Skip to main content

Malagasy - Satan and the Devils

Page 1

Satana sy ny Devoly Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Boky Dimy Voalohany Genesisy 3:1-15 1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Dia hoy izy tamin-dravehivavy: Efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha? 2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany; 3 fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo. 4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; 5 fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. 6 Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny izay teo aminy, ka dia nihinana izy. 7 Dia nisokatra ny mason'izy roa lahy, ka fantany fa mitanjaka izy; dia nanjaitra ravin'aviavy izy ka nanao sikina ho azy. 8 Ary nandre ny feon'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana tao amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary Adama sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha. 9 Ary Jehovah Andriamanitra niantso an'i Adama ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? 10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. 11 Ary hoy Izy: Iza no nilaza taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza mihinana azy ianao? 12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voan'ny hazo, ka dia nihinana aho. 13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, dia ianao no voaozona amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra; ny kibonao no handehananao, ary vovoka no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

15 Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. Ary tsy hanatitra ny fanatiny intsony ho an'ny demonia izay efa nijangajangany izy. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranany fara mandimby izany. Levitikosy 17:7 Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Dia andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo. Deoteronomia 32:17

FIAINANY TALOHA Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely. 1 Tantara 21:1 Ary nanendry mpisorona ho an'ny fitoerana avo sy ho an'ny demonia ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony izy. 2 Tantara 11:15

Tononkalo Joba 1:1-22 1 Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza, Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy. 2 Ary niteraka zazalahy fito sy zazavavy telo izy. 3 Ary ny fananany dia ondry fito arivo sy rameva telo arivo sy omby diman-jato sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia io lehilahy io no nanan-karena indrindra tamin'ny lehilahy rehetra tany atsinanana. 4 Ary nandeha ny zanany lahy ka nanao fanasana isan-tranony araka ny an'androny avy; ary naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy mba hiara-mihinana sy misotro aminy. 5 Ary rehefa tapitra ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina azy ireo, ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Angamba efa nanota ny zanako ka nanozona an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva. 6 Ary tamin'ny indray andro dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ary Satana koa mba tonga teo aminy. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nivezivezy teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. 8 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. 9 Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra? 10 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay rehetra ananany? Notahinao ny asan'ny tànany, ka nitombo ny fananany teny amin'ny tany. 11 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra dia tsy hanozona Anao eo imasonao mihitsy izy e! 12 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izay rehetra ananany; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah. 13 Ary tamin'ny indray andro, raha nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahy ny zananilahy sy ny zananivavy,

2


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

14 Ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa tany, ary ny boriky nihinana teo anilany; 15 Dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny mpanompo dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 16 Raha mbola niteny izy, dia nisy iray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 17 Raha mbola niteny izy, dia nisy iray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao andiany telo, dia niroatra ny rameva ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 18 Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakaovavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa; 19 Ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano ka maty izy rehetra, ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka 21 ka nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no naka; isaorana anie ny anaran'i Jehovah. 22 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra ho fahadalana. Joba 2:1-7 1 Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah. 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nivezivezy teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. 3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Nefa mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nandrisika Ahy hanohitra azy aza ianao handringana azy tsy amin'antony. 4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho fefin'ny ainy. 5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony dia hanozona Anao eo imasonao mihitsy aza izy e! 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy ihany no aza avela ho levona. 7 Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany. Eny, nanatitra ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia izy, Salamo 106:37 Ary ny soa nataoko novaliany ratsy, ary ny fitiavako novaliany fankahalana. Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy, ary aoka Satana hitsangana eo an-kavanany. Salamo 109:5-6

FAMINANIANA Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry Losifera, zanaky ny maraina! Endrey! voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay nandreraka ny firenena! Fa ianao efa nanao anakampo hoe: Any andanitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana any amin'ny farany avaratra aho; hiakatra ho ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; nefa havarina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao, dia ho any am-paran'ny lavaka. Isaia 14:12-15 3


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Ezekiela 28:11-19 11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 12 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hianao no mahatanteraka ny fahatanterahana sady feno fahendrena no tanteraka amin'ny hatsaran-tarehy, 13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra no eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny diamondra, ny berila, ny beryla, ny jaspa, ny safira, ny emeralda, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao tao aminao ireo. 14 Hianao no kerobima voahosotra izay manaloka, ary Izaho no nametraka anao; tao antendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; nitsangantsangana teo amin'ny vato mirehitra ianao. 15 Tsy nisy tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahitana heloka tao aminao. 16 Noho ny habetsahan'ny varotrao dia nofenoiny loza tao aminao, ka dia nanota ianao; koa dia hariako hiala amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra toy ny olona maloto ianao, ary haringako hiala amin'ny vato mirehitra ianao, ry kerobima manaloka. 17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nanimba ny fahendrenao noho ny famirapiratanao ianao; Hazerako eny an-tany ianao sady hapetrako eo anatrehan'ny mpanjaka mba ho hitan'izy ireo, 18 Noho ny haben'ny helokao sy ny tsy fahamarinan'ny varotrao dia nandotoanao ny fitoeranao masina ianao; koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao sady hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany eo imason'izay rehetra mijery anao. 19 Izay rehetra mahalala anao amin'ny firenena dia ho gaga anao; ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay. Dia nasehony ahy i Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'ny Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy. Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity? Zakaria 3:1-2

Filazantsara sy Asan'ny Apostoly Matio 4:1-11 1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra mba halain'ny devoly fanahy. 2 Ary rehefa nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, dia noana nony afaka izany. 3 Dia nanatona Azy ny mpaka fanahy ka nanao hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia asaovy ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 22.18). 5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly, 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 19. 12). 8 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, 9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.

4


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana; fa voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 19. 11). 11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina sy ny fijaliana maro samihafa, dia ny demoniaka sy ny mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka dia nahasitrana azy Izy. Matio 4:24 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nandroaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? Matio 7:22 Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny maro izay azon'ny demonia; ary ny teniny no nandroahany ny fanahy ratsy, ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa. Matio 8:16 Matio 8:28-34 28 Ary nony tonga teny ampita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny olona roa lahy azon'ny demonia, nivoaka avy teny amin'ny fasana sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany. 29 Ary, indro, niantsoantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra ô? Tonga teto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana? 30 Ary nisy kisoa maro andiany nihinana teny lavidavitra azy ireo. 31 Dia nifona tamin'i Jesosy ny demonia ka nanao hoe: Raha avoakanao izahay, dia avelao izahay hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo. 32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka izy ireo, ka niditra tao anatin'ny andian-kisoa; ary, indro, ny andian-kisoa rehetra nihazakazaka nidina tamin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anaty rano. 33 Ary ny mpiandry ondry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra izay nanjo an'ireo demoniaka. 34 Ary, indro, nivoaka hitsena an'i Jesosy ny olona rehetra tao an-tanàna; ary rehefa nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny taniny. Ary rehefa nivoaka ireo, indro, nisy lehilahy moana anankiray izay azon'ny demonia nentin'ny olona tany amin'i Jesosy. Ary rehefa voaroaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy hita toy izao tamin'ny Isiraely. Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia. Matio 9: 32-34 Sitrano ny marary, diovy ny boka, atsangano ny maty, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaim-poana. Matio 10:8 Ampy ho an'ny mpianatra ny maha-tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo ny maha-tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany? Matio 10:25 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Matio 11:18 Matio 12:22-28 22 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy iray izay azon'ny demonia, sady jamba no moana; dia nositraniny izy, ka dia niteny sy nahita ilay jamba sy moana. 23 Dia gaga ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy Zanak'i Davida va Ity?

5


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

24 Fa nony nandre izany ny Fariseo, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia. 25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mandroaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; koa ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no androahako ny demonia, iza kosa no androahan'ny zanakareo azy? Koa izy no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra. 29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery? Dia vao handroba ny ao an-tranony izy. Ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely. Matio 13:39 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso Azy nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô; ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra. Matio 15:22 Fa Izy nihodina ka nanao tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. Matio 16:23 Ary niteny mafy ny demonia Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay. Matio 17:18 Dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankaviany koa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voaomana ho an'ny devoly sy ny anjeliny; Matio 25:41 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. Marka 1:13 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny azon'ny demonia. Ary nanasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samihafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. Dia nitory teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia Izy sady nandroaka demonia. Marka 1:32 , 34, 39 Ary hanana fahefana hanasitrana aretina sy handroaka demonia: Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, ary ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia. Ary niantso azy hankeo aminy Izy ka nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no fandroaka an'i Satana? Ary raha mitsangana hanohitra ny tenany i Satana ka misaraka, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny. Marka 3:15 , 22 - 23, 26 Ary ireto no ilay teny amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao am-pony. Marka 4:15 Marka 5:1-20 1 Ary tonga teny ampitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gadarena izy ireo. 2 Ary raha vao niala teo an-tsambokely Izy, dia nifanena taminy avy teny amin'ny fasana niaraka tamin'izay ny lehilahy iray azon'ny fanahy maloto,

6


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

3 fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy na dia tamin'ny gadra aza. 4 Fa efa matetika no nafatony tamin'ny gadra sy ny rojo vy izy; ary ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra vy notapatapahiny, ka tsy nisy olona nahafehy azy. 5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny fasana izy ka nitaraina sady nandidy tena tamin'ny vato. 6 Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany 7 sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao mba tsy hampijaly ahy. 8 Fa hoy Jesosy taminy: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. 9 Ary nanontany azy izy hoe: Iza moa no anaranao? Dia namaly izy ka nanao hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. 10 Ary nifona mafy taminy izy mba tsy handroaka azy hiala amin'izany tany izany. 11 Ary nisy kisoa maro be nihinana teny akaikin'ny tendrombohitra. 12 Ary ny demonia rehetra nifona taminy ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hidiranay any aminy. 13 Dia navelan'i Jesosy izy ireo. Dia nivoaka ny fanahy maloto ka niditra tao anatin'ny kisoa; ary nirifatra nidina tamin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina ny andian-kisoa (tokony ho roa arivo izy ireo), ka maty an-drano. 14 Ary ny mpiandry kisoa dia nandositra ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nivoaka ny olona mba hizaha izay zavatra tonga teo. 15 Ary tonga tany amin'i Jesosy izy ireo ka nahita ilay azon'ny demonia, izay nisy ny legiona, nipetraka sady nitafy lamba no ary saina; dia raiki-tahotra izy. 16 Ary izay nahita dia nilaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay azon'ny demonia sy ny amin'ny kisoa. 17 Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny. 18 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay azon'ny demonia mba hiaraka aminy. 19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. 20 Dia lasa izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny. Marka 6:13 Marka 7: 24-30 24 Ary niala teo Jesosy ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. 25 Fa nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy, izay nanana zanakavavy tanora azon'ny fanahy maloto, dia nankao ka niankohoka teo amin'ny tongony. 26 Grika ravehivavy, avy amin'ny firenena Siro-foinika; dia nangataka taminy izy mba handroaka ny demonia amin'ny zanany vavy. 27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboa. 28 Ary ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa ny amboakely eo ambanin'ny latabatra dia mihinana ny sombin-mofo avy amin'ny zaza ihany. 29 Ary hoy Izy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.

7


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

30 Ary rehefa tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany fa efa nivoaka ny demonia, ary ny zanany vavy nandry teo am-pandriana. Fa Izy nitodika nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fa tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. Marka 8:33 Ary Jaona namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, nahita olona anankiray nandroaka demonia tamin'ny anaranao izahay, nefa tsy manaraka antsika izy; ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika. Marka 9:38 Ary rehefa nitsangana tamin'ny maty Jesosy tamin'ny maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy. Ary ireto famantarana ireto no hanaraka izay mino: Handroaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao izy; Marka 16:9 , 17 Lioka 4:1-13 1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany anefitra Izy, 2 Efapolo andro izay nalain'ny devoly fanahy Izy. Ary tsy nihinana na inona na inona tamin'izany andro izany Izy; ary rehefa tapitra izany, dia noana Izy. 3 Ary hoy ny devoly taminy: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ity vato ity mba ho tonga mofo. 4 Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny tenin'Andriamanitra rehetra (Deo. 22.18). 5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra tany an-tendrombohitra avo dia avo, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. 6 Ary hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fahefana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy. 7 Koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. 8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mialà amiko, ry Satana; fa voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 19. 10). 9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia napetrany teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; 10 Fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; 11 Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 19.12). 13 Ary rehefa vitan'ny devoly ny fakam-panahy rehetra, dia nandao Azy izy aloha. Ary nisy lehilahy tao amin'ny synagoga, izay nanana fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery Izy. Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, rehefa namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy nandratra azy. Lioka 4:33,35 Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Dia norarany izy ka tsy navelany hiteny, satria fantany fa Izy no Kristy. Lioka 4:41 Fa tonga Jaona Mpanao Batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy. Lioka 7:33

8


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Ary koa ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay nivoahan'ny demonia fito, Lioka 8:2 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre; dia avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. Lioka 8:12 Lioka 8:26-39 26 Dia tonga tany amin'ny tanin'ny Gadarena izay tandrifin'i Galilia izy ireo. 27 Ary raha niala nankeny an-tanety Izy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao antanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana ihany. 28 Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy ô, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Masìna Hianao, aza mampijaly ahy. 29 (Fa Izy efa nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa matetika no nahazo azy izany; ary nafatotra tamin'ny gadra sy ny rojo vy izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriny tany an-efitra izy.) 30 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Iza no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no niditra tao aminy. 31 Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lalina. 32 Ary nisy andian-kisoa maro nihinana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nangataka taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia navelany izy ireo. 33 Dia nivoaka tamin-dralehilahy ny demonia ka niditra tao anatin'ny kisoa; ary nihazakazaka nidina tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy ny andian-kisoa ka maty an-drano. 34 Ary nony hitan'ny mpiandry ondry izay natao, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. 35 Dia nivoaka ny olona mba hizaha izay natao; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita andralehilahy izay nivoahan'ny demonia nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy sady nitafy no ary saina; dia natahotra izy. 36 Ary izay nahita izany dia nilaza tamin'ny olona ny fomba nahasitranana ilay demoniaka. 37 Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gadarena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary dia niakatra tao an-tsambokely Izy ka niverina. 38 Ary ny lehilahy izay nivoahan'ny demonia dia nangataka taminy mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe: 39 Modia any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia lasa izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy. Ary niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hanasitrana aretina. Lioka 9:1 Ary raha mbola nanatona izy, dia nampianjera sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy. Lioka 9:42 Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko ô, nahita olona iray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika. Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna izy; fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Lioka 9:49-50

9


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Ary niverina tamin'ny fifaliana ny fitopolo lahy ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. Dia hoy Jesosy taminy: Nahita an'i Satana latsaka avy tany andanitra tahaka ny varatra aho. Lioka 10:17-18 Lioka 11:14-20 14 Ary Jesosy nandroaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny olona. 15 Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia. 16 Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra. 17 Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady antrano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. 18 Ary raha miady an-trano koa i Satana, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Satria hoy ianareo: Belzeboba no amoahako demonia. 19 Ary raha Belzeboba no androahako ny demonia, iza kosa no androahan'ny zanakareo azy? Koa izy no ho mpitsara anareo. 20 Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. Ary ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana nandritra ny valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana amin'ity fatorana ity amin'ny andro Sabata va? Lioka 13:16 Fa hoy Izy taminy: Mandehana ianareo, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mandroaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia ho tanteraka ny amiko. Lioka 13:32 Dia niditra tao anatin'i Jodasy, izay atao hoe Iskariota, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, i Satana. Lioka 22:3 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary; Fa Izaho efa nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao. Lioka 22: 31-32 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly? Jaona 6:70 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao? Jaona 7:20 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay filan'ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. Jaona 8:44 Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia? Jesosy namaly hoe: Tsy manana demonia Aho, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy. Jaona 8:48-49 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Jaona 8:52

10


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy sady very saina; nahoana ianareo no mihaino Azy? Ny sasany kosa nanao hoe: Tsy tenin'izay manana demonia izany; moa ny demonia va mahasokatra ny mason'ny jamba? Jaona 10:20-21 Ary raha mbola nisakafo hariva ny olona, dia efa nomen'ny devoly saina Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, hamadika Azy, Jaona 13:2 Ary rehefa avy nisotro ilay sombi-mofo dia nidiran'i Satana tao aminy. Dia hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana. Jaona 13:27 Fa hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny ampahany amin'ny vidin'ny tany? Asan'ny Apostoly 5:3 Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Asan'ny Apostoly 10:38 ka nanao hoe: Ry feno ny fitaka rehetra sy ny faharatsiana rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? Asan'ny Apostoly 13:10 mba hampahiratra ny masony sy hampiala azy amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. Asan'ny Apostoly 26:18

Ireo taratasy nosoratana ao Ary Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. Romana 16:20 hanolotra izany olona izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hovonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo. 1 Korintiana 5:5 Aza mifampisakana ianareo, raha tsy amin'izay andro ifanarahanareo, mba hahafahanareo mifady hanina sy mivavaka, ka dia miaraha indray ianareo, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsy fahafehezanareo tena. 1 Korintiana 7:5 Fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo. Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo. 1 Korintiana 10:20-21 Fandrao Satana tsy hahazo tombony amintsika; fa fantatsika ny hafetseny. 2 Korintiana 2:11 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. Ary tsy mahagaga izany; fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. 2 Korintiana 11: 13-14 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsahan'ny fanambarana aho, dia nomena tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. 2 Korintiana 12:7 11


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Aza manome toerana ho an'ny devoly. Efesiana 4:27 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Efesiana 6:11 Koa dia naniry hankatỳ aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay. 1 Tesaloniana 2:18 Ary dia haseho ilay ratsy fanahy, izay holevonin'ny Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany, dia ilay fihaviany araka ny fiasan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana ary ny fahagagana mandainga rehetra, ary amin'ny famitahana momba ny tsifahamarinana rehetra amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. 2 Tesaloniana 2: 8-10 isan'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hianarana tsy hiteny ratsy. 1 Timoty 1:20 Tsy izay vao manomboka, fandrao hieboebo izy ka ho latsaka amin'ny fanamelohan'ny devoly. Ary koa, tsy maintsy ho tsara laza amin'izay any ivelany izy, fandrao ho latsaka amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly. 1 Timoty 3:6-7 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 1 Timoty 4:1 Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana. 1 Timoty 5:15 ary mba ho afaka amin'ny fandriky ny devoly izay nanao azy ho babo araka ny sitrapony izy. 2 Timoty 2:26 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly; Hebreo 2:14 Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany; ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. Jakoba 2:19 Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. Jakoba 3:15 Koa dia maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Jakoba 4:7 Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8 Izay manota dia avy amin'ny devoly; fa ny devoly dia manota hatramin'ny voalohany. Izany no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. Izany no mampiseho miharihary ny zanak'Andriamanitra sy ny zanaky ny devoly: izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin'Andriamanitra sy izay tsy tia ny rahalahiny. 1 Jaona 3:8,10

12


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Fa Mikaela arkanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah." Joda 1:9

Revelation Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manankarena ianao), ary fantatro ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo; ary hanam-pahoriana hafoloana ianareo; aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. Apokalypsy 2:9-10 Fantatro izay onenanao, dia izay misy ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andro izay nitoeran'i Antipasy maritiora mahatoky Ahy aza, izay novonoina teo aminareo, dia izay onenan'i Satana. Apokalypsy 2:13 Fa aminareo izay sisa any Tyatira kosa dia izao no lazaiko, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mahalala ny hilalin'i Satana araka ny fiteniny: tsy hampitondra enta-mavesatra anareo Aho. Apokalypsy 2:24 Indro, hataoko avy amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, nefa tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao izy, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. Apokalypsy 3:9 Ary nanana mpanjaka ho azy ireo izy, dia ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. Apokalypsy 9:11 Ary ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na mandeha; Apokalypsy 9:20 Ary natsipy ilay dragona lehibe, dia ilay menarana ela, izay atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia natsipy tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka natsipy taminy. Koa mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa fohy ny androny. Apokalypsy 12:9,12 Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjakan'ny tany sy amin'izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha. Apokalypsy 16:14 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona lehibe ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary tranom-borona hitoeran'ny vorona maloto sy ankahalaina rehetra. Apokalypsy 18:2 Dia nisambotra ilay dragona izy, dia ilay menarana ela, izay ny devoly sy Satana, ka namatotra azy arivo taona, Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany, Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka, ary hampijaliana andro aman'alina mandrakizay mandrakizay ireo. Apokalypsy 20:2 , 7 , 10

13


Satana sy ny Devoly

Mahonona tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Petera 5:8

Apokrifa Ary hoy izy taminy: Raha mikasika ny fo sy ny aty ianao, raha misy demonia na fanahy ratsy manelingelina olona iray, dia tsy maintsy dorantsika eo anatrehan'ny lehilahy na vehivavy izany, ary tsy ho tezitra intsony ny olona. Ary ho maimbo izany ny demonia, dia handositra izy ka tsy hiverina intsony; fa rehefa tonga any aminy ianao, dia mitsangàna ianareo roa lahy, ary mivavaha amin'Andriamanitra izay mamindra fo, Izay hamindra fo aminao sy hamonjy anao; aza matahotra, fa efa voatendry ho anao hatrany am-piandohana izy; ary ianao no hiaro azy, dia hiaraka aminao izy. Ary koa, heveriko fa hiteraka zaza ho anao izy. Ary rehefa ren'i Tobia izany zavatra izany, dia tia azy izy, ary ny fony dia niraiki-po taminy. Tobia 6:7,17 Kanefa noho ny fialonan'ny devoly no nidiran'ny fahafatesana tamin'izao tontolo izao; ary izay mifikitra amin'ny devoly dia mahita izany. Fahendren'i Solomona 2:24 Rehefa manozona an'i Satana ny ratsy fanahy dia manozona ny fanahiny ihany koa izy. Ekleziastika 21:27 Fa nampahatezitra an'Izay nanao anareo ianareo tamin'ny namonoanareo zavatra hatao fanatitra ho an'ny demonia, fa tsy ho an'Andriamanitra. Fa hisy afo avy amin'ny Mandrakizay haharitra aminy; ary honenan'ny demonia mandritra ny andro maro izy. Baroka 4:7,35

14


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - Satan and the Devils by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu