Page 1

r

ca as ag ad M À es un Je es d n ie és Mouvement Sal

ETRENNE

TAONA FAHA V, N° 1

Mivoaka in-droa isan-taona

Novembre 2012


Page 2

Namako

Teny fanokafana

FIANGONANA  Iza moa i Masina Maria Page 3

Ry tanora malala, tonga eo ampelatananao indray ny « Gazety namako », namantsika, izay gazety hifandraisan’ny tanora rehetra eto Madagasikara. Misaotra manokana an’ireo tanora maro izay niarananatontosa ity gazety ity ny tenako. Narafitra moa ity gazety ity mba ho sehatra hifanakalozan’ny tanora hevitra ary mba hifampitàna vaovao ihany koa amin’ny maha tanoran’ny MSJM antsika. Maro ny zavatra ho hitanao ao anatin’ity “ Gazety namako ity”. Tsy hilaza ny momban’ireo amin’ny antsipiriany aho fa ianao no asaiko hipetraka hamaky sy handalina azy ary hinoako fa hitondra voka-tsoa ho anao. Tiako asongadina aminao fotsiny ny tenin’ny Recteur Majeur P. Pascual Chavez, lehiben’ny fikambanana salezianina maneran-tany raha nanoratra ny Etrenne 2013 na ny teny fanentanana ho an’ny Fianakaviam-be Salezianina rehetra indrindra fa ho antsika tanora izy hoe: “Ry tanora tiako ho sambatra ianareo, eto an-tany ary any an-koatra” Izany moa dia nalainy tamin’ny tenin’i Md Paoly ho an’ny kristianina tany Filipo hoe: :” Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo. Eny averiko indray, mifalia e!” (Fil 4,4). Hafaliana anaty vokatry ny fifandraisana amin’i Jesoa no tiana ambara eto. Matetika moa isika tanora no voarebireby amin’ny hafaliana mandalo na tsy maharitra. Koa manentana anareo àry ny Recteur Majeur ary hamafisiko ihany koa izany fanentanana izany mba hikatsaka mandrakariva ny soa izay maharitra mandrakizay ka miteraka hafaliana maharitra ho anareo. Tanteraka izany raha hialantsika ny fitiavan-tena ka ny hery izay hananantsika dia ampiasaina mba hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana . Tsarovy mandrakariva fa amin’ny maha tanoran’ny MSJM antsika dia “Tanora ho an’ny tanora isika” ka izay azontsika dia tsy fihinintsika ho antsika samirery fa tokony ho zaraintsika amin’ny hafa ihany koa. Izany àry ny fanamby atolotra antsika, entitsika miaina amin’ny maha tanora antsika.

 Anatr’i Masina Maria ho antsika zanany Page 3

ZON’NY ANKIZY  FIZOZAZA? Page 4  Tononkalo: «Farano hatreo » Page 4  Tadidio fa … Page 4

MAHA SALEZIANINA  ETRENNE 2013 Page 5  Ny fifandraisana amin’ny Ankizy sy ny tanora Page 5

VAOVAON’NY MSJM Fihaonam-ben’ny tanoran’ny MSJM Page 6

 

JMJ MADA VII tao Antsiranana Page 6 

Reliques-n’i Don Bosco Nandalo teto Madagasikara Page 7

VAOVAOM-PARITRA  Akon’ny Faha-25 taonan’ny FMA teto Madagasikara Page 8  Ny ORATORIO Ampasanimalo Page 8

KOLON-TSAINA 

Tantaran’ny Olomasina: Père Jacques Berthieu Page 9

 

J.J. Rabearivelo: olomangan’i Gasikara Page 10 Tononkalo: « Ny foko manidina » Page 10 

