Airs storekeepers pocket guide malagasy

Page 1

Boky kely ho an'ny Mpiandraikitra magazay ho an'ny AIRS IRSď€

Fandaharanasan'ny Filoha hiadiana amin'ny tazomokaď€ Aogositra 2013 Natonta ho an’ny Birao Amerikana miandraikitra ny Fampandrosoana Iraisampirenena ity boky kely ity mba hozahany sy hotombanany. Allan Were no nanomana azy.


Tolo-kevitra ho an’ny ampahan-dahatsoratra: Were, Allan, Boky kely ho an'ny Mpiandraikitra magazay ho an'ny AIRS IRS. Bethesda, MD: Tetikasa famafazana fanafody isantokatrano aty Afrika, Fandaharanasan'ny Filoha hiadiana amin'ny tazomoka, Aogositra 2013. Fifanarahana Lah.: GHN-1-00-09-00013-00 Fanafarana entana Lah.: AID-OAA-TO-11-00039

FAMARITANA NY ANDRAIKITRA Ny hevitry ny mpanoratra voalaza ato amin’ity boky kely ity dia tsy voatery hifanitsy amin’ny an’ny Birao Amerikana miandraikitra ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena na amin’ny an’ny Fitondrana Amerikana.

Abt Associates Inc. 14550 Montgomery Avenue1Suite 800 North 1Bethesda, Maryland208141T. 301.347.50001F. 301.913.9061 1 www.abtassociates.com

ii


Fizahan-takila 1.

Fandraisana ny fitaovana IRS ..................................................1

2.

Fitehirizana ny Fitaovana IRS ..................................................2

3.

Fomba fampirimana Fitaovana maloto sy Vetim-pako ..........4

4.

Fiarovana ny Fitaovana IRS .....................................................5

5.

Famoahana Fitaovana IRS .......................................................6

6.

Boky firaketan’ny magazay .....................................................7

7.

Firaketana an-tsoratra sy fandrindrana ny mari-pàna ao amin’ny magazay ....................................................................8

8.

Fiarovana isam-batan’olona....................................................9

9.

Zavatra tokony ho hita ao amin’ny Fitaovana vonjy aina.....10

10.

Ireo F 3 hifehezana ranoka raraka.........................................11

11.

Vonjy aina ..............................................................................12

12.

Famaranana ny hetsika famafazana fanafody ......................13

13.

Santionany amin’ny Fanamarinana ny nandraisana entana (GRN) .....................................................................................14

14.

Santionan’ny Taratasin’ny entana mipirina ..........................15

15.

Santionan’ny Taratasy firaketana ny mari-pàna ...................15

16.

Santionan’ny Taratasy ho an’ny fitsinjarana isan’andro ......16

17.

Santionan’ny Taratasy fanarahana ny Fanafody famonoana bibikely ..................................................................................18



1. Fandraisana ny fitaovana IRS 

Alohan’ny hahatongavan’ireo fitaovana any amin’ny magazay, dia vakio tsara ilay Taratasin’ny fandefasana/fanaterana entana hanamarinanao hoe inona avy no andrasana ho tonga.

Araho maso ny fampidinana ny fitaovana avy amin’ ilay fiara.

Tandremo tsara sao ratsy fikirakira ny fitaovana rehetra rehefa mampidina azy avy ao anaty fiara.

Atokany hiala amin’izay fitaovana na entana mbola tsara izay misy fahasimbana, oh: sarahina ny baoritra boba-drano sy ny maina tsara.

Raketo an-tsoratra izay fitaovana misy fahasimbana rehetra.

Raketo an-tsoratra izay zavatra hafa rehetra tsy mifanaraka amin’ny voalaza momba ilay fitaovana voaray.

Ampitahao izay voaisanao sy izay voalaza ao amin’ny faktiora/taratasy mirakitra ny entana naterina.

Raha toa ka mifanandrify ny isa sy ny zavatra hafa, dia soniavo ny antontan-taratasy momba ilay entana (Taratasy fanaterana entana).

Raha toa ka tsy mifanandrify ny isa sy/na zavatra hafa, manaova fanamarihana eo amin’ilay Taratasy fanaterana entana, ka lazao izay tsy mety, dia soniavo.

Mandraisa Fanamarinana ny nandraisana entana (Goods Received Note, GRN) dia omeo dika iray tena izy ny mpamily.

Ampidiro ao amin’ny Boky firaketan’ny magazay izay tsara ho fantatra rehetra.

Ampidiro ao amin’ny Taratasin’ny entana mipirina izay tsara ho fantatra rehetra.

1

Izay fitaovana rehetra niverina avy tany amin’ny toeram-piasana dia tokony horaketina an-tsoratra ao amin’ny Taratasin’ny entana mipirina sy ao amin’ny Boky firaketan’ny magazay.


2. Fitehirizana ny Fitaovana IRS 

Araho ny fitsipika momba ny fihodinan’ny entana mipirina – First In First Out (FIFO) [na hoe: Izay Miditra Voalohany no Mivoaka Voalohany], ho an’ny entana tsy mety lany daty.

Fa ho an’ny fanafody famonoana bibikely, sy izay fitaovana hafa rehetra misy daty ahasimbany kosa (toy ny fitiliana fitondrana vohoka), araho mandrakariva ny politikan’ny First Expiry First Out (FEFO) [na hoe: Izay mety lany daty aloha no mivoaka voalohany].

Diovy isan’nandro ny magazay mba ho azo antoka fa tsy misy vovoka, fako mety mitondra otrik’aretina, na poti-javatra.

Ataovy azo antoka fa tsy misy voalavo, biby fiompy madinika, na bibikely ao amin’ny magazay.

Arovy ny fitaovana rehetra tsy ho voan’ny loto manimba zavatra, hafanàna tafahoatra, tara-masoandro mivantana ary hamandoana.

Ataovy azo antoka fa ampy ny fepetra fiarovana, oh: tsora-by fisakanana ny mpamaky trano, fampitandremana an-tsoratra na ny toa izany, hidin-trano roa sosona, fefy manodidina, mpiambina (24 ora isan’andro, 7 andro isan-kerinandro).

Ny fitaovana rehetra mipirina ao amin’ny magazay dia tsy tokony hikasika amin’ny tany fa ho ambony lampihazo.

Ny fanafody famonoana bibikely dia tsy tokony hihoatra ny 2 metatra ny haavon’ny fampirimana azy.

Rakofy amin’ny sosona polythène izay lavadavaka rehetra amin’ny tany.

Izay mpiasa mahazo alàlana ihany no tokony hahazo hiditra ao amin’ny magazay.

Ataovy azo antoka fa ampy ny jiro manazava ao anatin’ny magazay mba tsy hitrangan-doza ny asa rehetra atao ao.

Ataovy azo antoka fa tsy mihiboka ny magazay ary misosa tsara ny rivotra mandalo ao.

2


Ataovy azo antoka fa mipirina any amin’ny toerana mahatoky saingy mora takarina ao amin’ny magazay ny fitaovana fiadiana amin’ny hain-trano, ary mandeha tsara daholo amin’ny fotoana rehetra.

25º C no mari-pàna ambony indrindra tsara ho an’ny magazay itehirizana IRS.

Fomba ara-dalàna hampirimana fanafody famonoana bibikely.

3


3. Fomba fampirimana Fitaovana maloto sy Vetim-pako 

Ny fonon’ny fanafody famonoana bibikely efa niasa, toy ny harona sy tavoahangy foana, dia anisan’ny fitaovana maloto.

Ny saron-tava sy izay fitaovana fiarovam-batana (PPE) efa niasa ihany koa dia heverina ho fitaovana maloto.

Atokàny tsy hiaraka hatrany ny fitaovana maloto sy ny fitaovana tsy maloto ao amin’ny magazay.

Atokany amin’ny faritra miavaka sy misy marika mazava ao amin’ny magazay ny fitaovana maloto.

Avaho amin’ny venty fitahirizana entana (stock keeping units, SKUs) samihafa ny fako rehetra, oh: aza afangaro ny kiraro fingotra sy ny saron-tànana na ny fonona fanafody famonoana bibikely foana sy ny saron-tava ho an’ny vovoka.

Atambaro tsi-folofolo ny harona foana rehetra, ary avereno any anatin’ny baoritra nisy azy ny tavoahangy avy nisy fanafody famonoana bibikely.

Tokony hivoha hatrany ny taratasin’ny entana mipirina ary havaozina hifanaraka amin’ny fitaovana maloto rehetra voaray ao amin’ny magazay.

Mariho hifanaraka amin’ny fivezivezen’ny fitaovana maloto sy vetim-pako ny Boky firaketan’ny magazay.

Angony avy any amin’ny toerana iasana izay ambin’ny fanafody famonoana bibikely (fanafody famonoana bibikely mifangaro/namboarina) ary ampirimo ao amin’ny magazay mandritra ny alina, dia Ataovy azo antoka fa voazara any amin’ny Mpitarika Ekipa izany ny ampitso maraina be.

4


4. Fiarovana ny Fitaovana IRS 

Ataovy azo antoka fa misy mpiambina ao amin’ny toeram-piasana amin’ny fotoana rehetra.

Ny mpiambina dia tokony hanara-maso ny olona sy fitaovana miditra sy mivoaka ny magazay.

Manara-maso akaiky na manatontosa mivantana ny fanokafana sy fanakatonana ny magazay isan’andro.

Ataovy azo antoka fa misy olona roa samy hafa mihazona ny fanala-hidy samihafa mahavoha ny magazay, izany hoe fanala-hidy mahavoha hidin-trano iray isan’olona.

Ataovy azo antoka fa mihidy tsara amin’ny fotoana rehetra ny magazay rehefa tsy misy mampiasa.

Izay mpiasa mahazo alàlana ihany no mahazo miditra ao amin’ny magazay.

Ataovy azo antoka mipirina any amin’ny Mpandrindra/Mpiandraikitra ny Lojistika ny fanala-hidy hafa rehetra mahavoha ny magazay.

Izay zava-nitranga rehetra nanohintohina ny fiarovana dia tokony hanaovana tatitra an-tsoratra any amin’ny Lehiben’ny toeram-piasana na Mpiandraikitra ny Lojistika ny androtry ny nitrangany, na ao anatin’ny 12 ora, ho an’izay tranga niseho ivelan’ny ora fiasana.

5


5. Famoahana Fitaovana IRS 

Isaky ny misy fitaovana mivoaka, izay mandray izany dia tsy maintsy manamarina ny nandraisany izany ka manasonia ny Taratasy namoahana entana na Taratasy fangatahana entana.

Mariho ny Taratasin’ny entana mipirina sy ny Boky firaketan’ny magazay isaky ny misy fitaovana nivoaka.

Mariho ny Taratasy fanarahana fanafody famonoana bibikely isaky ny misy fanafody famonoana bibikely navoaka.

Mariho ny Taratasy fanarahana ny famafazana fanafody isaky ny misy fanafody famonoana bibikely navoaka.

Taratasy fanarahana tahirin’ny fanafody famonoana bibikely voamarika tsara ara-potoana.

6


6. Boky firaketan’ny magazay 

Mariho isan’andro ny Boky firaketan’ny magazay (ilay kirakirain’ny tànana, fa tsy ilay anaty solosaina).

Mariho ara-potoana ao amin’ny boky firaketana ny entana rehetra miditra sy mivoaka ny magazay.

Izay entana naverina dia tokony haverina horaketina antsoratra ao amin’ny boky indray.

Tokony hifanandrify ny entana sisa ao amin’ny boky firaketana sy ny Taratasin’ny entana mipirina.

Fomba azo ekena fitahirizana ny Fitaovana IRS.

7


7. Firaketana an-tsoratra sy fandrindrana ny mari-pàna ao amin’ny magazay 

Mampiasà thermomètre min/max, dia raketo an-tsoratra an-tànana in-droa isan’andro ny mari-pàna ao anatiny (magazay) itehirizana ny fanafody famonoana bibikely.

Raketo an-tsoratra amin’ny 10 maraina sy 03 tolakandro ny maripàna isan’andro.

25 degrés Celsius no mari-pàna mety indrindra ao anatin’ny magazay.

Raketo an-tsoratra ny mari-pàna ambany indrindra sy ambony indrindra isan’andro.

Ilazao avy hatrany ny Mpiandraikitra/Mpandrindra ny Lojistika raha vao latsaka na mihoatra ny 5 degrés Celsius io 25 degrés Celsius io.

Atolory ny Mpiandraikitra/Mpandrindra ny Lojistika boky niraketana an-tsoratra ny mari-pàna rehefa tapitra ny hetsika famafazana fanafody, na rehefa takiany.

Thermomètres hanaraha-maso ny mari-pàna ao amin’ny magazay IRS .

8


8. Fiarovana isam-batan’olona 

Manaova izay fiarovam-batana (PPE) ilaina hatrany rehefa ao amin’ny magazay.

Voarara ny mihinana na misotro rehefa ao amin’ny magazay.

Tokony haseho ho talaky maso amin’ny fotoana rehetra ny Taratasy momba ny fiarovana ny fitaovana (Material Safety Data Sheet, MSDS) ho an’ny fanafody famonoana bibikely tehirizina ao.

Ataovy azo antoka fa hita ao amin’ny magazay amin’ny fotoana rehetra ireto manaraka ireto: o

Fitaovana vonjy aina feno tsara ary mora takarina

o

Fitaovana famonoana afo, hatramin’ny lapely sy tavy misy fasika

o

Fitaovana fifehezana rano raraka

o

Rano madio ho an’ny loza sy hamaizana mitranga

Magazay IRS.

9


9. Zavatra tokony ho hita ao amin’ny Fitaovana vonjy aina Lah.

Singa

Isany

1

Fnaovana pansement plastika 1” X 3” (50/boaty)

1

2

½” X 5 metatra. Scotch

1

3

Famonosana fery madio 2”

1

4

ABD Pad 5” X 9”

1

5

Vohavoha

1

6

Fanakobanana maso, 4oz.

1

7

Hety misy tahony plastika 4-1/2”

1

8

Fanongotam-bolo (pince à épiler) mahitsy loha 3”

1

9

Tabilaon’ny toromarika ho amin’ny vonjy aina

1

10

Fampangahatsiahana eo no ho eo 4” X 6”

1

11

Famonosana fery telolafy 40” X 40” X 56”

1

12

Saron-tànana latex, roa, lehibe

1

13

Menaka mamono mikiraoba telo sosona 1g, Fonosana lehibe (10/boaty)

1

14

Lambakely fanadiovana fery (6/boaty)

1

15

Fanaronana maso, habe tokana, somary boribory (2/boaty)

1

16

Compresses 3” X 3” (4/boaty)

1

17

Famonosana fery tsy miraikitra 2” X 3” (5/boaty)

1

18

Ampoules ammoniac hofohana (2/boaty)

1

19

Famonosana fery miraikitra, habe samihafa (20/boaty)

1

20

Cortisone fanosotra

1

10


10. Ireo F 3 hifehezana ranoka raraka Fifehezana  Arovy ny tenanao  Tapeno ilay loharano ivoahany  Arovy ny hafa  Aza ialana ilay toerana Fisakanana tsy hiparitaka  Sakano tsy hiparitaka ilay ranoka niraraka  Arovy ny loharano fisotro  Tsihifo ilay ranoka  Sarony izay fitaovana maina Fanadiovana  Raha ranoka fanafody famonoana bibikely no niraraka, fafao amin’ny akora mifoka rano dia ario anaty siny na harona plastika matevina.  Ampio hatrany ny akora mifoka rano mandrapaha-lany ritra ilay ranon-javatra niraraka.  Diovy tsara ilay faritra nirarahan’ny ranon-javatra.  Rehefa avy nanala araka izay tratra ilay ranon-javatra niraraka ianao, dia diovy araka izay tratra ilay faritra nirarahan’ny ranon-javatra.  Aza tifirina rano ilay faritra, raha tsy hoe anaty faritra na toerana mikatona tsy ahafahany miparitaka.  Diovy avokoa ny fitaovana sy ny olona voakasika.

11


11. Vonjy aina Torohevitra ankapobeny Ataovy eny an-tànanao ny fonon’ilay akora, ny taratasy nipetaka taminy na ny Taratasy momba ny fiarovana ny fitaovana rehefa miantso mpamonjy voina na mpitsabo, na rehefa manatona toeram-pitsaboana. Fifohana Afindrao eny amin’ny toerana mahazo rivotra madio ilay niharam-boina. Raha tsy misefo ara-dalàna izy na tsy misefo mihitsy, dia ampio hiverina ny fisefoany. Ampio hahazo aina tsara sy ho afaka miala sasatra ilay marary. Antsoy avy hatrany ny mpitsabo na ny foibe misahana ny voina ateraky ny poizina. Fikasohana amin’ny hoditra Esory avy hatrany izay akanjo nirarahan’ilay akora. Avy hatrany dia sasao amin’ny savony dia tobasy rano be dia be. Raha tsy mitsahatra mangidihidy ny hoditra, miantsoa mpitsabo. Fikasohana amin’ny maso Avy hatrany dia raraho rano, hatrany anatin’ny hodi-maso ihany koa aza, mandritra ny 15 minitra farafahakeliny. Esory ny verre de contact. Mila entina any amin’ny mpitsabo avy hatrany.

12


12. Famaranana ny hetsika famafazana fanafody 

Ataovy azo antoka fa voasasa tsara sy nohamainina avokoa ireo paompy amin’ny andro ifaranan’ny hetsika famafazana fanafody.

Ataovy azo antoka fa miaraka tsiroaroa araka ny habeny ny kiraro fingotra amin’ny fotoana andraisana azy sy amerenana azy any amin’ny magazain’ny distrika/foibe.

Ataovy azo antoka fa miaraka tsiroaroa daholo ny sarontànana ary mitokana ny mbola azo ampiasaina sy ny efa simba, saingy feno tsara ny isany.

Araho maso ny fandefasana sy famatrarana ireo fitaovana rehetra haverina any amin’ny magazain’ny distrika/foibe.

Ataovy azo antoka fa voasasa tsara daholo ireo rakotra polythène fampiasa misesy.

Araho maso ny fanadiovana ny magazay, faritra fitsihan’ny rano sy ny faritry ny magazay.

Soniavo ny taratasy milaza ny tontalin’ny entana voatahiry.

13


13.

Santionany amin’ny Fanamarinana ny nandraisana entana (GRN)

GRN Lah.

Noraisin’i

Voaray tany amin’i:

Anarana Sonia Famaritana Daty

Singa

Taratasy fangatahana/fanaterana Lah.

Venty

Isa nangatahina

Isa voaray Fanamarihana

Nampidirina ao amin’ny tahiry Nirakitra antsoratra

Nanamarina

Anarana

Anarana

Sonia

Sonia

Famaritana

Famaritana

Daty

Daty

14


14. Santionan’ny Taratasin’ny entana mipirina Magazay / Toerana iasana : _________ Famaritana ilay fitaovana: ___________________________________ Venty: _______ Marika avo indrindra: _________________Marika ambany indrindra: _____________(Marika manambara fa tokony hanafatra entana indray) Jereo Daty ny Lah.

Nomena an’i Isany Isany Fahaverezana sy na Voaray Voaray Navoaka Sisa tavela Fanamboarana ny isa tany (+) (–) amin’i

Anarana/ Sonia

Fanamarihana

15. Santionan’ny Taratasy firaketana ny maripàna 15


Andro

Maraina Ora

Voarakitra an-tsoratra Mari-pàna ambony & ambany indrindra (ºC)

Ao anatin’ny fenitra ilaina? (Eny/Tsia)

Rangopohy

Hariva Ora

Voarakitra an-tsoratra Mari-pàna ambony & ambany indrindra (ºC)

Ao anatin’ny fenitra ilaina? (Eny/Tsia)

1

2

3

4

5

6

7

8

9

10

11

12

13

14

15

16

17

16. Santionan’ny Taratasy ho an’ny fitsinjarana isan’andro 16

Rangopohy


17


17. Santionan’ny Taratasy fanarahana ny Fanafody famonoana bibikely Tetikasa AIRS

AIRS Project

Logisan’andro ny Fanafody famonoana bibikely

(serial number) (laharana manokana)

Daily Insecticide Tracking Log Date:

Store keeper:

Daty:

Mpiandraikitra ny magazay: Ambaratonga ambanin’ny firenena: Sub county:

Distrika: District:

A

A

Tahiry Starttamin’ny of fiandohan’ny Day andro niasana

Team Ekipa

Stock

B

Store No.

Magazay Lah.

Toerana Operating Site:iasana:

B

C

C

DD

EE

FF

Tahiry

Tahiry Stock naverina

Harona efa (Empty) niasa (Foana) Sachets naverina

Tahiry New vaovao Stock voaray

Tahiry tamin’ny End of day fiafaran’ny Stock andro niasana

Stock navoaka Issued

Returne d

Used

Returne d

Received

1 2

…………………………

4

Ekipa

………………………… …………………………

3

Tontaliny Total

Sonian’ny

Team LeadernySignature Mpitarika

…………………………

A

D

E

F= A-D+E

Store Keeper’s Sonian’ny Signature Mpiandraikitra ny magazay

…………………………

Fanamrihana: C+D tsy maintsy manome B

18



Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.