Ny Zava-misy ao amin'ny Helo Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo. Matio 10:28
Pentateuka sy ny tantarany Fa mirehitra ny afon'ny fahatezerako, ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, ary mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy sady mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra. Deoteronomia 32:22 Ny fatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; ny fandriky ny fahafatesana nisakana ahy; Fony azom-pahoriana aho dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; ary nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia tonga teo an-tsofiny. 2 Samoela 22:6-7
Tononkalo Mahay mamantatra an'Andriamanitra amin'ny fandinihana lalina ve ianao? Mahay mamantatra ny Tsitoha hatramin'ny fahatanterahana ve ianao? Avo tahaka ny lanitra izany; inona no azonao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita; inona no fantatrao? Joba 11:7-8 Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy misy firakotra. Joba 26:6 Ho tafaverina any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra. Salamo 9:17 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiko; ary tsy havelanao ho tratry ny lo ny Iray Masinao. Salamo 16:10 Ny fatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. Salamo 18:5 Aoka ny fahafatesana hahatratra azy ka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita; fa ny ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao amin'izy ireo. Salamo 55:15 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainantsi-hita ambany indrindra. Salamo 86:13