ramananjato Fanantenana (Consultant UNICEF)

Auteurs - compositeurs Marie Roland Randrianifahanana Francinet Ratsimaholy Daniel Rakontondrasoa Rajery

Interprètes Famille Razatovo Clément Association Kolo Famille Pasy Rindra et compagnie Groupe Haleloia

Dessins Lantonirina Andrianjakamanarivo (ALDR)

Conception Graphique Christiane Ramanantsoa Lantonirina Andrianjakamanarivo Hery Lalaina Razafimamonjiraibe Rina Yvan Andrianandrasana



Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »


Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.