Mazotoa daholo! Mompera Bruno

Mahasoa an! Page 9

Fantaro fa … Page 10 

Hatsikana Page 11  Kilalao Page 11


TAONA FAHA IV, N° 2

Page 3

FIANGONANA

I

Masina Maria no mpiaro ny fianakaviambe Salezianina ka izany no hankalazaintsika ny andron’ny 24 Mey, andro fetin’i Masina Maria Vonjin’ny Kristianina. Mpiaro ny mpiompy sy ny tontolon’ny ambanivohitra koa izy ary mpiaro manokana an’i Madagasikara nosy malalantsika. Ao amin’i Masina Maria no lalana tsotra sy mora indrindra raha hitady an’i Jesoa isika. Reny niteraka nitaiza sy nanabe an’i Jesoa izy ka tsy sarotra aminy ny hihanta sy hanankina ny fiainantsika amin’ity Zanany. Mpanabe mahomby izy ka azontsika anovozana soa sy fahendrena maro. Rahefa nanaiky ho renin’i Jesoa tokoa manko izy dia tonga ho renintsika olombelona rehetra ihany koa. Lasa zanany tiany sy maminy tokoa isika : “Tiako loatra ianao ary mamin’ny foko”. Ny hamonjy anao no tonga voalohany tao an-tsaiko raha nanaiky hiteraka an’i Jesoa aho” hoy izy. Koa moa fantantsika marina ary ve iza io Reny tiantsika izay anankinantsika ny nosintsika io? I Masina Maria dia olona fatra-panaiky. Rahefa tena nandinika ny sitrapon’Andriamanitra tao aminy i Masina Maria dia tapa-kevitra fa hanaiky am-pitiavana ny hafatr’Andriamanitra. Ka ny “ENY” izay fanekeny an’Andriamanitra no nisian’ny famonjena ho antsika rehetra. Nanao ENY izy na dia efa tao am-pony hatramin’ny fahakelezany aza ny fanirihana ny hijanona ho virjiny mandrakizay satria fantany fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra hatao. Hainy fa heso sy fanalam-baraka no hiandry azy amin’izany, kanefa fantany koa fa avy amin’ny alalany no hahatongavan’ny famonjena ho an’ny olona, ka dia nanaiky tamim-pahendrena sy fahatokisana an’Andriamanitra izy.

Ry Maria Reninay tena tia anay ô, ny “ENY” naloakan’ny vavanao no nisian’ny famonjena ho anay olombelona zanakao. Lalina sy mahagaga tokoa ny soa nataon’Andriamanitra ary ny zava-mahagaga notanterahiny tamin’ny alalanao. Maro anefa ny olona no lasa eritreritra ary velona ady hevitra mikasika io antson’Andriamanitra niantefa tao aminao io. Satria tsy fantany ny fitiavan’Andriamanitra hotanterahina tao aminao. Tsy mba niloa-bava akory anefa ianao, tsy nanome tsiny, tsy nifamaly tamin’izy ireo. Fianarana tsara ho anay ny tsy fitenenanao ary mamporisika anay mafy hanindry ny hatezerana, ny avonavona, ny valifaty misy ao am-ponay. Koa diovy ny fonay ry Reny maminay, ataovy mitovy fo aminao izahay. Amen.

Olon’ny fanentren-tena ihany koa i Masina Maria Tsy noheveriny na noraisiny ho fahaboniana ny maha Renin’ny Mpamonjy azy, fa nekeny ary nentiny tamim-pitiavana sy ampanetren-tena. Izany no nanekeny ilay zanany izay hany mba naloakin’ny kibony hateraka any an-tranon’omby. Namely azy mianaka ny hatsiaka, teo koa ny fofona avy amin’ny omby izay tsy mahasoa ny zaza velively. Niaretany anefa izany noho ny fitiavany ahy sy anao. Lehibe eo imasony mako isika ka tiany avokoa na mahantra na manan-karena ary iriny mba tsy hisy ho very na dia iray aza ny tsirairay. I Masina Maria dia olon’ny fahanginana Tao amin’ny fiarahamonina nisy an’i Maria tao Nazareta dia maro ny olona sy ny fianakaviany no gaga, nanaratsy aza, nimonomonona, nifosa azy rahefa nandre fa nitoe-jaza izy. Izy kosa anefa nanoloana izany tsy nisoka-bava akory. Nangina tao am-pony izy ary namisavisa ity soa lehibe nataon’ny Tompo taminy sy ny zava-mahagaga nontanterahina tamin’ny alalany. Ny zavatra masaka tao an-tsainy dia ny tsy hamadika an’Andriamanitra. Mazava aminy manko fa noho ny asan’ny Fanahy Masina ny antony, ary ny fanekeny hitondra io Zanak’Andriamanitra io dia fandraisany anjara lehibe amin’ny famonjena ny olombelona rehetra. Nandatsa azy ny olona sy ny fianakaviany sasany, fa izy kosa ny fahanginana izay fahendrena lehibe nomen’Andriamanitra azy no nanehoany izany. Nangina izy teo imason’ny olona fa kosa tsy nitsahatra ny miresaka sy manankina ny fiainany amin’Andriamanitra

Hanatr’I Masina Maria ho antsika zanany: Anaka, sitrak’Andriamanitra ny mifidy ny olona tsotra sy madinika, hiara-miasa aminay, ho endrika iray hisehoan’ny toetrany sy hanehoany ny voninahiny. Koa ny hanatra omeko anao dia raha misy mamaly ankatezerana anao na manao teny anavona anao, lazao mangina ao am-ponao hoe : Tompo ô, ny tsy fahalalany Anao no anaovany ahy toy izao. Io fahanginana io tokoa anaka no ahazoantsika toe-panahy mendrika indrindra. Io no itovizantsika amin’ny Tompo sy hahafahana mamantatra ny asany ary mampahalala antsika ny Fanahiny, hiavanantsika amin’ny olona tsy mahalala Azy. Koa hendry kokoa isika rehefa mangina tsy mba misoka-bava mihitsy manoloana ireo tsy tia sy ireo mialona.

( Sekolin’i Maria, nosoratan’ Fr Jean de la Croix de la Trinité) Fara, sy Elysé Ijely


Namako

Page 4

ZON’NY ANKIZY FIZOZAZA?

Ny

FIZOZAZA dia Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny ZOn’ny ZAZA, izay mamaritra fa ny atao hoe zaza dia olona manomboka amin’ny 0-18 taona.

Aoka izay ny fampiasana ny ankizy Jereo izy ireo mitoloko izay tsy izy Voatery mitady sy miasa saina Mody hariva, mifoha maraina Mba mafy raha mafy ny manjo azy ireny

Tsara àry ny mampahatsiahy antsika ireo zo fototra izay tokony hananana sy takiana ho an’ny ankizy ireo.

Nefa izy mba mahasahy miteny Avelao izy mba hilalao

Mba hahafahan’ny ankizy mitombo ara-dalàna dia omena sakafo tsara sy ampy izy. Marihina fa tsy ny habetsahany ihany no ilaina fa ny hatsarany sy ny singa entiny amin’ny fampitomboana. Maro manko ny mihevitra fa rehefa voky dia ampy fa tsy mihevitra ny hery tokony mba ho ao amin’ilay zaza. Miteraka tsy fahasalamana anefa izany ary mamparary raha tsy voakarakara araky ny tokony ho izy.

Fa aza atao ankilabao Farano hatreo, Izany didy mafy izany Jereo izy mitoreo Ka zary latsaka tomany Eny, tena farano

Ny fitsaboana ny zaza amin’ny fotoana mamparary azy dia efa fanomezam-pitiavana azy satria manaja ilay zony. Tsy vitan’izany anefa fa tokony hajaina ihany koa ny safidiny eo amin’ny lafim-piainany manokana, eny fa na dia ny iray tampo sy ny ray aman-dreniny aza dia tsy afaka manery azy amin’izany raha hita fa mahakasika azy manokana. Ny zavatra fantatra manko ankehitriny dia samy te hanjakazaka na te hifehy daholo ny manodidina azy ka mila tsy ho zakan’ny ainy; hany ka noho ny fahatahorana dia tsy sahy izy maneho ny heviny na marina ny azy na diso. Itoviazan’ny ankizy rehetra mazàna io tranga io, na any ampianarana izy na tsia, samy iharan’ny herisetra avokoa.

Fa manimba ny fisainana Izay raharaha ao an-trano Mbola azony hiainana Eny ry olon-dehibe Sy ianareo izay mandre Fa ory ny sainy sy ny fanahiny Mba reraka ihany mitady ny rariny Ka mba omeo re ry Ray aman-dreny Ny zonay ankizy Ka avelao re mba hiteny

Ankavitsiana ihany no mba ahitana izany fanajana ny zon’ny zaza izany eto amintsika, izany moa dia matetika vokatry ny fahantrana. Fanentanana no apetraka amintsika tsirairay, sahia mitaky zo, ary amporisihina ianareo rankizy hitaky izany amin’ny fomba mendrika sy amim-panajana amin’ireo ray aman-dreny na dia hita aza ny fahasahiranany.

