Skip to main content

Malagasy - The Mighty Angel of the LORD Defends Jerusalem

Page 1

Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah 2 Mpanjaka 18-19 2 Mpanjaka 18 1 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda. 2 Dimy amby roapolo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary Abi no anaran-dreniny, zanakavavin'i Zakaria. 3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy. 4 Izy no nandrava ny fitoerana avo sy nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa hatramin'izany andro izany ny Zanak'Isiraely dia nandoro ditin-kazo manitra tamin'io; ary ny anarany nataony hoe Nehostana. 5 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na izay teo alohany. 6 Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didiny izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 7 Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin'izay rehetra nalehany izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy. 8 Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimanda. 9 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely izany), no niakaran'i Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy. 10 Ary nony afaka telo taona, dia afak'ireo izy; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria. 11 Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana: 12 satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankatò izany. 13 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy. 1


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

14 Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa nanota aho; mialà amiko; izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Dia nampandoavin'ny mpanjakan'i Asyria talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda. 15 Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka. 16 Tamin'izany andro izany no nanesoran'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny andry izay efa nopetahan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, takela-bolamena; ary nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany. 17 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Rabsarisa ary Rabsake avy any Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireo ka tonga tany Jerosalema. Ary nony niakatra izy ireo, dia nijanona teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, izay teo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba. 18 Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitahiry ny boky. 19 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izao itokianao izao? 20 Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho; koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao? 21 Fa indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io dia manindrona ny tànany sy miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy. 22 Fa raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Izy va no nanana ny fitoerana avo sy ny alitarany izay noravan'i Hezekia, ary izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo? 23 Koa ankehitriny, masìna ianao, mba manaova antoka amin'ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, dia homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy ianao. 24 Koa hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin'izany aza? Ary matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingintsoavaly. 25 Koa moa niakatra tsy tamin'ny anaran'i Jehovah va aho handrava ity tany ity? Jehovah no naniraka ahy hoe: Miakara ho amin'ity tany ity, ka ravao izy. 26 Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray izany; fa aza miteny amin'ny fitenin'ny Jiosy izahay ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. 27 Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nirahin'ny tompoko hilaza izany teny izany? Tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda va no nirahiny ahy, mba hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? 28 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: 29 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tànany izy tsy akory. 30 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity. 31 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko amin'ny fanomezana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia mihinana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo, 32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanimboaloboka, tany misy oliva sy tantely, mba ho velona

2


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

ianareo, fa tsy ho faty; ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy no mampanantena anareo hoe: Jehovah no hamonjy antsika. 33 Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena? 34 Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Aiza ireo andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Moa ireo va no nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako? 35 Iza moa amin'ny andriamanitry ny tany rehetra no efa namonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako? 36 Nefa nangina ny olona ka tsy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza mamaly azy ianareo. 37 Dia nankany amin'i Hezekia Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin'i Rabsake izy. 2 Mpanjaka 19 1 Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka niditra tao an-tranon'i Jehovah, 2 Ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia mpaminany, zanak'i Amoza. 3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy fananarana ary fitenenan-dratsy ity andro ity; fa efa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy. 4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka hovalian'i Jehovah Andriamanitrao izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao ho an'izay mbola sisa. 5 Dia nankany amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka. 6 Ary hoy Isaia taminy: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria Ahy. 7 Indro, Izaho efa hanisy fanahy ao aminy, ary handre siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any amin'ny taniny izy. 8 Dia niverina Rabsake ka nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna; fa efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjakan'i Asyria. 9 Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe: 10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria. 11 Indro, efa renao izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy tanteraka; ka ianao kosa va no ho voavonjy? 12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanànan'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? 14 Dia noraisin'i Hezekia ny taratasy avy tamin'ny tànan'ny iraka ka novakiny; dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra izany teo anatrehan'i Jehovah. 15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Jehovah ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; sokafy ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary henoy ny tenin'i Sankeriba, izay nirahin'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona. 17 Jehovah ô, marina tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny,

3


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

18 ary efa nariany tao anaty afo ny andriamaniny, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana. 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mifona aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra. 20 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka tany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izay nivavaka tamin'i Jehovah tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko. 21 Izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Ziona, zanakavavy virijina, dia manamavo sy mandatsa anao; Mihifikifi-doha mahita anao Jerosalema zanakavavy. 22 Iza no nohaikainao sy nompanao ratsy? Ary iza no nanandratanao ny feonao sy nanandratanao ny masonao any ambony? Dia hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely. 23 Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tany an-tampon'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny trano fialan-tsasatra any amin'ny fari-taniny aho sy any amin'ny alan'i Karmela. 24 Izaho no nihady ka nisotro rano avy tamin'ny firenen-kafa, ary ny faladiako no nandritako ny ony rehetra any amin'izay tanàna voafefy. 25 Tsy mbola renao va fa efa hatramin'ny ela no nanaovako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia handrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao. 26 Koa dia tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no very hevitra; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maina raha mbola tsy mitsiry. 27 Fa fantatro tsara ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko. 28 Satria efa tezitra amiko ianao ary efa tafakatra ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-by ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny molotrao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao. 29 Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin'ity taona ity dia hihinana izay maniry ho azy ianareo; ary amin'ny taona faharoa dia izay maniry ho azy; fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinja, ary manaova tanimboaloboka, ka mihinàna ny vokatra avy aminy. 30 Ary izay sisa tavela amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hamoa miakatra. 31 Fa hisy sisa hivoaka avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany. 32 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho eto, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. 33 Ny lalana niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah. 34 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy noho ny amin'i Davida mpanompoko. 35 Ary tamin'ny alin'iny dia nivoaka ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony nifoha maraina koa ny olona, dia, indro, efa maty avokoa ireo. 36 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive. 37 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namely azy tamin'ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy; ary dia nandositra nankany amin'ny tany Armenia izy roa lahy. Ary Esara-hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

4


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

2 Tantara 32:1-23 1 Ary rehefa afaka izany zavatra marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy. 2 Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba sady nikasa hiady amin'i Jerosalema, 3 Dia niara-nihevitra tamin'ny andrianany sy ny lehilahy maheriny izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano teny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo. 4 Dia nivory ny olona betsaka ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay lohasahan-driaka izay nikoriana namaky teo afovoan'ny tany, fa nanao hoe: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy? 5 Dia nohamafisiny ny heriny ka naoriny avokoa izay rava tamin'ny manda sady natsangany hatramin'ny tilikambo teo amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao antanànan'i Davida izy sady nanao zana-tsipìka sy ampinga betsaka. 6 Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka namory azy ho eo aminy teo ankalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny fampiononana taminy hoe: 7 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay momba azy; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. 8 Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika sy hiady ny adintsika. Ary niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona. 9 Rehefa afaka izany, dia naniraka ny mpanompony hankany Jerosalema Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tao Jerosalema ka nanao hoe: 10 Izao no lazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona no itokianareo, no dia mijanona ao amin'ny fahirano any Jerosalema ianareo? 11 Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka manao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria? 12 Tsy io Hezekia io ihany va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray ihany no hiankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra eo amboniny? 13 Tsy fantatrareo va izay nataoko sy ny razako tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa? Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako va ny andriamanitry ny firenena tany amin'ireny tany ireny? 14 Iza tamin'ny andriamanitry ny firenena rehetra izay naringan'ny razako no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo? 15 Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy akory ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena na fanjakana rehetra nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa mainka fa ny Andriamanitrareo izay hahavonjy anareo amin'ny tanako? 16 Ary ny mpanompony mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony ihany. 17 Ary nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy izy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako. 18 Dia niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny fitenin'ny Jiosy izy teo anatrehan'ny mponina tao Jerosalema izay teo ambonin'ny manda mba hampitahorana sy hampangorohoro azy mba hahafahany ny tanàna. 19 Ary niteny nanohitra an'Andriamanitr'i Jerosalema izy toy ny fitenenany nanohitra ny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa, izay asan'ny tànan'olombelona ihany. 20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra. 5


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria. Dia niverina tamin-kenatra ho any amin'ny taniny izy. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany. 22 Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tanan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, nitari-dalana azy tamin'ny lafiny rehetra Izy. 23 Ary maro no nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zavatra kely ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ka dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izay.

Isaia 36-37 Isaia 36 1 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy. 2 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake nitondra miaramila betsaka avy tao Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka, dia nijanona teo amoron'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba, izy. 3 Dia nivoaka ho any aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, izay mpitahiry ny raharaham-panjakana. 4 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izao itokianao izao? 5 Hoy aho, hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho; koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao? 6 Indro, ianao matoky ity tehina volotara torotoro ity, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona dia manindrona ny tànany; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy. 7 Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Izy va no nanana ny fitoerana avo sy ny alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo? 8 Koa ankehitriny, masìna ianao, mba manaova antoka amin'ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy ianao. 9 Koa hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin'izany aza? Ary matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingintsoavaly. 10 Koa moa hiakatra handrava ity tany ity va aho izao raha tsy Jehovah? Dia hoy Jehovah tamiko: Miakara ho amin'ity tany ity, ka ravao izy. 11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy aminay, ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. 12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izany teny izany? Tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eo ambonin'ny manda va no nanirahany ahy hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? 13 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria. 14 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy ho afaka hamonjy anareo izy tsy akory. 15 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.

6


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko amin'ny fanomezana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia mihinana ny voalobony sy ny aviaviny ianareo, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy, 17 Mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanimboaloboka. 18 Mitandrema fandrao hamitaka anareo Hezekia amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy andriamanitry ny firenena nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va? 19 Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Aiza ireo andriamanitr'i Sefarvaima? Ary moa nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo? 20 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireto tany ireto no efa namonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako? 21 Nefa nangina ny olona ka tsy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza mamaly azy ianareo. 22 Dia nankany amin'i Hezekia Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, sady rovitra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin'i Rabsake izy. Isaia 37 1 Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka niditra tao an-tranon'i Jehovah, 2 Ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana, ho any amin'i Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, 3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy fananarana ary fitenenan-dratsy ity andro ity; fa efa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy. 4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin'i Rabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hananatra azy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao ho an'izay sisa izay mbola sisa. 5 Dia nankany amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka. 6 Ary hoy Isaia taminy: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria Ahy. 7 Indro, Izaho efa hanisy fanahy ao aminy, ary handre siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny; ary hataoko lavon-tsabatra any amin'ny taniny izy. 8 Dia niverina Rabsake ka nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna; fa efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjakan'i Asyria. 9 Ary ren'i Hezekia ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, hoe: Avy hiady aminao izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe: 10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria. 11 Indro, efa renao izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy tanteraka; ka ianao kosa va no ho voavonjy? 12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanànan'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? 14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny; dia niakatra nankao antranon'i Jehovah izy ka namelatra izany teo anatrehan'i Jehovah. 15 Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe:

7


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

16 Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 17 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; sokafy ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary henoy ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona. 18 Jehovah ô, marina tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny, 19 ary efa nariany tao anaty afo ny andriamaniny, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana. 20 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao irery ihany no Jehovah. 21 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka tany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay vavaka nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, 22 Izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Ziona, zanakavavy virijina, dia manamavo sy mandatsa anao; Mihifikifi-doha mahita anao Jerosalema zanakavavy. 23 Iza no nohaikainao sy nompanao ratsy? Ary iza no nanandratanao ny feonao sy nanandratanao ny masonao any ambony? Dia hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely. 24 Ny mpanomponao no nanendrikendrehanao an'i Jehovah hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tany an-tampon'i Libanona; ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny tampon'ny fari-taniny aho sy any amin'ny alan'i Karmela. 25 Izaho no nihady ka nisotro rano, ary ny faladiako no nandritako ny lahin-drano rehetra any amin'izay natao fahirano. 26 Tsy mbola renao va fa hatry ny ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia handrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao. 27 Koa dia tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no very hevitra; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maina raha mbola tsy mitsiry. 28 Fa fantatro tsara ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko. 29 Satria efa tonga ato an-tsofiko ny fahatezeranao amiko sy ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-by ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny molotrao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao. 30 Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin'ity taona ity dia hihinana izay maniry ho azy ianareo; ary amin'ny taona faharoa dia izay maniry ho azy; fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinja, ary manaova tanimboaloboka, ka mihinàna ny vokatra avy aminy. 31 Ary izay sisa tavela amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hamoa miakatra. 32 Fa hisy sisa hivoaka avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany. 33 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho eto, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. 34 Ny lalana niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah. 35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy noho ny amin'i Davida mpanompoko. 36 Dia nivoaka Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony nifoha maraina koa ny olona, dia, indro, efa maty avokoa ireo. 37 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.

8


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

38 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namely azy tamin'ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy; ary dia nandositra nankany amin'ny tany Armenia izy roa lahy; ary Esara-hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fizarana isaky ny andininy Ny fitantarana ara-tantara momba an'i Hezekia, Isaia, Sankeriba, ary Rabsake dia voarakitra antsoratra amin'ny toerana telo lehibe ao amin'ny Testamenta Taloha: 2 Mpanjaka 18–19 , Isaia 36– 37 , ary 2 Tantara 32 . Ity ambany ity ny fizarana isaky ny andininy mifanaraka amin'ireo andalan-tsoratra masina mifanitsy ao amin'ny King James Version , arahin'ny lesona fototra. 1. Ny fahatokian'i Hezekia sy ny fanavaozana voalohany 2 Mpanjaka 18:1–3 – Nanomboka nanjaka tany Joda i Hezekia tamin’izy 25 taona ary nanao “izay mahitsy eo imason’i Jehovah.” 2 Mpanjaka 18:4 – Izy no nandrava ny fitoerana avo, nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy, nikapa ny Aseraha ary nanorotoro ny menarana varahina (Nehoshtana) izay nataon'i Mosesy, satria efa nanomboka nandoro ditin-kazo manitra ho azy ny Isiraely. 2 Mpanjaka 18:5–7a – "Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'ny mpanjakan'ny Joda rehetra teo aoriany..." Jehovah no momba azy, ary nambinina tamin'izay rehetra nalehany izy. 2 Mpanjaka 18:7b–8 – Nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asyria izy (tsy nety nanompo azy) ary namely ny Filistina hatrany Gaza. 2 Tantara 32:1–8 – Rehefa nahita ny fanatonan’i Sankeriba i Hezekia dia naka hevitra tamin’ireo andrianany mba hanakatonana ny loharanon-drano any ivelan’i Jerosalema, nanangana ny manda sy ny tilikambo, nanao fitaovam-piadiana, ary nampahery ny vahoaka hoe: “Mahereza sy matanjaha… sandry nofo no momba azy; fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika sy hiady ny adintsika” (2 Tantara 32:7–8). 2. Ny fianjeran'i Samaria sy ny fanafihan'i Asyria 2 Mpanjaka 18:9–12 – Tamin'ny taona faha-4 nanjakan'i Hezekia, dia nanao fahirano an'i Samaria (Fanjakan'ny Isiraely Avaratra) i Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahazo azy io tamin'ny taona faha-6 nanjakan'i Hezekia satria "tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny" ny Isiraely. 2 Mpanjaka 18:13 / Isaia 36:1 – Tamin'ny taona faha-14 nanjakan'i Hezekia, dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy. 2 Mpanjaka 18:14–16 – Tao anatin’ny fotoana natahotra i Hezekia dia nandefa fanomezana ho an’i Sankeriba tao Lakisy nanao hoe: “Efa nanota aho, koa mialà amiko; izay hampitondrainao ahy dia ho entiko.” Nandoa talenta volafotsy 300 sy talenta volamena 30 izy, ary nanesotra ny volamena tamin’ny varavarana sy ny andrin’ny tempolin’i Jehovah mihitsy aza. 3. Ny fanesoana sy ny ady ara-tsaina nataon'i Rabsake 2 Mpanjaka 18:17–18 / Isaia 36:2–3 – Nirahin’i Sankeriba avy any Lakisy i Tartana sy Rabsarisa ary Rabsake niaraka tamin’ny tafika lehibe ho any Jerosalema. Nijoro teo akaikin’ny lakandrano amin’ny dobo ambony izy ireo. Nivoaka hitsena azy ireo i Eliakima sy Sebna ary Joa.

9


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

2 Mpanjaka 18:19–21 / Isaia 36:4–6 – Nampita ny hafatr’i Sankeriba i Rabsake hoe: “Inona moa no itokianao?” Naneso an’i Joda izy noho ny fitokisany an’i Ejipta, ary niantso an’i Ejipta ho “volotara torotoro” izay hanindrona ny tanan’izay rehetra miankina aminy. 2 Mpanjaka 18:22 / Isaia 36:7 – Niezaka nanova ny fanavaozana ara-pivavahana nataon'i Hezekia i Rabsake, ary nilaza fa nahatezitra an'Andriamanitra i Hezekia tamin'ny nanesorany ny fitoerana avo sy ny alitara. 2 Mpanjaka 18:23–25 / Isaia 36:8–10 – Nanolotra soavaly 2 000 tamim-panesoana i Rabsake raha toa ka afaka manome mpitaingina azy ireo akory aza ny Joda. Avy eo dia nilaza izy fa i Jehovah mihitsy no naniraka azy handrava an'i Joda: "Jehovah no nilaza tamiko hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy." 2 Mpanjaka 18:26 / Isaia 36:11 – Eliakima sy Sebna ary Joa dia nangataka an-dRabsake mba hiteny amin'ny teny Syriana (Aramaika) fa tsy amin'ny teny Jiosy (Hebreo) mba tsy hatahotra ny vahoaka tsotra eny ambony manda. 2 Mpanjaka 18:27–35 / Isaia 36:12–20 – Nandà i Rabsake sady niantsoantso tamin'ny teny Hebreo tamin'ireo lehilahy teny ambony manda. Nampirisika azy ireo izy mba tsy hamela an'i Hezekia hamitaka azy ireo amin'ny fampanantenana fa hamonjy azy ireo Andriamanitra. Nirehareha izy fa tsy nisy andriamanitr'i Hamata, Arpada, Sefarvaima, na Samaria namonjy ny taniny tamin'i Asyria—koa "iza moa amin'ny andriamanitry ny tany rehetra, izay efa namonjy ny taniny tamin'ny tanako, no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?" (2 Mpanjaka 18:35). 2 Mpanjaka 18:36–37 / Isaia 36:21–22 – Nangina ny olona ka tsy namaly azy na dia teny iray akory aza, araka ny nandidian'i Hezekia azy ("Aza mamaly azy"). Niverina tany amin'i Hezekia ireo mpanapaka sady rovitra ny fitafiany. 4. Nitady

an'i Isaia sy ny fampanantenana voalohany avy amin'ny Tompo i Hezekia 2 Mpanjaka 19:1–5 / Isaia 37:1–5 – Nandriatra ny fitafiany i Hezekia Mpanjaka, nitafy lamba fisaonana, ary niditra tao an-tranon'i Jehovah, dia naniraka an'i Eliakima sy Sebna ary ny loholon'ny mpisorona ho any amin'i Isaia mpaminany . Nanambara izy ireo hoe: "Andro fahoriana sy fananarana ary fitenenan-dratsy ity andro ity... koa manaova vavaka ho an'izay sisa izay." 2 Mpanjaka 19:6–7 / Isaia 37:6–7 – Namaly tamin'ny tenin'Andriamanitra i Isaia hoe: "Aza matahotra ny teny efa renao, izay nanompan'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria Ahy. Indro, Izaho efa hanisy fanahy ao aminy, ary handre siosio izy ka hiverina any amin'ny taniny; ary hataoko lavon-tsabatra any amin'ny taniny izy." 5. Ny taratasin'i Rabsake sady fitenenan-dratsy an'Andriamanitra no

vavaka nataon'i Hezekia

2 Mpanjaka 19:8–13 / Isaia 37:8–13 – Niverina i Rabsake ary nahita an’i Sankeriba niady tamin’i Libna. Ren’i Sankeriba fa nivoaka hiady aminy i Tiraka, mpanjakan’i Etiopia, ka nandefa taratasy ho an’i Hezekia indray izy, nampitandrina azy fa tsy afaka manafaka an’i Jerosalema Andriamanitra ary nitanisa ireo firenena rava (Gozana, Harana, Rezefa, Telasara). 2 Mpanjaka 19:14 / Isaia 37:14 – Noraisin’i Hezekia tamin’ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’i Jehovah izy ka namelatra izany teo anatrehan’i Jehovah . 2 Mpanjaka 19:15–19 / Isaia 37:15–20 – Nivavaka i Hezekia hoe: "Ry Jehovah Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany... Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; sokafy, Jehovah ô, ny masonao, ka mijere; ary henoy ny tenin'i Sankeriba, izay nirahin'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona." Niaiky izy fa nandringana firenena hafa i Asyria satria hazo sy vato

10


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

fotsiny ny andriamanitr'izy ireo, ary nivavaka hoe: "Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mifona aminao aho, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao irery ihany no Jehovah Andriamanitra." 6. Ny valintenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Isaia 2 Mpanjaka 19:20 / Isaia 37:21–22 – Nandefa hafatra ho an'i Hezekia i Isaia hoe: "Izay nivavaka tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa reko." 2 Mpanjaka 19:21–28 / Isaia 37:22–29 – Nananatra ny avonavon’i Sankeriba Jehovah hoe: “Iza no nohaikainao sy nompanao ratsy?... dia ny Iray Masin’ny Isiraely.” Nomarihin’Andriamanitra fa ny fandresen’i Asyria dia noho ny fitondran’Andriamanitra azy ihany (“Tsy mbola renao va fa efa ela no nanaovako izany?”). Noho ny hatezeran’i Sankeriba dia nanambara Andriamanitra hoe: “Hataoko eo amin’ny oronao ny farangoko ary hasiako eo amin’ny molotrao ny lamboridiko, ary hampivereniko amin’ny lalana nihavianao ianao.” 2 Mpanjaka 19:29–31 / Isaia 37:30–32 – Manome famantarana ny amin'ny fahavelomana sy ny fitomboana ho an'i Joda Andriamanitra: ny sisa amin'ny taranak'i Joda dia hamaka lalina indray sady hamoa avo. 2 Mpanjaka 19:32–34 / Isaia 37:33–35 – Nampanantena Andriamanitra momba ny mpanjakan'i Asyria hoe: "Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho eto, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanangana tovon-tany hamelezana azy... Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy noho ny amin'i Davida mpanompoko." 7. Ny Fidiran'Andriamanitra an-tsehatra & Ny Fianjeran'i Sankeriba 2 Mpanjaka 19:35 / Isaia 37:36 / 2 Tant. 32:21 – Tamin’io alina io ihany, dia nivoaka ny Anjelin’i Jehovah ka namely olona 185 000 tao an-tobin’ny Asyriana . Rehefa nifoha maraina ny olona, dia “indreo, fa efa maty avokoa ireo.” 2 Mpanjaka 19:36 / Isaia 37:37 – Niala i Sankeriba, niverina tany Ninive ary nonina tao. 2 Mpanjaka 19:37 / Isaia 37:38 / 2 Tant. 32:21 – Raha mbola nivavaka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny Sankeriba, dia namely azy tamin'ny sabatra Adrameleka sy Sarezera zanany lahy , ary dia nandositra nankany amin'ny tany Armenia izy. I Esarahadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Lesona fototra avy amin'ny fitantarana Ny fahasamihafana misy eo amin'ny fanekena lembenana ataon'ny olombelona sy ny fanafahana avy amin'Andriamanitra Niezaka nividy an'i Sankeriba i Hezekia tamin'ny voalohany tamin'ny fakana volamena tao amin'ny Tempoly (2 Mpanjaka 18:14–16), kanefa niverina ihany i Asyria mba handresy tanteraka. Mahalana vao mahomby ny fampitoniana ny fahavalon'Andriamanitra; tsy tonga ny fandriampahalemana maharitra raha tsy rehefa tsy niantehitra tamin'ny volafotsy intsony i Hezekia ary nitodika tanteraka tamin'ny vavaka. Fiomanana azo ampiharina miaraka amin'ny fahatokisana ara-panahy Talohan'ny nanombohan'ny fahirano dia najanon'i Hezekia ny famatsian-drano, nohamafisiny ny manda ary nandamina fiarovana izy (2 Tant. 32:2–5). Ny finoana an'Andriamanitra dia tsy midika hoe tsy miraharaha ny andraikitra azo ampiharina, fa i Hezekia kosa dia nanorina ny fahatokisany faratampony tamin'ny Tsitoha fa tsy ny fiarovana mafy nataony.

11


Miaro an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehovah

Fahalalana ara-panahy manohitra ny fanesoana sy ny fitaka Nampiasa tetika ara-tsaina i Rabsake—nanova ny Soratra Masina, nampiely tahotra, nanontany tena momba ny herin'Andriamanitra, ary niezaka nampisaraka ny mpitarika tamin'ny vahoaka (2 Mpanjaka 18:22, 28–35). Ny baikon'i Hezekia hoe "Aza mamaly azy" dia mampianatra ny fahendrena amin'ny fandavana ny fifamaliana amin'ny alalan'ny fanevatevana, fa aleo kosa mitondra ny olana mivantana amin'Andriamanitra. Manaparitaka ny olantsika eo anatrehan'ny Tompo Rehefa voarain'i Hezekia ny taratasy mampatahotra avy amin'i Sankeriba, dia nentiny avy hatrany tany amin'ny tempoly izany ary "namelatra izany teo anatrehan'i Jehovah" (2 Mpanjaka 19:14). Izany dia manome modely ho an'ny vavaka: mitondra mivantana ny fandrahonana, ny tahotra ary ny tebiteby eo anatrehan'Andriamanitra ary mametraka izany eo anatrehany. Ny Voninahitr'Andriamanitra no Laharam-pahamehana Indrindra amin'ny Vavaka Tsy nivavaka ho an'ny fahavelomany fotsiny i Hezekia; nivavaka izy mba hanao zavatra Andriamanitra "mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah Andriamanitra" (2 Mpanjaka 19:19). Ny vavaka mifantoka amin'ny voninahitr'Andriamanitra dia mifanaraka akaiky amin'ny sitrapony. Ny avonavon'ny olombelona vs. ny fiandrianan'Andriamanitra Nino i Sankeriba fa vokatry ny heriny manokana ny fandreseny ara-tafika (2 Mpanjaka 19:23–24). Nampahatsiahy azy Andriamanitra fa fitaovana fotsiny ihany izy tao amin'ny drafitr'Andriamanitra manontolo (2 Mpanjaka 19:25–28). Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary tsy misy hery eto amin'izao tontolo izao afaka mandresy ny fikasany fara tampony.

12


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - The Mighty Angel of the LORD Defends Jerusalem by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu