Skip to main content

Malagasy - Stars in Scriptures (Stellar Astronomy)

Page 1

Kintana ao amin'ny Soratra Masina Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana izay noforoninao; Inona moa ny olombelona, no ahatsiarovanao azy, ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? Salamo 8:34

Boky Dimy Voalohany Ary Andriamanitra nanao fanazavana roa lehibe, ny fanazavana lehibe kokoa ho mpanapaka ny andro, ary ny fanazavana kely kokoa ho mpanapaka ny alina; nanao ny kintana koa Izy. Genesisy 1:16 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelany Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. Genesisy 15:5 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony; Genesisy 22:17 Dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany; Genesisy 26:4 Ary nanonofy indray izy ka notantarainy tamin'ny rahalahiny hoe: Indro, nanonofy indray aho; ary, indro, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako. Genesisy 37:9 Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho; ary ity tany rehetra nolazaiko ity dia homeko ny taranakareo, ary handova izany mandrakizay izy. Eksodosy 32:13 Hahita Azy aho, nefa tsy ankehitriny; hijery Azy aho, nefa tsy akaiky; hisy kintana hiseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana hiposaka avy amin'Isiraely ka hamely ny sisin-tanin'i Moaba ary handringana ny taranak'i Seta rehetra. Nomery 24:17 Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, ianareo izao dia maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra. Deoteronomia 1:10


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - Stars in Scriptures (Stellar Astronomy) by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu