Gideona, Lehilahy Mahery Fo Mpitsara 6 1 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo antànan'ny Midiana fito taona izy. 2 Ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka noho ny tahony ny Midiana no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo lava-bato ary ireo fiarovana. 3 Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy. 4 Dia nitoby tandrifiny izy ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany ho an'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky. 5 fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy. 6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely. 7 Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana, 8 dia naniraka mpaminany ho any amin'ny Zanak'Isiraely Jehovah, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana; 9 ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'izay rehetra nampahory anareo Aho, dia noroahiko hiala teo anoloanareo izy ka nomeko anareo ny taniny; 10 ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. 11 Dia tonga ny Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary teo akaikin'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana. 12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery fo. 13 Ary hoy Gideona taminy: Indrisy Tompoko ô, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe:
1
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay Jehovah ka nanolotra anay teo an-tànan'ny Midiana? 14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy Izaho va no efa naniraka anao? 15 Fa hoy izy taminy: Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? Indro, ny fianakaviako no malahelo indrindra ao amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko. 16 Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao. 17 Dia hoy izy taminy: Raha mahita fitia eo imasonao aho ankehitriny, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko. 18 Aza miala eto ianao, azafady, mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohaniko ka hapetrako eo anatrehanao. Dia hoy izy: Hijanona aho mandra-piverinao. 19 Dia niditra Gideona ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny lafarinina iray efaha, ary ny hena nataony tao anaty harona, ary ny ron-kena nataony tao anaty vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ny hazo terebinta ka natolony azy. 20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity, ary araraka ny ron-kena. Dia nataony izany. 21 Ary naroson'ny Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka nokasihiny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo niakatra avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary dia lasa tsy teo imasony Ilay Anjelin'i Jehovah. 22 Dia fantatr'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Indrisy, Jehovah Tompo ô! fa nahita Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho. 23 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. 24 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah, ary ny anarany nataony hoe Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany. 25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahin-droa faharoa, izay fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany; 26 Ary manorena alitara ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tampon'ity vatolampy ity, ka amboary tsara ny fitoerany; ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana miaraka amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao. 27 Dia naka folo lahy tamin'ny mpanompony Gideona ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny mpianakavin-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany izany. 28 Ary nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, dia indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay efa naorina. 29 Dia nifampilaza izy hoe: Iza no nanao izany zavatra izany? Ary rehefa nifanontany sy nifamaly izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany. 30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao lahy mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany. 31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Hianareo va no handahatra ho an'i Bala? Hanavotra azy va ianareo? Izay handahatra ho azy dia aoka hovonoina, raha mbola maraina ny andro; raha andriamanitra izy, dia aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany. 32 Koa tamin'izany andro izany dia nataony hoe Jerobala* izy, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria efa noravany ny alitarany. 33 Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny lohasahan'i Jezirela. 34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy; ary nivory nanaraka azy ny Abiezera.
2
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
35 Ary naniraka olona tany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra hitsena azy ireo ireo. 36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, 37 Indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry ity, ka raha ny volon'ondry ihany no misy ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao. 38 Ary dia tanteraka izany; fa nifoha maraina koa izy ka notereny ny volon'ondry, ary nofiazany ny ando tamin'ny volon'ondry, dia rano iray vilia feno rano. 39 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; masìna ianao, avelao aho hizaha toetra amin'ny volon'ondry izao indray mandeha monja: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia nisy ando.
Mpitsara 7 1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (na Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharanon'i Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa dia teo avaratra, teo anilan'ny havoana More, teo an-dohasaha. 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny olona eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. 3 Koa ankehitriny, andeha miantsoa eo anatrehan'ny olona hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo amby roa alina, fa ny iray alina kosa sisa. 4 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro loatra ny olona; koa ampidino ho eo amoron-drano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Ity no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay holazaiko aminao hoe: Ity no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao. 5 Dia nentin'i Gideona nidina ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny alika dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika hisotro koa dia atokàny. 6 Ary telon-jato lahy no isan'izay nilelaka rano ka nanampina ny tànany tamin'ny vavany; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy. 8 Dia nitondra vatsy sy trompetra teny an-tànany ny olona; ary ny Isiraely sisa rehetra dia nalefany ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha. 9 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby; fa efa natolotro eo an-tananao io. 10 Fa raha matahotra ny hidina ianao, dia midina miaraka amin'i Pora mpanomponao ho any an-toby; 11 Dia ho renao izay lazain'izy ireo, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinana any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora mpanompony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby. 12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny amin'ny lohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika amorondranomasina ny hamarony.
3
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nitantara nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Indro, nanonofy aho, ary, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia nankeo amin'ny tobin'ny Midiana ka nankao amin'ny lay iray, dia namely azy ka nianjera sy navadika ka nampivadika azy, dia nipetraka teo ny lay. 14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa ity, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, ihany: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra. 15 Ary rehefa ren'i Gideona ny fitantarana ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana. 16 Dia nozarainy ho telo toko ny telonjato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny antànany mbamin'ny siny foana sy ny jiro tao anatin'ny siny. 17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataonareo; ary, indro, raha tonga eo amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba hataonareo koa. 18 Raha mitsoka trompetra izaho sy izay rehetra miaraka amiko, dia mba tsofy koa ny trompetra manodidina ny toby rehetra, ka miantsoa hoe: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona! 19 Dia tonga teo amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao napetrany ny fiambenana, dia nitsoka ny anjomara izy sady namaky ny siny teny an-tànany. 20 Dia nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny jiro teny antànany havia ary ny anjomara teny an-tànany havanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona! 21 Dia nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka nikiakiaka sady nandositra. 22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah ny sabatra ny miaramila rehetra eran'ny toby; dia nandositra hatrany Beti-sita any Zererata sy hatrany amin'ny faritanin'i Abela-mehola akaikin'i Tabata ny miaramila. 23 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. 24 Ary Gideona naniraka olona tany amin'ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hiady amin'ny Midiana, ka vonjeo eo alohany ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka vonjeo ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. 25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy tamin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba; ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazamboalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy ka nitondra ny lohan'i Oreba sy Zeba tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
Mpitsara 8 1 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima taminy: Nahoana no nanao izao zavatra izao taminay ianao ka tsy niantso anay, raha nandeha niady tamin'ny Midianita ianao? Dia nila ady taminy mafy ireo. 2 Dia hoy izy taminy: Inona no nataoko raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara kokoa va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera? 3 Efa natolotr’Andriamanitra teo an-tananareo ireo andrianan’ny Midiana, dia i Oreba sy i Zeba; ary inona no azoko atao raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nihena ny fahatezeran’ireo taminy rehefa avy nilaza izany izy. 4 Ary Gideona tonga teo Jordana, dia nita izy sy ny telon-jato lahy izay teo aminy, na dia reraka aza, mbola nanenjika azy ihany. 5 Ary hoy izy tamin'ny lehilahy tao Sokota: Masìna ianareo, omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
4
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
6 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa eo an-tananao va ankehitriny i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilanao? 7 Dia hoy Gideona: Koa rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zebaha sy Zalmona, dia hotapahiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny voaroy ny nofonareo. 8 Dia niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, ary nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela kosa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany. 9 Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela koa izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity. 10 Ary Zebaha sy Zalmona dia tao Karkora mbamin'ny miaramilany teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; fa maty kosa ny lehilahy mpitan-tsabatra iray hetsy sy roa alina. 11 Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noba sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola tsy nino ny olona ny toby. 12 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjakan'i Midiana roa lahy, dia Zebaha sy Zalmona, ary dia nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. 13 Ary niverina avy tany an'ady Gideona, zanak'i Joasy, raha mbola tsy niposaka ny masoandro, 14 Ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo taminy ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, fito amby fitopolo lahy izy. 15 Dia nankany amin'ny lehilahy tao Sokota Gideona ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa eo an-tananao va izao ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao reraka? 16 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no nampiasainy namaizana ny mponina tao Sokota. 17 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna. 18 Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona moa ireo novonoinareo tao Tabara? Dia hoy izy ireo: Tahaka anao ihany izy ireo; samy nitovy tamin'ny zanaky ny mpanjaka izy rehetra. 19 Ary hoy izy: Rahalahiko ireo, zanaky ny reniko; raha velona koa Jehovah, raha novelominareo ireo, dia tsy mba hovonoiko ianareo. 20 Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo; fa natahotra izy, satria mbola tanora. 21 Dia hoy i Zebaha sy Zalmona: “Mitsangàna ianao, ka vonoy izahay, fa araka ny toetran’ny olona ihany no heriny.” Dia nitsangana i Gideona ka namono an’i Zebaha sy Zalmona, ary nesoriny ny firavaka teny am-bodimbony. 22 Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Aoka ianao no hanapaka anay, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa ianao no namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana. 23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. 24 Ary hoy Gideona taminy: Zavatra iray loha no angatahiko aminareo: mba samy hanome ahy ny kavina avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavina volamena ireny, satria Isimaelita). 25 Dia namaly izy ireo hoe: Eny, homenay an-tsitrapo izany. Dia namelatra lamba izy ireo, ka samy nanipy ny kavina izay azony tamin'ny babony teo. 26 Ary ny lanjan'ny kavina volamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sy ny vozon'akanjo sy ny lamba volomparasy izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana ary ny rojo izay teny amin'ny vozon'ny ramevany. 27 Dia nanao efoda avy tamin'izany Gideona ka napetrany tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary izany zavatra izany dia tonga fandrika ho an'i Gideona sy ny ankohonany. 28 Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nanandratra ny lohany intsony izy; dia nandry fahizay ny tany efa-polo taona tamin'ny andron'i Gideona. 29 Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nonina tao an-tranony.
5
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
30 Ary Gideona nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany; fa maro vady izy. 31 Ary ny vaditsindranony izay tany Sekema koa dia niteraka zazalahy taminy, ary ny anarany nataony hoe Abimeleka. 32 Dia maty Gideona, zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy. 33 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny. 34 Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina, 35 sady tsy naneho hatsaram-panahy tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona) araka ny soa rehetra izay efa nasehon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.
Fizarana isaky ny andininy Ny tantaran'i Gideona ao amin'ny Mpitsara toko faha-6 ka hatramin'ny faha-8 dia iray amin'ireo fitantarana mahavariana indrindra ao amin'ny Baiboly. Mitantara ny tsingerin'ny fikomiana sy ny fampahoriana teo amin'ny firenena iray izy io, ny antso tsy sazoka sy feno tahotra avy amin'ny maherifo tsy nampoizina, ny fandresena ara-tafika mahagaga azo tamin'ny lehilahy 300 monja, ary ny vokatra sarotra azo avy amin'ny fahombiazana.
Toko 6: Ny Fampahoriana, ny Antso ary ny Fiomanana Andininy 1–6 (Ny fampahorian'ny Midianita): Satria nanao izay ratsy teo imason'i Jehovah ny Isiraely, dia natolotr'Andriamanitra ho eo an-tànan'ny Midianita nandritra ny fito taona izy. Ny Midianita sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana dia nandrava ny tany, nandringana ny voly sy ny biby fiompy, ka nanery ny Isiraelita hiafina tao anaty lava-bato sy lava-bato ary tendrombohitra. Andininy 7–10 (Ny Fananaran'ny Mpaminany): Rehefa nitaraina tamin'i Jehovah ny Isiraely noho ny Midianita, dia naniraka mpaminany Andriamanitra mba hampahatsiahy azy ireo ny fahasoavany—ny fomba nitondrany azy ireo nivoaka avy tany Egypta sy ny nandidiany azy ireo mba tsy hatahotra ny andriamanitry ny Amorita—nefa tsy nihaino ny feony izy ireo. Andininy 11–16 (Niseho ny Anjelin'i Jehovah): Dia tonga ny Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita. Gideona zanany lahy dia nively vary teo akaikin'ny famiazam-boaloboka mba hanafenana izany amin'ny Midiana. Nanambara ilay Anjely hoe: "Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery fo." Nanontany izany i Gideona, nanondro ny fahantran'ny Isiraely sy ny maha-ambany azy tao amin'ny ankohonan-drainy. Nanome toky azy ny Tompo hoe: "Ho momba anao tokoa Aho." Andininy 17–24 (Ny Famantarana ny Fanekena): Nangataka famantarana i Gideona mba hanaporofoana fa Andriamanitra marina no miteny, izay nanomana hena sy mofo tsy misy masirasira. Rehefa nokasihin'ilay Anjely tamin'ny tehiny ny fanatitra, dia nisy afo nivoaka avy tao amin'ny vatolampy ka nandevona azy, ary nanjavona ilay Anjely. Rehefa fantatr'i Gideona hoe iza izany, dia natahotra ny amin'ny ainy izy, saingy hoy ny Tompo taminy: "Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory." Nanorina alitara teo i Gideona, izay nantsoina hoe Jehovah-shalom (Ny Tompo dia Fiadanana).
6
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
Andininy 25–32 (Fandravana ny Alitaran'i Bala): Tamin'io alina io ihany, Andriamanitra dia nilaza tamin'i Gideona mba haka ny ombilahy faharoa an-drainy ary handrava ny alitaran'ny rainy ho an'i Bala, ka hikapa ny Aseraha (Aseraha) eo anilany. Nanao izany tamin'ny alina niaraka tamin'ny mpanompony folo i Gideona noho ny tahotra ny fianakaviany sy ny lehilahy tao an-tanàna. Rehefa hita ny ampitso maraina, dia nangataka ny hamonoana azy ny mponina tao an-tanàna, saingy niaro azy i Joasy hoe: "Hiaro an'i Bala ve ianareo?... aoka izy hiaro ny tenany." Noho izany, dia nomena anarana hoe Jerobala i Gideona ("Aoka i Bala hiaro azy"). Andininy 33–35 (Ny Fanahin'Andriamanitra no Manome Hery an'i Gideona): Nivory ny Midianita sy ny Amalekita ka nitoby teo amin'ny lohasahan'i Jezirela. "Ny Fanahin'i Jehovah tonga tamin'i Gideona" (ara-bakiteny dia nampitafy azy), dia nitsoka trompetra izy, ka nanangona ny fokon'ny Abiezera sy Asera sy Zebolona ary Naftaly hanaraka azy. Andininy 36–40 (Ny Famantarana ny Volon'ondry): Mbola nitady toky i Gideona ka nangataka famantarana tamin'Andriamanitra tamin'ny fampiasana volon'ondry. Voalohany, nangataka ando teo amin'ny volon'ondry ihany izy raha mbola maina ny tany; nomen'Andriamanitra izany. Avy eo, nangataka izy mba ho maina ny volon'ondry raha mbola misy ando ny tany; izany koa no nataon'Andriamanitra.
Toko 7: Ny Tafika Nihena sy ny Fandresena an'i Midiana Andininy 1–3 (Fampihenana ny Tafika): Jerobala (Gideona) sy ny tafiny dia nitoby teo akaikin'ny loharanon'i Haroda, raha ny Midianita kosa tany avaratra. Nilaza tamin'i Gideona Andriamanitra fa maro loatra ny olona , sao dia hihambo ho ambony noho Andriamanitra ny Israely. Nasain'Andriamanitra nanambara i Gideona fa izay rehetra matahotra dia afaka miala. Lehilahy 22 000 no lasa , ka 10 000 no navelany. Andininy 4–8 (Ny Fitsapana ny Rano): Nilaza Andriamanitra fa mbola maro loatra izy ireo. Nasainy nampidina azy ireo tany amin'ny rano Izy, izay hanasarahany azy ireo. Ireo izay nilelaka rano tamin'ny lelany toy ny alika (300 lahy) dia natokana. Ireo izay nandohalika hisotro dia nalefa nody. Rehefa 300 lahy monja no niaraka taminy, dia nampanantena Andriamanitra fa hanolotra an'i Midiana eo an-tanan'i Gideona. Andininy 9–15 (Ny Nofin'ny Midianita): Tamin'io alina io, Andriamanitra dia nilaza tamin'i Gideona mba hidina ho any amin'ny tobin'ny fahavalo satria efa natolony teo an-tànany izany. Niaraka tamin'i Pora mpanompony, Gideona dia nandre miaramila Midianita iray nitantara nofy tamin'ny namany momba ny mofo vary hordea nikodiadia nankao amin'ny tobin'ny Midianita, ka namely lay iray ka nianjera. Ny miaramila iray hafa dia nanazava izany hoe: "Tsy zavatra hafa ity fa ny sabatr'i Gideona... fa efa natolotry ny Andriamanitra teo an-tànany ny Midianita." Nivavaka tamin'Andriamanitra i Gideona ary niverina tany amin'ny olony tamim-pahatokiana. Andininy 16–22 (Ny Tetikadin'ny Jiro sy ny Siny): Nozarain'i Gideona ho telo toko ny lehilahy 300. Samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray tao anatin'ny siny avy izy ireo . Nanodidina ny toby tamin'ny alina izy ireo, nitsoka ny trompetra, namaky ny siny, nitazona ny fanilo teny an-tanany havia ary ny trompetra teny an-tanany havanana, ary niantsoantso hoe: "Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona." Nihorohoro ny tobin'ny Midiana, ary napetrak'i Jehovah hifamely sabatra ny lehilahy rehetra eran'ny toby. Andininy 23–25 (Ny Fanenjehana): Nanenjika ny Midianita nandositra ny lehilahy avy tamin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy Asera ary Manase. Naniraka iraka namakivaky ny Tendrombohitra
7
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
Efraima i Gideona mba haka ny rano eo anoloany any Beti-bara sy Jordana, ka nisambotra sy namono andriana Midianita roa, Oreba sy Zeba , izay nentin'izy ireo niverina tany amin'i Gideona ny lohany.
Toko 8: Ny fanenjehana, ny fifandirana, ary ny vokany Andininy 1–3 (Fanapahan-kevitra ara-diplaomatika tamin'i Efraima): Nitaraina mafy ny lehilahy tao Efraima fa tsy nantsoina hiady izy ireo taloha. Namaly tamim-panetren-tena sy fahaizamandanjalanja i Gideona hoe: "Inona no nataoko raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara kokoa ve ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?" Ny valinteniny malefaka dia nampitony ny fahatezeran'izy ireo. Andininy 4–9 (Fandavana tao Sokota sy Penoela): Niampita ny reniranon'i Jordana i Gideona sy ireo lehilahy 300 reraka nanenjika mafy an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana sisa tavela. Nangataka mofo tamin'ny loholon'i Sokota sy Penoela izy ireo mba hamahanana ireo miaramila reraka, saingy naneso an'i Gideona ireo mpitarika ary nandà, nilaza fa mbola tsy nisambotra ireo mpanjaka izy ireo. Nampitandrina azy ireo i Gideona fa hiverina izy hanasazy azy ireo amin'ny tsilo sy voaroy. Andininy 10–17 (Famaizana sy Fambaboana): Gaga i Gideona tamin'ny tafika Midianita sisa tavela ary nisambotra an'i Zebaha sy Zalmona mpanjaka . Rehefa niverina izy dia nanafay ny loholon'i Sokota tamin'ny tsilo sy voaroy tany an'efitra, ary nandrava ny tilikambo tao Penoela izy ary namono ny lehilahy tao an-tanàna. Andininy 18–21 (Ny Lozan'ny Mpanjaka): Nanontany an'i Zebaha sy Zalmona i Gideona hoe karazana lehilahy inona no novonoiny tao Tabara, ary hitany fa rahalahiny ihany ireo. Nandidy an'i Jatera zanany lahimatoa izy mba hamono azy ireo, saingy natahotra ilay zazalahy satria mbola kely izy. Avy eo dia nangataka an'i Gideona ireo mpanjaka roa mba hamono azy ireo, ary novonoin'i Gideona izy ireo sady nalainy ny firavaka volana teny am-bodimbolin'ny ramevany. Andininy 22–27 (Ny Efoda Volamena sy ny Fialan'ny Isiraely): Niezaka ny hanao an'i Gideona sy ny taranany ho mpitondra mpandova ny Isiraely, saingy nandà mafy i Gideona ary nilaza hoe: "Jehovah no hanapaka anareo." Na izany aza, nangataka i Gideona: mba samy hanome azy kavina avy amin'ny babony avy ny lehilahy rehetra. Nanangona sekely volamena 1.755 izy ary nanao efoda , ary nametraka izany tao Ofra tanànany. Indrisy anefa fa nijangajanga nanaraka izany tao ny Isiraely rehetra , ary tonga fandrika ho an'i Gideona sy ny ankohonany izany. Andininy 28–35 (Ny nahafatesan'i Gideona sy ny fanadinoan'ny Isiraely): Resy i Midiana, ary nandry fahizay nandritra ny 40 taona ny tany nandritra ny androm-piainan'i Gideona. Maty rehefa antitra tsara i Gideona ary nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy. Taorian'ny nahafatesany avy hatrany dia niverina tamin'ny fijangajangana ara-panahy indray ny Isiraelita, nivavaka tamin'i Balaberita ary tsy naneho hatsaram-panahy tamin'ny taranak'i Jerobala (Gideona) noho ny soa rehetra nataony.
Lesona fototra avy amin'ny tantaran'i Gideona Mampiasa ny tsy azo inoana sy ny osa Andriamanitra: Nanomboka niafina noho ny tahotra i Gideona ary nihevitra ny fianakaviany ho osa indrindra tamin'ny Manase. Ninia nampihena ny tafiny
8
Gideona, Lehilahy Mahery Fo
ho 300 Andriamanitra, avy amin'ny 32 000 ka hatramin'ny 32000, mba hanaporofoana fa ny fandresena dia avy amin'ny herin'Andriamanitra, fa tsy avy amin'ny herin'olombelona. Faharetana amin'ny Fisalasalan'ny Olombelona: Novalian'Andriamanitra tamin'ny faharetana sy fahasoavana tsy mampino ireo tsy fahatokisan-tena lalina nananan'i Gideona sy ny fangatahan'izy ireo famantarana (ny afo sy ny volon'ondry), ka nampiorina moramora ny finoany tsikelikely. Ny Fitarihana Marina dia Mitaky Fanetren-tena: Nahomby tamin'ny fitantanana ny politika marefo ara-poko i Gideona (nampitony ny Efraimita) ary nandà mafy ny fahefan'ny mpanjaka, niaiky fa Andriamanitra irery ihany no tokony hitondra ny Isiraely. Ny Loza ateraky ny Fifanarahana amin'ny Fahombiazana: Na dia teo aza ny fandreseny mahatalanjona, ny namoronan'i Gideona ny efoda volamena dia lasa fandrika ara-panahy (fanompoan-tsampy) ho an'ny fianakaviany sy ny fireneny, izay manaporofo fa ilaina ny fahamailoana ara-panahy na dia aorian'ny fandresena lehibe aza - ary indrindra indrindra - aorian'ny fandresena lehibe.
9