Skip to main content

Malagasy - God-given Breath

Page 1

fofonaina nomen'Andriamanitra Aoka izay rehetra manam-pofonaina hidera an'i Jehovah. Miderà an'i Jehovah. Salamo 150:6

Boky Dimy Voalohany Ary Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin'ny vovo-tany, dia nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. Genesisy 2:7 Ary, indro, Izaho dia hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-pofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany. Genesisy 6:17 Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina. Genesisy 7:15 Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tao am-bavorony, dia izay rehetra tany amin'ny tany maina. Genesisy 7:22 Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay rehetra mananaina. Deoteronomia 20:16

FIAINANY TALOHA Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amorontsiraka ary ny tany an-dohasaha sy ny tany lohondry mbamin'ny mpanjakany rehetra; tsy nasiany niangana akory, fa naringany avokoa izay rehetra miaina, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Josoa 10:40 Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa; tsy nisy olona sisa afaka; ary Hazora nodorany tamin'ny afo. Ary ny babo rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra kosa dia nasiany tamin'ny lelantsabatra mandra-pandringany azy; tsy nisy olona navelany ho velona na dia iray akory aza. Josoa 11:11,14 Dia niseho ny loharanon-dranomasina, ary niseho ny fanorenan'izao tontolo izao, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony. 2 Samoela 22:16 Ary nony nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy; ka tsy nasiany na dia olona velona akory aza tamin'ny taranak'i Jeroboama, mandra-paharingany azy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony, 1 Mpanjaka 15:29


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - God-given Breath by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu