Skip to main content

Malagasy - Biblical Polygamy

Page 1

Fananana vady maro araka ny Baiboly Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny iray dia Ada, ary ny anaran'ny iray kosa Zila. Genesisy 4:19 Raha maka vady hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny adidiny amin'ny fanambadiana. Ary raha tsy hataony aminy izany telo lahy izany, dia hiala ho afaka tsy handoa vola izy. Eksodosy 21:10-11 Raha misy lehilahy manam-bady roa, ny iray tiany, ary ny iray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza ho azy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary raha ny lahimatoa no an'ilay tsy tiany, dia amin'ny andro handovany ny fananany ho an'ny zanany lahy, dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak'ilay tiany, raha tsy eo aloha ny zanak'ilay tsy tiany, izay tena lahimatoa tokoa; fa ny zanak'ilay tsy tiany no hekeny ho lahimatoa ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa izy no voalohan'ny heriny; azy ny zo lahimatoa. Deoteronomia 21:15-17 Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty ny iray amin'izy ireo ka tsy manan-janaka, dia tsy mahazo manambady olon-kafa any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny no aoka hanambady azy ka hitondra ny andraikitry ny rahalahin'ny vadiny aminy. Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ny rahalahiny izay efa maty, mba tsy ho faty eo amin'ny Isiraely ny anarany. Ary raha tsy mety mitondra ny vadin'ny rahalahiny ralehilahy, dia aoka hiakatra eo ambavahady ny vadin'ny rahalahiny ho any amin'ny loholona ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny anaran'ny rahalahiny eo amin'ny Isiraely, eny, tsy mety mitondra ny andraikitry ny rahalahin'ny vadiko izy. Dia hiantso azy ny loholona amin'ny tanànany ka hiteny aminy; ary raha tsy manaiky izy ka manao hoe: Tsy tiako ny hitondra azy, dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin'ny rahalahiny ka hanala ny kirarony amin'ny tongony dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Izany no hatao amin'izay lehilahy tsy mety manorina ny tranon'ny rahalahiny. Ary ny anarany dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'izay nalan-kiraro. Deoteronomia 25:5-10

1


Fananana vady maro araka ny Baiboly

Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, mba hanesoranay tondromaso. Isaia 4:1

ABRAHAMA Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: Saray no anaran'ny vadin'i Abrama; ary Milka no anaran'ny vadin'i Nahora, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska. Genesisy 11:29 Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy niteraka; ary nanana mpanompovavy Egyptiana izy, Hagara no anarany. Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; koa masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia nihaino ny tenin'i Saray Abrama. Ary rehefa nonina folo taona tany amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny ho vadiny. Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa nanan'anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. Genesisy 16:1-4 Ary Abrahama naka vady indray, Ketora no anarany. Ary izy niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha taminy. Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora. Dia nomen'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany. Fa ny zanakalahin'ny vaditsindranony izay nananan'i Abrahama dia nomen'i Abrahama fanomezana ka nampandehaniny hiala amin'i Isaka zanany lahy tany atsinanana ho any amin'ny tany atsinanana. Genesisy 25:1-6

ESAO Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, ho vadiny izy. Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireo. Genesisy 26:34-35 Dia lasa Esao nankany amin'i Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Isimaela, zanakalahin'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany. Genesisy 28:9 Ary izao no taranak'i Esao, izay atao hoe Edoma: Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanakavavin'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita, Ary Basemata, zanakavavin'i Isimaela sady anabavin'i Nebaiota. Genesisy 36:1-3

JAKOBA Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Omeo ahy ny vadiko, fa efa tapitra ny fe-potoanako mba hanambadiako azy. Ary Labana namory ny tompon-tany rehetra ka nanao fanasana. Ary nony hariva dia nalain'i Labana i Lea zananivavy ka nentiny ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba. Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny ho mpanompovaviny. Ary nony maraina, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Inona izao nataonao tamiko izao? Tsy Rahely va no nanompoako anao? Koa nahoana ianao no namitaka ahy? Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny. Tanteraho ny herinandrony, dia homenay anao koa ity noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray. Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomeny azy koa Rahely zananivavy ho 2


Fananana vady maro araka ny Baiboly

vadiny. Ary nomen'i Labana an'i Rahely zananivavy Bila ankizivaviny ho mpanompovaviny. Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary tiany mihoatra noho Lea izy Rahely; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy. Genesisy 29:21-30 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany dia ho faty. Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho? Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy. Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy. Genesisy 30:1-4 Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsahatra tsy niteraka izy, dia nalainy i Zilpa ankizivaviny ka nomeny an'i Jakoba ho vadiny. Genesisy 30:9

GIDEONA Ary Gideona nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany; fa maro vady izy. Ary ny vaditsindranony izay tany Sekema koa dia niteraka zazalahy taminy, izay nataony hoe Abimeleka. Mpitsara 8:30-31

Jaïra Ary nitsangana nandimby azy Jaira, Gileadita, ka nitsara ny Isiraely roa amby roapolo taona. Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada izy ireo, izay atao hoe Havota-jaira mandraka androany. Mpitsara 10:3-4

Ibzana Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. Ary nanan-janakalahy telopolo sy zazavavy telo-polo izy, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nalainy ho an'ny zananilahy. Dia nitsara ny Isiraely fito taona izy. Mpitsara 12:8-9

Abdona Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratonita, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zana-drahalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy; ary nitsara ny Isiraely valo taona izy. Mpitsara 12:13-14

Elkana Ary nisy lehilahy iray avy any Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany, zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa, Efraimita Ary nanambady roa izy, Hana no anaran'ny vadiny iray, ary Penina no anaran'ny iray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanan-janaka. Ary ralehilahy io niakatra isan-taona avy tao an-tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao koa izy roa lahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah. Ary rehefa tonga ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra, dia nomeny anjara iray ho an'i Penina vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy rehetra. Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria tiany izy, nefa Jehovah efa nanidy ny kibony. Ary ny rafiny koa nanorisory azy mafy mba hampalahelo azy satria Jehovah efa nanidy 3


Fananana vady maro araka ny Baiboly

ny kibony. Ary izany no nataon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisorenan'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. Dia hoy Elkana vadiny taminy: Ry Hana, nahoana ianao no mitomany? ary nahoana no tsy mihinana ianao? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy tsara kokoa aminao noho ny zanaka folo mirahalahy va aho? 1 Samoela 1:1-8

Saoly Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza … 1 Samoela 14:50 Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia… 2 Samoela 3:7

Davida Dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roanjato, lahy ary Davida nitondra ny hodiny ka nanome azy ny isa rehetra teo anatrehan'ny mpanjaka mba ho vinanton'ny mpanjaka izy. Dia nomen'i Saoly ho vadiny Mikala zanany vavy. 1 Samoela 18:27 Dia nitsangana faingana Abigaila ka nitaingina boriky, ary ny ankizivavy dimy nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny. Davida koa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela; ary samy vadiny avokoa izy roa vavy. 1 Samoela 25:42-43 Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany; ary Kileaba, tamin'i Abigaila, vadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; ary Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra; ary Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; ary Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida, no fahenina. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona. 2 Samoela 3:2-5 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely sady nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony. Ary Davida naka vaditsindrano sy vady hafa koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary nisy zazalahy sy zazavavy koa teraka ho an'i Davida. 2 Samoela 5:12-13 Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny vadiny, dia nisaona ny vadiny izy. Ary rehefa afaka ny fisaonana, dia naniraka haka azy ho any an-tranony Davida, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah ny zavatra nataon'i Davida. 2 Samoela 11:26-27 Ary hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy lehilahy izany. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely sady namonjy anao tamin'ny tànan'i Saoly; ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho eo antratranao, ary nomeko anao koa ny taranak'Isiraely sy Joda; ary raha kely loatra izany, dia ho nomeko anao koa izao sy izao zavatra izao. Koa nahoana ianao no nanamavo ny didin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Efa namono an'i Oria Hetita tamin'ny sabatra ianao, ary efa nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy. 2 Samoela 12:7-9 Dia nivoaka ny mpanjaka ka nanaraka azy ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela vehivavy folo lahy izay vaditsindrano hiandry trano. 2 Samoela 15:16 Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny

4


Fananana vady maro araka ny Baiboly

fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia voahidy mandra-pahafatiny izy ka velona mpitondratena. 2 Samoela 20:3

SOLOMONA Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy hafa firenena maro, ankoatra ny zanakavavin'i Farao, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita, Avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy kosa tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy ireo, ka dia niraikipo tamin'ireo Solomona. Ary nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telon-jato izy, ka ireo vadiny ireo no nampivily ny fony. Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy. Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita. Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba nanaraka an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra tahaka an'i Davida rainy. Ary tamin'izany Solomona dia nanorina fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. Ary toy izany koa no nataony ho an'ny vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny. Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany mba tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy. 1 Mpanjaka 11:1-10

Rehoboama Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny, izay niterahany zaza taminy, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama. Ary manarakaraka io dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy. Ary Rehoboama tia an'i Maka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). 2 Tantara 11:18-21

Abia Fa Abia kosa nitombo hery, ary nanambady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina ambin'ny folo. 2 Tantara 13:21

AHABA Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra; ary nisy mpanjaka roa amby telopolo niaraka taminy mbamin'ny soavaly sy ny kalesy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samaria ary niady taminy. Ary naniraka olona ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ho any an-tanàna izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao; ary ahy koa ny vadinao sy ny zanakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza. Dia namaly ny mpanjakan'ny Isiraely ka nanao hoe: Tompokolahy ô, anao aho sy izay rehetra ananako araka ny teninao. Dia niverina ny iraka ka nanao hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Na dia naniraka tany aminao aza aho hanao hoe: Omeo ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao sy ny

5


Fananana vady maro araka ny Baiboly

zanakao, dia haniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao rahampitso toy izao aho, ary hosavany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao; ary izay rehetra mahafinaritra ny masonao dia horaisin'izy ireo sy ho entiny. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mitady hanisy ratsy ity lehilahy ity; fa naniraka taty amiko izy haka ny vadiko aman-janako sy ny volafotsiko ary ny volamenako, ka tsy nandà azy aho. Dia hoy ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino azy na manaiky azy. 1 Mpanjaka 20:1-8 Ary Ahaba nanana zanaka fitopolo lahy tany Samaria… 2 Mpanjaka 10:1

Joasy Fito taona i Joasy fony vao nanjaka, ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Zibia avy any Beri-sheba no anaran-dreniny. Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona. Ary Joiada naka vady roa ho azy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 2 Tantara 24:1-3

6


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - Biblical Polygamy by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu