Page 1

r

a sc ga a d a M À es un Je es d en si Mouvement Salé

ETRENNE

TAONA FAHA VI, N° 1

Mivoaka in-droa isan-taona

Septembre 2013


Page 2

Namako

TENY FANOKAFANA An-kafaliana indray no hiarabana antsika tanoran’ny Mouvement Salésiens des Jeunes Madagascar (MSJM) rehetra. Tonga eo ampelan-tananao indray ity ny « Namako », izay Gazety entin’ny tanora salezianina rehetra mifandray, mifanabe, mifampizara traikefa ary mifampita vaovao. Isaorana manokana ny tanoran’ny MSJM rehetra izay niaranifarimbona tamin’ny fanantontosana Ity Gazety « Namako » ity. Ampatsiahivina ary isika tanora fa mamaraparana ny taonan’ny finoana isika amin’izao. Araka ny fanentanana nataon’ny Papa Ray Masina dia hifarana ny 24 novambra 2013 ny taonan’ny finoana ka andraikitry ny Diosezy ny manamarika izany amin’ny fomba maro karazana. Nandritra ity taonan’ny finoana ity dia nanentana ny Papa mba hiverina amin’i Jesoa isika; hiaina misimisy kokoa ny finoana ananantsika: raha tsorina dia tokony hamantatra- handalina- hiaina- ary hizara izany finoana ananantsika izany. Namafisina ihany koa mba ho lasa toetra latsa-paka ato anatintsika ireo dingana efatra ireo ka na vita aza ny taonan’ny finoana dia tokony ho tohizintsika foana ny fandalinana sy ny fiainana ny finoana ananantsika. Amin’ny maha salezianina antsika dia efa nanoro làlana iainana izany finoana ananantsika izany i don Bosco dia ny fiainam-panahy dimy ho an’ny tanora. Ny fiainam-panahin’ny andavan’andro: ny mahatsapa fa ao anatiko foana i Jesoa. Ny fiainampanahin’ny hafaliana: ilay hafaliana maharitra izay notovozina tao amin’i Jesoa. Ny fiainam-panahy velomin’ny fifandraisana am-po amin’i Jesoa: fahatsapana fa sarobidy ny miresaka sy mifampizara fiainana amin’i Jesoa. Ny fiainampanahin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana: ny mahatsapa fa tamana aho ao anatin’ny Fiangonana misy ahy. Fiainam-panahin’ny asa fanompoana: hanompo fa tsy ho tompoina no tarigetra nomen’i Jesoa atsika. Ireo fiainam-panahy dimy ireo no tsiambaratelon’ny fahamasinana ho antsika tanora hoy i don Bosco. Ka izany no anentanan’ny lehiben’ny Salezianina azy antsika (Mompera Pascal Chavez) amin’ity taona ity mba ho dinihina sy iainana ary hifampizarana amin’ireo tanora MSJM namana rehetra no sady hanomanantsika ihany koa ny fankalazana ny faha 200 taona ny nahaterahan’ny Don Bosco.

P. Bruno pjd

FIANGONANA  Mandehana ianareo, aza matahotra; manaova asa fanompoana Page 3 Tononkalo:Masina Maria ô! Omeo ahy Page 3

ZON’NY ANKIZY  Fihaonam-ben’ny Ankizy Page 4  Tononkalo: «Mbola zaza aho » Page 4  Fahasalaman’ny zaza Page 4

MAHA SALEZIANINA  ETRENNE 201 Page 5  Ho vavolombeloko mantsy ianareo Page 5

VAOVAON’NY MSJM   

JMJ Rio Page 6

Herinandron’ny MSJPage 7 Taridalana pastoraly Page 7

Misionera nanao FY tany ambanivohitra Page 7

VAOVAOM-PARITRA 

Fankalazana ny Faha-20 taonan’ny Oratorio Fianarantsoa Page 8 

Vaovao Don Bosco Ijely Page 8

Fitokanana ny tranon’ny Eveka (Ambanja) Page 8

KOLON-TSAINA 

Tantaran’ny Olomasina: Victoire RASOAMANARIVO Page 9 Mahasao an! Page 9

  

IPA: olomangan’i Gasikara Page 10 Tononkalo: « Ala-sakana » Page 10 

Fantaro fa … Page 10 

Hatsikana Page 11  Kilalao Page 11


TAONA FAHA VI, N° 1

Page 3

FIANGONANA

“MA

NDEHANA IANAREO, ATAOVY HO MPIANATRO IZAO TONTOLO IZAO”. Io teny io no anambaran’I Jesoa amintsika tsirairay avy manao hoe: “Nahafinaritra tokoa ny nandray anjara tamin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora; ny niaina ny finoana niaraka tamin’ireo vazan-tany efatra; ka ankehitriny kosa ianareo dia tsy maintsy andeha hizara izany andrampiainana izany amin’ny hafa”. Miantso anao ho mpitory ny Vaovao Mahafaly I Jesoa! Inona àry no ambaran’izy Tompo amintsika? Inona no Lazainy amintsika? Teny telo ihany: Mandehana ianareo, aza matahotra, manaova asa fanompoana 1- Mandehana ianareo: Nandritra io fotoana tao Rio io ianareo, dia niaina andram-piainana mahafinaritra tamin’ny fihaonana amin’I Jesoa; Nahatsapa ny hafaliana ao anatin’ny finoana. Izany andram-piainana izany anefa dia tsy tokony hotazominareo ho anareo manokana, na ho an’ny paroasy, na vondrona misy anareo fotsiny ihany. Aoka ho fantatrareo! Fa I Jesoa dia tsy niteny hoe: “ Raha sitrakareo, na, raha mba manana fotoana ianareo”, fa hoy kosa Izy hoe:”Mandehana ianareo, ataovy ho mpianatro ny tany tontolo”. Ny andram-piainan’ny finoana, ny mijoro ho vavolombelon’ny finoana, ny mitory ny Evanjely, ireo no hanirahan’Andriamanitra ny Eglisy ary hanirahany anao koa. Baiko izany, saingy tsy baiko famoretana na tsindry hazo lena fa kosa am-pitiavana, ho fanehoana amintsika fa I Jesoa dia nisafidy ny ho eto anivontsika ary tsy sombinjavatra no nomeny antsika fa ny tenany manontolo. Aiza no hanirahan’I Jesoa antsika? Tsy misy fetrany: maniraka antsika ho amin’ny olon-drehetra Izy. Natao ho an’ny rehetra ny Evanjely. Aza matahotra ny mitondra sy mitory an’I Kristy amin’ny toerana rehetra, hatrany amparavazan-tany; dia amin’ireo izay lavitra sy anjorony indrindra izany. Mitady ny olona rehetra Andriamanitra, tiany hahazo ny hafanan’ny famindram-pony sy ny fitiavany isika rehetra. Mila anareo ny Fiangonana , dia ny hafanam-ponareo, ny fahavitrihanareo ary ny hafaliana izay mampiavaka anareo indrindra. Fantatrareo ve ny fitaovana tsara indrindra entina manampy ny tanora? Tanora ihany! Izay no lalana tokony ho diavinareo. 2- Aza matahotra. Mety misy mihevitra hoe: “Tsy mbola nisy fiomanana manokana nataoko, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahako mandeha mitory ny Evanjely? Ry namako, tsy dia mifanalavitra ny tahotr’I Jeremia io tahotrao io. Niantso azy Andriamanitra fa hoy izy: “Indrisy!, Iaveh Tompo ô, tsy mahay miteny aho fa zaza ” Tahaka ny namalian’Andriamanitra an’I Jeremia ihany koa no havaliny amintsika: “Aza manana tahotra akory fa ianao fa momba anao hamonjy anao Aho”(Jer1,7-8). Miaraka amintsika Izy!

“Aza matahotra!” Rehefa mitory an’I Kristy isika dia tadidio fa miara-dalana amintsika foana Izy. Rehefa naniraka ireo mpianany izy dia nanome toky hoe: “Ary indro aho ho eo aminareo mandrakariva” (Mt 28, 20). Ary ho antsika ihany koa izany, satria I Kristy dia tsy mamela ny olona ho irery fa mitantana antsika hatrany. Manaraka izany, I Jesoa dia tsy niteny hoe “Mandehana” fa “Mandehana ianareo”: midika izany fa voahiraka miaraka isika. Ry tanora malala, omeo lanja ao anatin’izany iraka izany ny fisian’ny Eglizy sy ireo fikambanana masina. Rehefa miara-miatrika izany fanamby izany isika dia manana hery lehibe tsy hay vinaniana. Raha niantso ireo Apostoly I Jesoa dia tsy nataony hisaratsaraka fa kosa mba hivondrona ho iray, ankohonana iray. Mitodika manokana aminareo Pretra izay miara-mankalaza amiko izao Eokaristia izao koa ny tenako: Nitantana sy niara-dia tamin’ireo tanora ianareo, mamy éry ny nifampizara izao andram-piainana ao anatin’ny finoana izao! Mino aho fa namerina ny fahatanoranareo tokoa izany. Mamindra fahatanorana tokoa ny tanora. Miangavy anareo aho mba hitantana lalandava ny tanora an-tsitrampo sy an-kafaliana tanteraka; ampio izy ireo mba handray anjara mavitrika ao amin’ny Fiangonana; aoka tsy hahatsiaro tena ho irery izy. 3- Manaova asa fanompoana! Norenesintsika tamin’ny Salamo teo ny hoe: “Hirao hira vao ny Tompo”(S95,1). Inona izany hira vao izany? Sady tsy tonon -kira izany no tsy feony; fa kosa ny hiran’ny fiainanareo, avelao hifanaraka amin’ny fiainan’I Jesoa ny fiainanareo: ho iray fihetsem-po sy fisainana ary asa Aminy. Ary ny fiainan’I Jesoa dia fiainana ho an’ny hafa, natao ho an’ny hafa ny fiainan’I Jesoa. Fiainana ho an’ny fanompoana izany. Ny mitory ny Evanjely, dia midika ho fametrahana laharam-pahamehana ny fijoroana vavolombelona amin’ny fitiavan’Andriamanitra; fihoarana ny fitiavan -tena; ary fanompoana ny hafa tahaka ny nanasan’I Jesoa ny tongotr’ireo mpianany. Teny telo: Mandehana, Aza matahotra, Manaova asa fanompoana. Raha manaraka ireo teny telo ireo ianareo dia hahatsapa tokoa fa ny izay mitory ny vaovao mahafaly dia mandray izany ihany koa, izay mizara ny hafalian’ny finoana dia mandray mialoha ny tena hafaliana. Ry tanora malala rehefa mody any amin’ny misy anareo tsirairay avy any ianareo dia aza matahotra ny halala -tanana amin’I Kristy sy ny hijoro ho vavolombelon’ny Evanjeliny. Ny mitory ny Evanjely dia midika ho fitoriana ny herin’Andriamanitra mba hamongorana ny ratsy sy ny herisetra; mba hamotehana ny fitiavantena, sy ny tsy rariny ary ny alahelo; mba hamoronana tontolo vaovao. Ry tanora malala: Miandry anareo Jesoa Kristy, miandry anareo ny Fiangonana, miandry anareo ny Papa! Masina Maria, ilay renin’I Jesoa sady renintsika anie hitantana anareo amin’ny fahatsorany: “Mandehana ianareo ary ataovy ho mpianatro izao tontolo izao” Amen Domoina, Ando; Ivato

Masina Maria ô! Omeo ahy Fo mitia sy vaovao Ary hanana fanahy Mahay mitia toa Anao Ka hitia ireo manirery Ireo tsy manana mpijery Fa natao an-kilabao

ô! Omep ahy Masina maria ny anao Fo manahaka nefa sahy a k Tsy masia inika Hiaro ireo mad tasota so oa Dia ireo V va izao da nSy sopara manota ho a Ireo lazain y natao Tamin-java-ts

Masina maria ô! Omeo ahy Fo mahay mampiara-dia Irony halemem-panahy Sy ny herin’ny fitia Ireo no fiadiana roa Teo am-pelatananao Ka atolory ahy koa Handreseko toa Anao Mikael (Mpanabe oratorio FMA) ; Ambanja


Namako

Page 4

ZON’NY ANKIZY FIHAONAM-BEN’NY ANKIZY?

1- Mbola zaza aho Dia lazainao be lalao

Mi

2- Mbola zaza aho

aloha ny fihaonam-be ataon’ny vovonan’ny ankizy rehetra eto Madagasikara ho any Antananarivo amin’ny volana Aogositra 2013 ho avy izao , dia manao fihaonam-be isaky ny faritra ny vovonan’ny ankizy eto amin’ny Diosezin’i Mahajanga. Ny 31 Mey ka hatramin’ny 02 Jiona 2013, ny Faritra vikarian’i Mahajanga ville sy Ambongo dia hihaona any Namakia Ny 13, 14,15 Jiona 2013 indray ny avy any amin’ny Faritra ny vikarian’ Ikopa hihaona amin’ny Betsiboka, ka any Maevatanana no hanaovana ny fihaonana . Ankizy miisa 300 no handeha hamonjy an’io fihaonana any Namakia io, ary Mpanabe 30 eo ho eo no hiara- dia amin’izy ireo any .

Ampahatsiahiviko anao

Dia hoe be taraina foana

4- Mbola zaza aho Ka tsoriko aminao

Ireto avy ireo zavatra hatao amin’izany:

Dia hoe be koretaka hatrany

Ny tanjona tiana ho tratrarina ao anatin’izany dia : Manampy ny ankizy hiaina bebe kokoa ny fifankatiavana sy firaisan-kina, ary hafaliana amin’izy samy ankizy. Mampianatra azy ireo hahalala bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy mampafantatra azy ireo ny anjara toerany eo anivon’ny Fiangonana. Christine Coord FMA; Mahajanga

Dia mipetraka ihany

Ka raha miteny noana

Ny loha- hevi-dehibe hiainana mandritran’io fihaonana ao anatin’ny telo andro io dia, ny hoe: “ANKIZY MINO IRAHINA HITORY NY VAOVAO MAHAFALY “ Fiarahana mivavaka ( Raozery, lalan’ny hazofijaliana) , fiaraha- mikorana, milalao, fifampizarana ny harena sy ny kolontsaina ho an’ny samy ankizy, katesizy izay handalinana bebe kokoa miaraka amin’ny loha- hevitra:”ANKIZY MINO IRAHINA HITORY NY FAHAMARINANA”

Ka na te hanao izany

Fa raha mitomany

6- Mbola zaza aho Raha mba fantatrao Fa raha mba miteny Dia bedy ombieny ombieny

3- Mbola zaza aho Eny, hoy ianao Ka raha mba te hividiananjavatra Dia lazaina be fangataka

5- Mbola zaza aho Dia mangala-pihinana Fa raha olon-dehibe Dia manandra-tsira hoe

7- Mbola zaza aho Ambarako aminao Ka raha sendra olo-maro Dia tsisy mahatsiaro

8- Mbola zaza aho Ka alefa mianatra Dia tsy arahi-maso Fa hoe ampelan-tanan‟ny mpampianatra

9- Mbola zaza aho Nefa ambarako aminao Fa manan‟ireo zo ireo toa anao Domoina; Ivato

Fahasalamanan’ny ZAza : Torolalana sy zavatra azo hatao ho an’ny ankizy mora mandeha ràn’orona Anio kosa dia omena anao, ny tsara ho fantatra mikasika ny ankizy kely no mora mandeha ràn‟orona, “ Epistaxis “ na “ hémorragie nasale”, no iantsoana io tranga iray io. Misy tokoa ny fepetra tsara raisina isaky ny mandeha rà ny oron‟ny ankizy. Ho fanajanonana ny rà haingana dia ireto avy ny azo atao: 1) Fadiana ny mampandry azy na ny mampitraka azy Ny tena mety ? Asaina mipetraka izy ary toerana mangatsitsiaka no hametrahana azy; Vahana ny akanjo ambony raha somary tery; Asaina miaina amin‟ny vava Mety mbola tsy nijanona ny rà ao anaty orona na koa mety mbola mikoriana , noho izany dia asaina mitsilany kely ny zaza, satria hiarovana ny rà mba tsy hitsindrovaka any amin‟ny “pharynx”, tsara ihany mantsy ny manamarika fa miteraka fikorontanana ao amin‟ny taova fandevonan-kanina ny fitelomana rà be loatra; ka raha ohatra misy rà tafiditra ao am-bava dia tokony harora avy hatrany , mety hampaloiloy ihany koa izany , ary ahisina moramora ny orona mba hivoaka ny ambon‟ny vaingan-drà ao anatiny, raha mbola misy tavela ( rehefa tena tsapa fa mijanona ny fandehanan’ny rà) 2) Terena amin’ny ratsan-tanana roa ny lavak’orona mandritra ny telo minitra eo farafaha keliny Somary terena amin‟ny ankihy be sy ny fanondro ny orona mandritra ny telo minitra. Raha toa kosa ka vokatry ny fianjerana no nampandeha rà ny orona dia tsy tokony atao ity fanerena orona ity! Azo atao ihany ny mametraka „‟glaçon‟‟ nofonosina lamba ka apetaka eo amin‟ilay faritra eo ambany taolan‟ny orona mihintsy. Fadiana ny mampihinana fanafody “Aspirine” na “ anti- inflammatoire”. 3) Evoka siramamy Marihina fa rehefa mijanona tsara ny rà vao manao an‟ity fanandramana ity . Alaina amin‟ny sotro lehibe ny vain‟afo mirehitra tsara, mitsangana sady somary saromana lamba ny faritry ny loha ka araraka ao anatin‟ilay vain‟afo efa ao anaty sotrobe ny siramamy eran‟ny sotro kely, trohana mafy ny donak „ilay siramamy; akipy mafy tsara ny maso rehefa manao izany . Rahoviana no tokony hanantona mpitsabo? Raha toa ka mbola tsy mijanona mikoriana ny rà aorian‟ny 30 minitra, na koa sady marary loha ihany ilay zaza . Raha mandeha ràn‟orona matetika na isam-bolana dia tokony ho entina any amin‟ny mpitsabo ihany . Mamie; Mahajanga


TAONA FAHA VI, N° 1

Page 5

MAHA SALEZIANINA

ETRENNE HO VAVOLOMBELOKO MANTSY IANAREO

M

ahafaly ahy ny mizara aminareo ny andrampiainako.

Anisan’ny ankizy nobeazina tao amin’ny Oratorio aho

Ho

fiomanana sahady amin’ny fankalazana ny faha-200 ny nahaterahan’i Don Bosco dia manasa antsika manokana ny Recteur Majeur mba handinika ny fiainam-panahin’i Don Bosco dia ny fiainam-panahy salezianina izany. Tsy mifanalavitra amin’ny fiainam-panahy Kristianina io fiainam-panahy io satria dia mifototra amin’ny hatsarampanahy. Hatsaram-panahy izay manosika antsika hikatsaka « ny voninahitr’Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahintsika ». Tahaka ireo olomasina rehetra ihany koa i Don Bosco, niaina lalina ny fiainana maha-kristianina tamin'ny alalan'ny fanompoana ny tanora. Araka izany, ny tanora miaina io toe-panahy salezianina dia afaka mivelatra ho olom-pirenena vanona sy kristianina mendrika ka afaka handova ny lanitra.

hatramin’ny fahazazako ka hatrain’ny fahatanorako. Ary anisan’ny mpankafihy ny Oratorio. Vao telo taona monja aho dia efa nanomboka nankany amin’ny Oratorio Betafo. Ary anisan’ny zavatra tena tiako ny fanentanana, ny vavaka, ny kilalao isan-karazany, ny fanatanjahantena ary ny fianarana mandihy. 15 taona aho no nanomboka nanao mpanabe tao amin’ny Oratorio ary tena nafana fo. Tsapako fa nahazo zavatra be dia be aho ary tena tiako ny mizara izany ho an’ny hafa indrindra ho an’ireo ankizy sy tanora mahantra. Ny andram-piainako tao amin’ny Oratorio no nanosika ahy hahafoy ny tenako hanampy sy hanabe ny tanora araka ny toe –panahy nananan’i Don Bosco sy Marie Dominique Mazzarello izay nitarika sy nanampy azy ireo hanantona an’i Jesoa.

Noho izany dia manasa anareo rahalahy sy anabavy salezianina mba hanovo ifotony ny fiainam-panahin'i Don Bosco; izany hoe hanohy ny asa fanompoana ara-panabeazana sy pastoraly, izay notahafiny tamin'i Kristy mpiandry ondry tsara ka nahatonga azy hanana filamatra:" Omeo ahy ny Fanahy ento ho anao ny sisa rehetra"

Taorian’ny BACC dia nanomboka niroso aho ary efa tapa-kevitra tsara

Mba hanampy anareo hahazo bebekokoa io Etrenne io, dia manolotra hevi-dehibe telo ho anareo aho:

Ny Tenin’Andriamanitra nanosika ahy ary araka ny andram-piainako dia

1– Ny traikefa ara-panahin’i Don Bosco: tokony ho tsapantsika mandrakariva fa ny fiainam-panahy salezianina dia: fomba fiainana manokana, vavaka, asa, fifandraisana, ankohonam-piainana; asa fanabeazana sy fanompoana manaraka rafitra marim-pototra sy ombampivoarana; mandala ny fiombonana amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny seha-pikatrohana maro samihafa; Lova sarobidy voarakitra an-tsoratra.

ny hiroso amin(ny lalam-piainana ho relijiozy FMA. Nandeha ny andro sy ny volana ary ny taona ary nandeha tsara koa ny fiofanana isan’ambaratongany dia niroso nanao ny voady voalohany aho ny 5 aogositra 2011 tao Betafo.

ny

hoe:

« Mahazo

maimaim-poana

ianareo,

manomeza

maimaim-

poana » (Matio 10,

8).

Araka ny araka ny

andram-piainako

amin’ny fiainako an-

davanandro dia

tsapako fa tena faly

aho ary hafalia-

na lalim-paka miom-

bona

amin’i

Jesoa.

2– Ny ivon’ny toe-panahy salezianina: Ny hatsaram-panahy, izay mifototra amin’ny fitiavana; ny famindram-po; ny fangorahana; ny famelana. I Jesoa mpiandry ondry tsara no fitaratra amin’izany: tsy hoe ho fakantahaka ny nataony fotsiny ihany amin’ny hatsaram-pony, na ny fitadiavana izay very, na ny fifampiresahina fa indrindra mba hampahafantatra an’Andriamanitra amin’ny olona rehetra. 3– Ny fiainam-panahy salezianina ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra manontolo: Misokatra ho an’ny lalam-pahamasinana rehetra ny Fiainampanahy salezianina. Manana anjara lehibe amin’izany isika tanora araky ny maha izy azy antsika tsirairay avy. Ohatra mazava amin’izany ny fiainan’i Dominique Savio, Michel Magone, François Besucco. Tsy tokony hisalasala isika lahiaka hanararaotra ny hitondra ny anjara birikintsika amin’ny fanarahana an’io fiainam-panahy io.

Ny tena manampy ka, fiarahako amin’-

ahy dia ny vavaSr Colette (eo afovoany) ; Tamin’ny voady farany nataony

ny rahavavy ao

amin’ny fikambanana: vavaka miaraka, fifam-pizarana, hafaliana, fiarahamiaina sy fiarahamiasa sns. Izay no afaka hifam-pizarako aminareo ary manentana sahady an’ireo ankizy sy tanora izay te-hahafantatra bebe kokoa ny fiantsoan’Andriamanitra azy dia afaka miresadresaka aminay na izay akaiky anareo, ary mirary soa sahady. Misaotra e!

Famintinana ny Etrenne 2014 Harry; Ivato

Sr Colette Filles de Marie Auxiliatrice


Namako

Page 6

VAOVAON’NY MSJM

Tontosa soamantsara ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iraisampirenena ho an‟ny tanora (JMJ) andiany faha 28, tany Rio de Janeiro ny 23 kahatramin‟ny 28 Jolay lasa teo. 26 araka izany no isan‟ireo delegasionina malagasy nanatrika izany ka dimy tamin‟ireo dia avy amin‟ny Mouvement Salesien des jeunes. Ho an‟ireo solotenan‟ny Salezianina dia isan‟ny anton-dian‟izy ireo ihany koa ny fanatrehana ny « Forum du mouvement salesien des jeunes. Mahafaly anay ny mifampizara amintsika izany andrampiainana niainan‟izy ireo izany. Ny 19 jolay 2013 izy ireo no niainga ho any Rio. Mialoha izany anefa dia nisy hatrany ny fiomanam-panahy nataon‟izy ireo manokana sy niaraka tamin‟ny vononana nasionalin‟ny tanora. Ny 22 jolay 2013 izy ireo dia nanao fitsidihana masina teny Corcovado, izay toerana misy ny sarin‟i Jesoa lehibe mamelatra tanana, antsoina hoe « Christ Redempteur ». Isan‟ny zava-dehibe natao teny ny fitondrana am-bavaka ny tanora rehetra indrindra ny tanora malagasy sy ny MSJ. Ny 23 jolay 2013 hariva kosa dia nanatrika ny lamesa fanokafana teny Copacabana ny rehetra. Ny 24 jolay 2013 no nanatanterahina ny FORUM sy ny fihaonan‟ny tanoran‟ny MSJ maneran-tany manokana. Tonga nanome voninahitra izany ny Recteur Majeur sy ny Mère Générale. Nodinihina tamin‟io FORUM io ny lafiny misioneran‟ny MSJ; dia ny famahavahana sy ny fiarahamidinika ny atao hoe tanora ho an‟ny tanora izany. Marihina fa solo-tena 5 isaky ny firenena farafahabetsany no afaka nanatrika izany. Fa ny tolakandro kosa dia nisy korana niarahan‟ny tanora salezianina rehetra. Ny 25 jolay 2013 no niverina nanaraka ny fandaharanan‟ny JMJ ny rehetra. Ka ny maraina dia namonjy ny Katesizy izay

notarihin‟i Mgr Servilien (Evekan‟i Rowanda) nifampizarany ny lohahevitra hoe « Ny hoe mpianatr‟i Jesoa ». Ny hariva kosa dia niara nitodi-doha nakany Copacabana indray ny mpizaika rehetra mba hiaona voalohany amin‟i Papa Ray Masina François. Ny 26 jolay 2013 dia mbola namojy ny katesizy toy ny mahazatra ihany ny tanora ka ny Mgr Leonard (Arisevekan’i Bruxel) no nitarika izany. « Ny hoe missionera no laha-hevitra nifampizarany tamin‟izany). Ny hariva kosa dia mbola niverina nakany Copacabana ihany ny tanora nanao ny lalan‟ny Hazofijaliana niaraka tamin‟ny Papa. Ny 27 Jolay 2013 indray dia nisy ny alim-bavaka izay nandraisan‟ny tanora ny sakramentan‟ny fampihavanana; ary notohizana tamin‟ny lamesa fanirahana ny 28 jolay 2013. Vao vita moa ny lamesa dia nitodidoha nihazo an‟i Madagasikara ireto iraky ny MSJM ireto. Sambany teo amin’ny tantaran’ny MJSM no nisian‟ity andram-piainana ity ary antenaina tokoa fa hitondra aim-baovao ho an‟ny salezianina eto Madagasikara izany. Hisaorana manokana isika tanora rehetra sy ny fianakaviam-be salezianina tamin‟ny fifanampiana rehetra nahafahana nahatanteraka iny andram-piainana iray iny. Irariana mba hitohy ny tahaka ireny ary manentana antsika tanora mba havitrika sy tsy hatahotra amin‟ny asa fanompoana sy fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Miandry antsika Jesoa, Miandry antsika ny Fiangonana, Miandry antsika ny Papa, Miandry antsika ny tanora! Domoina,Hary, Ando ; Ivato


TAONA FAHA VI, N° 1

Page 7

T

ao anatin’ny herinandron’ny sapankazo no nankalazana ny herinandron’ny MSJ teto Bemanevika. Ny sampakazo moa dia andro natokana ho an’ny tanora erantany. Ny Herinandron’ny MSJ maneran-tany moa dia ankalazaina isaky ny herinandro faha roa ny volana Martsa ka noararaotinay natao tamin’ny andron’ny sampakazo ny teto Bemaneviky. Ny tanjona dia ny fampivondronana ny tanora ho hery mivaingana afaka maneho ny ny finoana velona eo amin’ny tanora namany sady isika raha teo koa “Tanora ho an’ny tanora” izay mitondra azy ao amin’i Kristy Jesoa. Eto ary dia mbola manentana ny faritra izay tsy mbola nanatanteraka io andram-piainana io mba hanatanteraka izany. Manantena isika fa I Don Bosco no Ray mpanangona antsika ao amin’I Jesoa Duard Coord MSJM; Bemaneviky

N

andritra ny telo taona nisesy izay, dia misy ny fihaonan‟ny « Coordinateurs MSJM » sy ireo tompon‟andraikitry ny pastoralin‟ny tanora isam-paritra; mba hamolavola ny taridalana pastoraly ho an‟ny taona vaovao. Izany moa dia fitaovana miendrika boky kely iray, natao indrindra mba hampiasain‟ireo mpanabe miasa ho an‟ny tanora manerana ny Nosy. Hita ao anatin‟ity boky kely ity ireo fomba fanentanana sy torolalana entina mampita lohahevitra amin‟ireo beazina. Feno araka izany ny fampianarana atolotra satria hita ato avokoa ireo lohahevitra mifanarka amin‟ny vanim-potoana litorjika, ny mahakasika ny fomba fiainana salezianina ary indrindra ny fanajana manokana an‟i Masina Maria.

Ta

ny amin‟ny Fiangonana Anatroa, 17 km miala eo Manazary no nanaovanay Fy . Izay natao ny 19 Août ka hatramin‟ny 01 Septembre 2013. Miisa zato mahery ny isan‟ny mpaka FY ary mpanabe 12 ka ny roa tamin‟ireo dia mpanabe avy eny an-toerana. Marihana fa efa fanindroany izao no nisian‟ny Fy tany amin‟ity toerana ity. Ny trano Fiangonana sy ny tokontany no toerana nampiasaina satria any dia tsy mbola misy sekoly katôlika ary ny EPP dia misy saingy mbola sarotra ny hahazoana azy noho ny antony tsy azo anoharana. Ny asa tànana sy ny kilalao dia natao teny antokontanin‟ny Fiangonana ary ny katesizy sy ny tantara dia natao tao am-piagonana. Tsy mba misy jiro moa any an-toerana ka nasaina ho tonga indray mandeha tany Manazary ny mpaka fy mba hijery FILM izay nanampy azy ireo amin‟ny fiainana maha tanora sy amin‟ny fialana sakana. Marihana fa ny FY ho anay any Manazary dia atao isaky ny tolakandro ihany satria ny maraina na ny mpanabe na ny mpaka Fy dia samy mbola manampy ny ray aman-dreny any an-tsaha ka ny tolakandro vao afaka. Ho anay mpanabe izay nandeha tany Anatroa kosa noho izany dia nanampy an‟ilay fianakaviana tany an-tsaha isa-maraina ho marim -pisaorana azy noho ny fandraisany anay. Hafaliana lehibe ho anay ny nanao izany asa izany satria noraisiny ho toy ny zanaka an-trano izahay. Fanampin‟izany sia tsara sy nahafapo ny fandraisan‟ny kristianina anay. Mpanabe 10 mianadahy izahay no nalefa tany hanao Fy nandritra ny roa herinandro.

Ho amin‟ity taom-pikatrohana 2013-2014 ho avy aty ary dia ezaka voalohany ataontsika ny hamantatra sy handalina ary haka tahaka ny fiainampanahin‟i Don Bosco mba hahafahantsika mampita izany amin‟ireo beazina. Ny Ezaka faharoa kosa dia ny hampita izany fiainam-panahy izany amin‟ny fomba tsotra sahaza an‟ireo beazina.

Ny fitaovana hanaovana Fy sy ny vatsy dia nentina avy tany Manazary ary dia niasa mafy « bicyclette » tamin‟ny fitanterana ny entana. Ny masera FMA ao Manazary koa dia nanao izay azony natao tamin‟ny fanomanana ny fitaovana, tamin‟ny fanofanana sy ny fandefasana anay mpanabe ho « misionera tany Anatroa » izay anisan‟ny fomba nentin‟i Don Bosco sy i Mb Marie Dominique Mazzarello mba hampihely ny fitoriany an‟i Kristy sy ny Evanjely.

Samy nitondra ny anjara birikiny avokoa ny faritra tsirairay avy tamin‟ny fanatontosana ity taridalana pastoraly 2013-2014 ity dia ny : faritra Andrefana (Mahajanga, Ambanja, Bemaneviky), ny Faritra Afovoany(Ivato, Tsiadana, Betafo, Ijely/Manazary) ary ny faritra Atsimo (Fianarantsoa, Mahavatse, Ankililaoka).

Tamin‟ny famaranana dia nisy fiaraha-mivavaka niaraka tamin‟ny kristianina avy eo nanao fety sy korana ary nofaranana tamin‟ny fivarotana ny asa tànana vitan‟ny mpaka FY. Taorian‟izany rehetra izany dia nomonjy fodiana taminkafaliana izahay mpanabe ka toa tsy re akory ny havizanana.

Hezao ho tonga eny am-pelatanantsika ary ampiasao araka izany ny Taridalana pastoraly.Harena lehibe ho antsika tanora izy io. Koa manentana antsika mba hampiasa sy handrato fanabeazana aminy. Ka hizara izany fahasoavana lehibe izany amin‟ireo rehetra mila azy.

Rehefa vita ny FY dia nangataka tamin-dry masera ny tanora sy ny mpanabe avy any an-toerana ny mba hisian‟ny oratorio any Anatroa mba hanohizana ny fanabeazana azon‟ny tanora sy ny ankizy tamin‟ny Fy.

Ando Coord MSJM; Ivato

Claudine, Coord MSJM; Manazary


Page 8

Namako

VAOVAOM-PARITRA FITOKANANA

A

raka ny efa fantantsika dia nankalaza ny faha-20 taona nanabeazany ny Oratorio eto Fianarantsoa. Hofaranana izany fankalazana izany ny 06-07-08 Desambre ho avy izao. Efa ao anatin‟ny fanomanana tanteraka izany ireo mpanabe nanomboka ny taona 1992 ka hatramin‟izao taona izao, ka maro samihafa ireo hetsika entina hankalazana izany famaranana ny faha 20 Taona izany izay mitodika be dia be hatrany amin‟ny tanora. Hiatrika ny 20 taona manaraka indray ny Oratorio: ny tsapa dia ny tontolo vaovao iainan‟ny tanora ankehitriny: misy arak‟izany ny fanambim-panabeazana miandry antsika ka tsy maintsy hampiarantsika ny Système Preventif eo amin‟izany tontolon‟ny tanora ankehitriny izany.

TRANON’NY EVEKA

13 teo no notoNy kaAlahnaadnayny19tramnoay 20 vaovaon’ny

Eveka eto ambanja. Ny la mesa fanamasinan ana dia efa vita tao am-piangonana fa ny fitsofana rano ny tra no ihany no natao teo an-toerana. So lon-tenam-anjakan a teto an-toerana sy solon-tenan’ireo Re lijiozy Lahy sy Vavy ary tompon’andrai kitra isan-tsokajiny tao amin’ny Paroasy no nasaina manokan a ta nana tamin’ny fiara min’izany. Nofaraha-misakafo ny la nonana.

Henri Coord SDB; Fianarantsoa

N

Mr Roger Coord. FMA ;

y Distrika Amboditanimena dia distrika missionnaire izay eo ambany fiahian‟ny Fikambanana Salésien Don Bosco. Araka izany dia tokana ny pastoraly izany hoe ny tanora rehetra ao amin‟io Distrika io dia tafiditra tanteraka ao anatin‟ny MSJ avokoa, eny fa na dia misy aza ny Oratorio eto Ijely sy Manazary ary Soamahamanina. Ireo tanora rehetra ireo dia eo ambany fitantanana sy fitarihan‟i Mompera tompon‟andraikitra voalohan‟ny Pastorale des jeunes ety an-toerana, miaraka amin‟ny Biraon‟ny Vovonan‟ny Tanora eto amin‟ny Distrika, ary ny mompera Curé. Araka izany ny vaovao atolotray ho antsika mpamaky ny « Gazety namako » dia mikasika ny fiainan‟ny Pastoraly des jeunes rehetra ato anatin‟ny Distrika. Vita soa amantsara ny Fihaonam-ben‟ireo tanora sy ankizy ao amin‟ny Fikambanana Masina FET teto amin‟ny Distrika, ny volana Jolay 2013 lasa teo. Ny oratorio Ijely no nandray ireo tanora sy ankizy izay miisa 504, sy Mpanabe 57, masera 1 ary mompera 02. Telo andro ny fihaonana ka ny lohahevitra nodinihana dia mikasika « Ny finoana ». Nisy ny nanao dingana, ary mpanabe roa no nanao dingana fahatelo tamin‟ny lamesa famaranana.

arana tafo ny fikarak onay n Bosco aty Be na Do fa i io or no at ur or to piavaka ny nanatontosa ny ry no y »a ha na nisan’ny mam iza Jo y Mai lasa teo ar lohanteny hoe « tournoi 26 ny tanora tounoi. Ny 13 y ny an ’iz na ra ak ar nd y to maro ar y nampi ka isan-taona iza y 26 Jona izy io .Maro dia o . Nisandraha min’n et eo ho eo izy ire sk O ba 4O ll, tra ba ra y nofaranana ta at lle anjara ary mah ny foot-ball, vo y ay to dr o an ire m ra a no ng ta to maromaro ireo ball, sns….. tamina taranja hafaham fanomezana fa ihany a y izao moa ny to ak i er no nt ur ta to a a an ’ny fikarakaran torio.Fanbeaz izy fanabeazana ankizin’ny Ora Tanjonay amin ky sy vo ra no dy ta sa o y ka a ire … ireo amin’izan -po bebe koko s… izy sn n’ ivo sa gi an ay eo na gana, na koa no hoentin ra ondry mody A! A! A! ireo no mitond nora namana o daholo ry ta ot az m y ar y vetivet ona Mandrampiha

A

Mahakasika ny Fy Don Bosco 2013 indray dia somary niala amin‟ny mahazatra izahay satria tsy teto amin‟ny Oratorio Ijely no nanantanterahana ny Fy Don Bosco fa natao tany amin‟ny Central iray izay anisany be tanora indrindra ato amin‟ny Distrika, dia tany amin‟ny Central Antoby izany. Tsy ny mpanabe ny Oratorio Ijely ihany no nanatontosa ny Fy Don Bosco fa teo ny fiaraha-miasan‟ny komity ny Fiangonana Antoby, ireo tanora tsara sitram-pon‟ny Central Antoby, ireo Frera miisy 05 sy mompera 01 ary ireo tanora tao amin‟ny toera-panabeazana loterianina izay mitaiza tanora ihany koa eto Miarinarivo. Andram-piainana voalohany izany ary dia tanora 300 teo ho eo no niara-nifampizara hafaliana niaraka taminay. Ny tanoran‟ny Distrika ihany koa dia nandray anjara tamin‟ny fifaninana nampanaovin‟ny Diosezy teo anivon‟ny Vondrona, amin‟ny fankalazana ny taonan‟ny finoana, izay natao tany amin‟ny Distrika Mandiavato. Ny isan‟ny tanora tsy tambo hisaina fa ny ho teneninay fotsiny dia feno ny camion iray. Maro ny loka azon‟ny tanora. Ankehitriny dia efa mamelona sy manangana ny Fikambanana Masina FTMTK ( Fivondronan‟ny Tanora Malagasy Tantsaha Katolika), ny Antily sy ny Fanilo, ary hiezahana ho hamparitaka manerana ny Distrika ny fikambanana « typique » amin‟ny maha salézianina toy ny SDS, TDB, Laura Vicũna. Ary efa mikarakara ny fetin’ny Don Bosco ny tanora amin‟izao. Eto am-pamaranana dia ny fisaorana ny lehiben‟ny Fikambanana nanomezany anay an‟i Mompera Martin, hikarakara anay tanora eto amin‟ny Distrika manontolo.

Ny 27 Octobre 2013 teo no nandraisiana azy tamin‟ny fomba manetriketrika sy fanokafana ny taom-pikatrohana amin‟ny lafiny taom-pianarana sy sakramenta, izay notarihan‟i Père Provincial sy P. Carmelo (économe provincial) ary izy 04 mianaka mirahalahy aty Ijely.

Ny biraon’ny Vovonan’ny Tanora Distrika Amboditanimena

Ambanja

Rija Coord. MSJM ; Betafo

Vaovao avy an y

R

Ankililoaka

aha ny aty am inay tsy dia misy vaovao lehibe aminareo, fa iza azo ambara y misy no hozar ainay aminareo . Nanao fitsanga tsanganana mi araka ny tanora Ankililoaka ny ala kristianina eto kamisy faha 17 ny volana Mai madio rano. Tan lasa teo iny,tany ora 80 eo ho eo no nandeh amin‟ ireo fikamb a ary tanora av anana Masina y . nahitana Maser iray ary lahika a roa , pretra maromaro. No sokafana tam pivavahana ny in‟ny fotoamfitsangatsangan ana ary rehefa nisy ny fiaraha vita ny lamesa milalao, avy eo dia naira nisakafo. 4ora tolak‟andro Tokony tamin‟ny no niverina no dy rehetra ary „afaliana ny reh etra. samy dibok Ho tonga hama ngy aty antoerana koa I Mgr Philgence Rabeony amin‟ny 17 Jiona 2012, ary mi om an a am in‟ iza ny izahay satria am in‟io andro io ihany koa no andraisana ire o tanora maro izay ha ndray ny Sakramentan‟n y fankaherezana. Justine Coord. MJSM ; Ankililoaka


Page 9

Namako

KOLON-TSAINA Fianakaviana iray efa re laza nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18 no niavian-dRasoamanarivo. Zafiafin-dRandriantsilavo ; izay isan’ny mpanjaka an’Andrianampoinimerina tao Ilafy izy. Ny taona 1848 no teraka Rasoamanarivo, tamin’ny andro nanjakandRanavalona I. Vanim-potoana nanjakan’ny fanompoan-tsampy teto amin’ny Nosintsika, na izany aza navela nitory ny filazantsara malalaka, ny Misionera Anglisy tany amboalohany dia nony taty aoriana nipoaka ny hatezeran’ny Mpanjakavavy noho ny fandikana vilana natao taminy mikasika ny fivavahana kristianina ka tsy navela nanohy ny asany intsony ny Misionera protestanta. Fony mbola kely i Rasoamanarivo dia niaina tanteraka ny fivavahana nentin-drazana dia ny fanompoan-tsampy tao an-dapa. Izy moa dia zaza fahaefatra tamin’ny fito mianadahy, nonina tao Ambatondrafatandana Avaradrova. Ny taona 1855 dia tafiditra antsokosoko tao Antananarivo ry Père Finaz, Pretra Zezoita izay nilaza fa mpitan-tsoratr’Atoa Lambert izay mpivarotra. Herintaona taorian’izay dia tafakatra ihany koa ry Mompera Jouen sy Webber, izay naka ny solon’anarana hoe Duquesne sy Joseph ary nitonona ho mpivaro-panafody sy mpitsabo mpanampy. Nahazo alalana hipetraka tao an-drenivohitra I M. Joseph, izy no nanorina ny “Antoko mpihira zandriny” tao Andohalo izay misy ny zafikelin-dRainiharo (Praiminisitra) anisan’izany koa Rasoa kely. Rehefa nandeha ny fotoana, nisy fikasana hanongana ny mpanjaka Ranavalona I tamin’ny 1857, voarohirohy tamin’izany ny vazaha notarihin’I Lambert. Tratra ilay tetika vao mainka romotra ny Mpanjakavavy. Nihamafy hatrany araka izany ny fanenjehana ny fivavahana kristianina maro koa no notoraham-bato tao Fiadanana. Sivy taona Rasoamanarivo tamin’izany andro izany, ho fakantoavana ny mpanjaka dia notaizana ananatin’ny fanompoan-tsampy izy mianadahy avy. Nahita maso ny famonoana Rasoa kely, ontsa dia ontsa ny fony. Ny 16 aogositra 1861, niamboho Ranavalona I, nandimby azy RADAMA II. Nahazo alalana hiverina ny vahiny rehetra, namela malalaka ny nidiran’ireo Misionera izy. Avy hatrany dia nangataka fihaonana tamin’ny Mpanjaka ry Mompera Jouen sy Webber izay tsy niafina intsony, ka nahazo alalana avy hatrany; Radama II koa dia naniry fatratra ny ahatongavan’ny Malagasy ho Kristianina. Herintaona taty aoriana nisokatra ny sekoly voalohany ho an’ny zazavavy izay notantanandry Masera Saint Joseph de Cluny tao Andohalo, ka anisan’ireo voalohany nisoratra anarana sy nianatra Rasoamanarivo niaraka tamin’ny rahavaviny. 13 taona Rasoamanarivo no nalefa nianatra tany. Nanomboka teo dia maro ny zava-baovao nianaran-dRasoamanarivo sy ireo namany fa tena nahafinaritra azy sy nironany kokoa dia ny katesizy. Vetivety dia nandroso ny fahaizan -dRasoamanarivo ny Soratra Masina, ary nampihariny tamin’ny fiainany avy hatrany. Ny 01 novambra 1863 Rasoamanarivo no natao batemy tao amin’ny katedraly. 15 taona izy tamin’izay, ary nanomezana anarana amin’ny batemy azy hoe: VICTOIRE ( FANDRESENA). Hoy izy hoe: “Victoire, satria mba te mpandresy aho na amin’ny mora na amin’ny sarotra… indrindra eo anoloan’ny fahafatesana toa an’I Jesoa Kristy!” Ny fianakaviany moa dia efa niandany amin’ny fivavahana Protestanata ka norahonan-drainy tsy handova azy izy raha hiditra katolika fa ny reniny no nandamina ny resaka. Niorim-paka hatrany ny finoana nananan’I Victoire ka ny 17 janoary 1864 no nanaovany ny komonio voalohany manetriketrika niaraka tamin’ireo zazavavy namany. Io no Komonio voalohany indrindra manetriketrika tao Antananarivo. Nitombo fahamasinana I Victoire ka isan’ny nampiavaka azy manokana ireto:  Ny Sorona Masina no faratampony teo amin’ny vavaka nankamamian-dRasoamanarivo, ny famonjeny izany isan’andro no nahazoany hery hiatrehany ny fiainany andavanandro.  Ny famangiana sy fitsaohana ny Sakramenta Masina no nimasoany isan’andro. Matetika izy eo am-pimbanjinana ny Tabernakla dia ahitana hafaliana sy hazavana tsy hay tohaina ny endriny, hoy ny nahita. Mandohalika maharitra izy eo anatrehan’ny Sakramenta Masina ka zary mampisy takaitra kely ny lohaliny izany. Fatratra ny fanomanany ny fety sy ny dia mivavaka (procession) miaraka amin’ny Sakramenta Masina makenyAmbohipo fahizay.  Anisan’ny nankamamiany fatratra sy nandaniany fotoana ela ny fanaovany sapile na vavaka fanajana an’I Masina Maria izay nanokanany ny tenany. Ankoatr’izay fanaony amin’ny ora voalahatra dia mitanisa ny sapile miaraka amin’ireo mpanompony (fikambanana nankinin-dry Mompera taminy) izy raha vao misy fotoana malalaka na eo am-panaovandraharaha. Fatratra ny fanajan’I Victoire an’I Masina Maria ka voalazan’ireo nahita fa naniry kitro mihitsy ny ratsan tanany vokatry ny fanaovany izany ranolava. Nanana toerana manokana manatrika ny Otelin’I Masina Maria izy tao ampiangonana tao Andohalo. Nony voatsangana ny fiakambanam-behivavy katolika nantsoina hoe: “zanak’I Masina Maria” tamin’ny taona 1876 dia I Victoire Rasoamanarivo no voafidy ho filoha voalohany indrindra, ary dia tsy nitsahatra nanentana ny namany tamin’ny fitiavana sy fanajana an’ilay Reny Masina indrindra.  Tsy ny fiainam-panahy ihany no nahamasina azy fa ny fiainany ny didim-pitiavan’I Kristy ka nananany fitiavana manokana ireo madinika samihafa. Nanavanana azy ny fiahiana ny mahantra sy ny marary, ny gadra sy ny boka, indrindra ireo mpanompony marobe izay netiny sy notiaviny toy ny zanany. Feno 16 taona I Victoire dia nampanambadiana an-dRatsiamatahodriaka (Radriaka) zanaka lahimatoan-dRainilaiarivony Praiminisitra sady anadahin-dreniny. Nitana ny “lova tsy mifindra moa ny fianakaviana, ka tsy mahagaga raha mifanambady samy mpihavana.Na dia teo aza ny faniriany te hanao relijiozy dia nanaiky ny fangatahan’ireo Ray aman -dreniny izy. Ny 13 mey 1864 no nanamasinana ny mariazin’I Victoire sy Radriaka tany am-piangonana. Na dia mbola tanora aza izy dia nahatsapa ny hasin’ny fanambadiana sy ny haleben’ny adidy miandry azy, ka niezaka ho mendrika ny vadiny. Naneho hatrany fitiavana sy firaiketam-po manontolo izy. Na dia efa nanambady aza I Victoire dia mbola nianatra ihany ary nandroso ny fandalinany ny fivavahana ka tamin’ny 11 septambra 1864 no nandraisany ny sakramentan’ny Fankaherezana. Vetivety dia hitany niharihary ny toetra ratsin-dRadriaka izay tonga mpanitsakitsa-bady, sakaizan’ny toaka sy ny loka. Niteraka fijaliana maharitra ho an-dRasoamanarivo izany toetram-badiny izany kanefa noleferiny tamin-kerim-po sy faharetana lehibe izany sy ny fanarabian’ny olona azy. Teo amoron’ny fahafatesana noho ny ratra mafy nahazo azy rehefa avy niliba ka tsy nahatsiaro tena vokatry ny aliakola iny, dia sady notsaboiny ity vadiny efa niala aina no noresahany ny famonje na ny fanahy. Nanaiky hibebaka sy hatao batemy Radriaka; fa noho ny fotoana efa hamehana tsy nahazoana Pretra intsony hanao batemy azy ka nanome anarana hoe: Joseph ary segondra vitsy taorian’izay dia nodimandry ilay vady malalany. Ny 17 marsa 1888 no fandevenana an-Radriaka. Vao mainka nihananakainy ny Tompo I Victoire tamin’ny vanim-potoana mavesatra ho azy iny, tsy nitsahatra ny nivavaka izy. Ny 18 aogositra 1894, nihombo aretina be I Victoire… Ny 21 aogositra 1894, nantson’ny Ray hody any aminy tamin’ny efatra ora hariva ny mpanompony, araka ny hafatr’I Victoire dia I Marguerite ihany no mikarakara ny razana, akanjo fotsy toy ny fanao amin’ny komonio voalohany no nampanaovina azy… endrika mirana sy tony no mbola hita eny aminy. Niantsoantso an’I Masina Maria izy tamin’ny segondra farany : “Ry Neny, ry Neny”, ranoamso niharo fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra no nirotsaka hatraiza hatraiza. Nanam-paniriana ny hilevina ao amin’ny fasan’ny misionera ao Ambohipo izy fa tsy navelan’ny fianakaviany. Katolika 8000 mahery no tonga nanao veloma azy farany tao Andohalo. Ny 25 aogositra 1984 no nentina ho ao amin’ ny fasan-dRainiharo ny razana. Ary araka ny didin-dRanavalona I dia napoaka tafondro isaky ny mivoha ny fasan-dRainiharo. Ny 9 mey 1985, natsanagn’I Papa Joany Paoly faha-2 ho OLONTSAMBATRA I Victoire.

Ando coord MSJM; FMA Ampasanimalo

Mahasoa

an!

R

y mpamaky hajaina, aza adino fa anisan‟ny manampy antsika betsaka amin‟ny fifantohana ny filaminana, indrindra ho an‟ireo ankizy sy tanora izay mbola mianatra; momba io indrindra no hifantohan‟ny resantsika ato anatin‟ny zava- mahasoa, ka indro ary toro-hevitra vitsivitsy azoko hifampizarana aminareo : Safidina tsara ny toerana ametrahana ny entana ao an-trano. Tsara raha apetraka amin‟ny toerana samy sahaza azy avy ireo entana sy ny fitaovana rehetra, toy ny : fitaovana mahakasika ny fianarana, kojakoja madinidinika fampiasa matetika andavan‟andro ( fihogo, fitaratra, ranomanitra, sns…), ireo fitafiana isan-karazany sy ireo fitaovana hafa ( kiraro, akanjo, lamba firakotra, …) Ohatra : efi -trano fianarana indrindra ny toerana asiana ny birao toerana milamina, lavitry ny kotaba sy tsy dia andalovana na hivezivezen‟olona matetika.Fadiana arak‟izany ny mametraka ny latabatra hianarana eo akaikin‟ny varavarana na mifanakaiky amin‟ny efitranon‟ny zandry be kotaba ; kendreo ihany koa mba ho toerana ho azon-drivotra sy ahazoana tarapahazavana natoraly. Tokony ho hita manodidina ny latabatra izay zavatra fampiasa matetika sy izay fantatra fa mety ilaina, indrindra ny fitaovana mahakasika ny fianarana. Esorina na ampirimina ny fitaovana tsy ilaina. Mba ho moramora kokoa aminao ny hahita haingana an‟izay tadiavina, dia tokony hilamina ilay birao kely ; ny atontan-taratasy na kahie rehetra tsy ampiasaina dia tokony ampirimina anaty “classeur”, aza adinoina ny mametraka fitoeran‟ny penina eo ambony latabatra mba tsy hiparitahan‟izy ireo, tokony hisy „‟tiroir‟‟ ihany koa ametrahana ny fitaovana madinika toy “scotch, agrafeuse”, sns… Tokony ariana avokoa ny taratasy tsy ilaina rehetra, fa ireo fitaovana fampiasa sy tena ilaina ihany no tokony apetraka eo ambony latabatra, ohatra : ny kahie misy ny lesona tsy maintsy hianarana, ny vakiraoka anaovana fampiharana ary ny solosaina raha misy, sns... Ny haben‟ny latabatra no miantoka ny fandaminana azy. Karazana fitaovana ihany koa ny latabatra, eto izy dia sokajiana ho toy ny fitaovampianarana. Tokony ho lehibe izany izy mba ahafahana mametraka solosaina sy ireo atontantaratasy ary ny kahie sy ireo penina. Ny seza ihany koa dia tokony mba ho seza azahoana aina, tsara raha seza misy fiankinana mba tsy hankarary lamosina indrindra raha tsy maintsy hipetrahana ora maromaro. Atao “ambiance zen” ny efi-trano. Ilaina tokoa ny fanadiovana tanteraka ny efi-trano, farafaharatsiny indray mandeha isam-bolana ankoatra ny fanadiovana tokony atao isan‟andro. Amin‟izay fotoana izay dia tokony ho sokafana midanadana tsara ny varavaran-kely mba hiditra ny rivotra madio. Tsy azo atao ny mametraka fitaratra na zavatra hafa mety mitaratra manoloana ny latabatra hianarana fa manimba ny fifantohana izany. Mamie coord MSJM; FMA Mahajanga


Page 10

Namako

y Kanto s a r t ra o S y a H Iharilanto Patrick

“Adolantsento”! Raha ho nila vaniny na ho nitady tonony, dia ho nanesy lava fa ny “dola” anie ka angotingotim-pihetsika fa tsy atosiky ny embona na atosaky ny sento; koa raha ho „adolan-tsento”, moa tsy mifandàka fa tsy teny mifamihina?

ANDRIAMANGATIANA IPA

Olomangan’i Gasikara

Kanjo, izay ilay fifandirany: izay dia izay tokoa!

1955 Teraka tamin‟ny 16 may 1955 tany mitsinjo Mahajanga. Zanak‟i RAZAFINDRAKOTO John Dav sy RAZANAMANGA Victoire. Notezain-dRaibe sy Renibeny avy amin-drainy nandritra ny fotoana vitsivitsy. Vao 10 taona dia efa nahavaky ny Baiboly. Nanambady tamin‟ny taona 1984. Nahazo ny Licence des Lettres Malgache tamin’ny 1978. Mampianatra ao amin‟ny Lycée Andoharanofotsy taona 1987. rehefa avy nampianatra tao amin‟ny Lycée Mananara Avaratra; ary tao amin‟ny Lycée sy Collège Maranatha Moramanga. Ny taona 1993 izy no niditra tao amin‟ny fikambanana Malagasy Mandala ny Riba (FMMR). Niditra tao amin‟ny Havatsa Upem ny taona 1996; ary filoha lefitry ny fikambanana izy ny 1999. Tao amin‟ny akademiampirenena malagasy, sampana I, nanomboka ny Febroary 2002 ary tao anatin‟ny faribolana IPA. Vao 15 taona monja izy dia efa nanomboka nanoratra ary efa sarotiny tokoa ka anisany nanosika azy handalina ny teny sy ny haisoratra teny amin‟ny Universite ho tonga « Tena mpanoratra ». Isan‟ny manavanana azy ny asa soratra amin‟ny teny malagasy sy teny Frantsay 

Singanina manokana amin‟izany ny tantara foronina « Vakivakim-piainana » nosoratany tamin‟ny taona 1995 izay nahazo ny loka voalohany tamin‟ny fifaninana nampanaovin‟ny HavatsaUPEM ary navoakany tamin’ny 1998 ka tafiditra ao amin‟ny fandaharam-pianarana malagasy kilasy famaranana sokajy A,C,D. Tantara mahaliana tokoa ity tantara ity noho izy mampibaribary zavamisy iainana sy lafin-javatra maro hita na re fotsiny fa tsy nohalalinina. Mifanojo amin‟ny hetahetam-pon‟ny Malagasy ankehitriny toy ny fampijoroana ny fahamarinana ny hevitra sasany. Ary ny filazan-javatra ao amin‟ny tantara dia nahafahana nampihatra lafiny maromaro amin‟ny zava-kanto vita amin‟ny teny. Mbola maro ny sangan‟asa nataon‟i IPA. Fitaratra velona ho antsika tokoa izy koa tradrao àry ny talenta izay hananao entina manandratra hatrany ny maha Malagasy. Ando coord MSJM; Ivato

Ny angotin‟alahelo sy embona mifoha dia toy ny tovovavy mitsiky an-dranomaso ny androm-pahazazany na/sy mihomehimehy sariaka ny oram-panantenany – atrika miandra ilay mba hoaviny. Anebakebany eo tokoa ny hoe “Adolantsento”. Fa vanim-potoana mampiboroaka karazana aingam-panahy io: “fahavaratry ny fiainana”raha ny fahazazana no “lohataonany” ary ny fahanterany no “ririniny”. Saingy tsy mbola ny fararanompahombiazana akory ny Adolantsento, nefa koa fotoana anirianjava-maro, fotoam-piandrandrana hoity; fotoanan‟ny voalohampahadisoam-panantenana koa! E…! ry Adolantsento: raha ho nahafantatra tokoa manko ianao! Kanjo izany tsy fahafantaranao izany no Hasambaranao… Dia izay no avoitran‟ity amboara ity; ny anisan‟ny lehibe indrindra amin‟ny “fiainana adolantsento” no hirain‟i HOBIANA ato, dia ny FITIAVANA: ny aingitrainginy, ny filafilany, ny ambatravatrany, ny sinto-maheriny, ny fahasahisahiany, ny hasarotan-kenatra afeniny… Hain‟i HOBIANA ny miangaly an‟ireny hetsi-po amam-panahy ireny. Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA

Fantatrao ve

Ireo soa azo avy amin’ny Akondro ? (Banane)

Ny ankonadro no voankazo fahita mandava-taona aty amintsika, ka tsy hanano sarotra ny fampiasana azy mandritra ny fotoana maharitra. Raha ny fikarohana nataon‟ny manampahaizana momba ny sakafo sy ny “produit “ fampiasa amin‟ny vatana tany ampita tany, dia voaporofo fa miady amin‟ny kentrona ny akondro ka azo atao “masque” amin‟ny tarehy. Araho ary ity torohevitra ity fa mety hahasoa anao. Zavatra ilaina: Akondro ¼ Voasary makirana in- 4 mitete Fomba fikarakarana azy: Potserina halemy tanteraka ny akondro, afangaro amin‟ilay ranom-boasary makirana Ahosotra avy hatrany amin‟ny tarehy dia avela hilona 15 na 20 minitra ary kobanina amin‟ny rano matimaty. Rehefa voadio tanteraka dia averina sasana amin‟ny rano mangatsiaka indray ny tarehy. Raha mahavatra manao ity masque ity in-telo isan- kerinandro dia ho voaharo amin‟ny kentrona ny tarehinao. Ranom-boasary makirana ampiarahana amin’ny tamenak’atody dia hosorana in-droa isan-kerin’andro. Mamie coord MSJM; FMA Mahajanga


Page 11

Namako

A N A K I S HAT

O A L A L KI SUDUKU: Fenoy isa 1-9 ny banga!!!

Mavo fa tsy mena

6 4

Neny a!tsy m pitolona men avazana akor y i dadabe fa Ahoana no ha fantatro! hafantaranao izany ? Nojereko ny vazany dia m avomavo be fa tsy mena akory

6 8

5

2

9

5

3

4

6

4

5

5

7

7

1

8

6

1 Mifanesika

……. iray ity rangahy Nitsidika rova itarika ………….. Nanazava ilay mp andimby jaka rehetra nif rahan’ireo mpan et nip za se ny Ito izao nitondra! ?angaha tsy zareo raha izany ika be teo ve ry es an nif y ts a Ko fa. mba nisy seza ha

8

2

3

8

9 2

7 7

5

Resa biby Gaga ity rangahy ira y sendra tany amban ivohitra nahita ity tantsaha iray manat ombotomboka angady amin’ny tany ……… Inona izato ataonao ? Mihaza parasy lafrik a! ???? dia matinao am in’izao ve izy ireo ? Izao kosa angaha dia sovazy e !tsy mpamonomono bib y aho fa ny tongony fotsiny no tapahiko! ????

A

B

D

E

F

G

H

I

1 2 3 4 5

Kafe

ole madama a! Misaotra fa tena tsara be ilay kafe

6

Misaotra dia ity ny kiridan

7

Atao inona ity ?

tsara efa miteny aho hoe Isokiranao sofina fa tsy mahare sisa! no ra tsot ts’isy kafe ole fa

Paradisa sa afo be Maty ity vadin’ity ramatoa dia tafaresaka tamin’ny namany izy ka nanotany azy ity namany hoe: Dia tsy fantatra mihitsy izany ny nahafaty ny vadinao Rehefa tonga any am-paradisa hanontaniako izy Dia hoy ity namany : koa raha tsy any izy fa any amin’ny afobe? Dia ianao ’ndry no manontany azye! hoy ilay ramatoa namaly

8 1– Mianbona; 2-Mahery (Miv); 3– Hanina; 4-Manjelatra; 5Mpitantana; 6– menaka; 7– Fisotro-Vazo(BL); 8 Fandrehitra A– Mankasitraka; B-Mahery ((Miv)-Lio (miv); C-Evanjely; D– Valik‟asa(BL); E-Ravo; F-Latabatra masina; G-Fotoana; HTsisy nify

Inona ary izany? 1. Anaty rano tsy lena an-tanety tsy malazo 2. Totoina tsy fotsy avela fotsy ho azy.

Rija coord MSJM;

Ando coord MSJM;

Betafo

Ivato


Page 12

Namako

« Sambatra ianareo manolon-tena ho an’Andriamanitra eo anivon’ny hatanoranareo » Don Bosco

Isika: « Fahazavana ho an’ny hafa » Tanora iray antsoina hoe: « Fifaliana’, nandray anjara tamin’ny Sorona Masina nihaino ny Tenin’Andriamanitra sy nandray an’i Jesoa Eokaristia. Nivoaka tao Am-piangonana i Fifaliana, nifanena tamin’ny namany iray antsoina hoe Rado izy. Nomeny tsiky i Rado ary nisy hazavana niaraka tamin’ny tsiky nivoaka avy aminy. Nanohy ny diany koa i Rado sy fifaliana ary samy nampita ny hazavana tamin’ny olona izay nifanena taminy avy… ary nitohy toy izany avokoa ho an’izay rehetra nahazo dia nampita. Tamin’ny farany dia ny iray tanana manontolo no nahazo hazavana ka namirapiratra sy nazava na dia tsy nisy jiro aza teo an-tanana. Isika tsirairay avy dia efa nandray an’i Kristy ary zandry malalany, antenainy isika mba ho mpitondra hazavana ho an’ny hafa Misaotra e!!! Hoy Père Martin (SDB)

Mana titratit

ra ny f

isaoran a anjara , amin’ny f andrai , tami fanato santsik n’ny ntosan a a ity g azety N A MA KO it y

Mi jor oa ora ho mis io n tan era ora n’n nam y ana

Tan

Mouvement Salésien des Jeunes à Madagascar Maison Don bosco BP: 60 Tel: 22 451 03 Fax: 22451 01 E-mail: msj_fma@yahoo.fr pdjmada@yahoo.fr

a avit mah o a n n o y ia ! anao s i t y a h !! En . Ra hafa y n y a s iz mi tsy dia

fom- o ny a o t na a e velo Areh a f e vana nareo. i pitia t a an

NAMAKO SEPTEMBRE 2013  
Read more
Read more
Similar to
Popular now
Just for you