Sy haneho hevitra izy

Alohan'ny ametrahaka ny peniko "atsaharo" no hany teniko Mba henoy raha azo atao Fa mitalaho aminao ); a 13 ans ma Alid soa Em ( Tafita nimalo Ampasa

TADIDIO FA :

Ts

y ny misakafo ara-dalana sy ara-pahasalamana, ihany ny zon’ankizy tokony harovana fa anisan’izany koa ny herisetra na amin’ny fomba ahoana izany na amin’ny fomba ahoana. Tsy tokony hitrangan’ny herisetra ny ankizy satria tsy afaka miaro tena na mahavita azy. Betsaka anefa ny olona tsy misahirana na tsy te-hiraharaha izany satria heveriny fa mandeha ho azy ny fiainana. Izany hoe, na amin’ny lafiny kapoka madinidinika izany na izay lazaina fa tena mahatsiravina.Tsy tokony amin’ny kapoka no hampitana ny fananarana raha azo atao.Tsy mety ny fomba mahazatra antsika ray aman-dreny indraindray, rehefa mananatra ny zanatsika dia tsy maintsy mikapoka, nefa tokony atao izay ahatsapan’ny ankizy fa tena tia azy ianao, amin’ny alalan’ireny teny mamy feno anatra ireny. Diso koa ny hoe: « zanako izy ity ka izay tiako no ataoko aminy. Maro ny mihevitra fa tsy herisetra mihatra amin’ny ankizy ny fanalan-jaza ao am-bohoka, ary misy ihany koa ny mieritreritra fa tsy fanitsakitsahina ny zo aman-kasina maha olona izany. Tadidio àry fa manan-kasina ny aina ary io aina io dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ka tokony ho tandrovina mandrakariva. Duard Coord MSJM; Bemaneviky


TAONA FAHA VI, N° 2

MAHA SALEZIANINA

Page 5

ETRENNE NY FIFANDRAISANA AMIN’NY ANKIZY SY NY TANORA

eo amin’ny fanabezana, Z ava-dehibe ny fahaizana mifandray amin’ireo « Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo; eny averiko indray: Mifalia e! » (Fl 4, 4) Io Soratra Masina io indray no nentin’ny Recteur Majeur nanolorana ny Etrenne ho amin’ity taom-pikatrohana 2013 ity. Nandritra iny taona 2012 iny tokoa isika dia nasaina manokana mba hamantatra sy hianatra ireo soatoavina avy amin’i Don Bosco. Nifantoka tamin’ny tantarany sy ny fomba fiainany izay nirona tanteraka tamin’ny fanasoavana ny tanora. Nianatra sy naka tahaka an’i Don bosco isika ka nandray azy ho Ray mpampianatra sy mpitantana ary mpananatra eo amin’ny fiainantsika, indrindra amin’ny asa fanompoana ataontsika amin’ny tanora, Amin’ity taom-pikatrohana 2013 ity indray isika dia asaina handalina bebe kokoa ny fomba fanabeazan’i Don Bosco; hifandray akaiky kokoa hatrany aminy. Izany hoe han dal i na sy hampiatra araka ny tokony ho izy ny « Système préventif ». Ankehivoaantso p a n a b ea vaoantso tokony ho

triny àry isika dia, sady handinika io traikefamzan’i Don Bosco io no hiaina izany araka ny izy ihany koa.

N o h o izany, tsy hitahiry izany fahasoavana rehetra izany an-tsaina fotsiny ihany isika; fa kosa amin’ny lafiny iray isika dia mila mandalina io fanbeazana salezianina io ka hanao izay tokony hampifanaraka azy io amin’ny tontolo iainan’ny tanora amin’izao fotoana izao. Izany hoe hamantatra ity fomba fanabeazana ity hatramin’ny nihandohan’ny Oratorio tao Valdocco, hanaraka ny fivoarany ary hiezaka hanome endrika azy hatrany manoloana ny zava-drehetra iainan’ny tanora ankehitriny. Ny lafiny iray hafa kosa dia ny hoe: raha te hiaina ny fiainampanahin’i Don Bosco tokoa isika dia tokony handray sy hampiatra ireo fomba fanabezany. Manoloana izao toe-zavamisy ankehitriny izao isika dia voaantso ho tonga olomasin’ny fanabeazana tahaka an’i Don Bosco, hanolotra ny aintsika tahaka azy, hanoy ny fiaraha-miasa amin’ny tanora ary hiasa ho azy ireo lalandava. Asaina isika rehetra, hametraka vinavina manoloana ireto lafin-javatra telo ireto : Ny famerenana ny hasin’ny hoe « Olom-pirenena vanona » sy ny « Kristianina marina » Ny fiatrehana ireo tanora amin’ny fomba mahomby kokoa hatrany.  Ny fanabeazana anjakan’ny fifankahazoana am-po. Voaantso ho amin’ny hafaliana isika olombelona, koa raiso ho lalana hahafahantsika mitory ny hafaliana amin’ny tanora izay efa tontolo nanirahana antsika ny fanabeazana avy amin’i Don Bosco. Io no harena sarobidy sy azo antoka hahafahantsika mitory famonjena ho azy ireo manoloana ny teojava-misy ankehitriny, izay hita fa tena mila ny fandraisantsika andraikitra tokoa. Ando Coord MSJM; Ivato

ankizy sy tanora izay beazina. Ho an’ny mpanabe salezianina dia ny tokontany na eny amin’ny fakandrivotra no sehatra iray lehibe ahafahana mifandray bebe kokoa amin’ny ankizy. Eny mantsy no ahafahana miresaka, mifanerasera sy mahafantatra tsara ny ankizy, satria ny fahafantarana ny ankizy dia manampy be amin’ny fanabezana azy. Ny toerana rehetra misy ny ankizy dia misy ny mpanabe. Ka ao anatin’izay fifandraisana izay dia tsy natao hitazam-potsiny ny mpanabe fa mandray anjara amin’izay ataon’ireo ankizy. Fomba maro no azo atao amin’izany, eo ny filalaovana mivantana miaraka aminy, eo ihany koa ny firesahana manokana aminy mba ahafahana mankahery sy manoro hevitra azy. Ao anatin’izany dia tena ilaina ny fahaiza-mihaino azy. Raha mihaino azy tsara ny mpanabe, dia ho afaka hanatsoaka ny fihetseham -pon’ilay tanora. Rehefa tsapan’ny tanora fa henoina izy dia hisokatra ny fony ka hanampahatokisana ny mpanabe azy izy ary amin’izany dia ho vonona hizara ny fiainany: ny hafaliana, ny fijaliana, ny hetaheta, ny fanantenany ilay tanora. Ny mpanabe tsirairay dia efa samy manana ny andram-piainany amin’izay fifandraisana amin’ny tanora izay any anatin’ny fikambanana any. Ny zava-dehibe tsy tokony hadinoina dia ny fahatsapana fa tsy mitovy toetra ny ankizy tsirairay. Samy manana ny maha-izy azy izy ireo araka ny fanabeazana azony, ny kolon -tsainy sy ny faritra niaviany, ny fianakaviany; ka anjaran’ny mpiandraikitra ny miezaka mamantatra izany. Azo ifandraisana sy azo beazina tsara ny ankizy sy ny tanora raha ohatra ny mpanabe mahay manokatra ny fony sy mandray azy araka ny maha-izy azy. Ohatra maneho izany ny fifandraisan’i Don Bosco tamin’ireo tanorany toa an -ndry Dominique Savio, ry François Besuco, Michel Magon. Samy nanana ny maha-izy azy ireo tanora ireo nefa dia hain’ity pretra ity ny nitarika azy ireo tamin’ny lalan’ny fahamasinana.

Sr Emeline Filles de Marie Auxiliatrice


Namako

Page 6

VAOVAON’NY MSJM

Toy

ny fanao mahazatra dia misy hatrany ny fihaonam-ben’ny tanoran’ny MSJM isaky ny telo taona. Indroa miantoana tokoa izay dia nifanaraka tamin’ny fotoana nanaovana ny JMJ no nanatanterahina izany. Tamin’ity taona ity dia nifamotoana telo andro mialoha ny JMJ ny 02– 04 septambra 2012, tao amin’ny tranon’ny Masera FMA Ambanja ireo tanoran’ny MSJM. Niisa 450 teo ho eo izy ireo, nitombo hatrany raha noharina tamin’ny teo aloha (300). Nandefa solon-tena avokoa araka izany ny fikambanana sy ny trano salezianina manerana ny Nosy. « Tanora ho an’ny Tanora tokoa » ka nihaona mba hifampizara traikefa sy kolontsaina; hiara mivavaka; hiara mifaly ary indrindra hiara mametraka vinavinam-piainana hiatrehana ny telo taona ho avy manaraka. Tao anatin’ny fandaharam-potoana moa dia nisy ny fandinihina mialoha ny lohahevitry ny JMJ MADA VII, izay niarahana tamin’i Mompera Bruno: tomponandraikitry ny « Pastoral des jeunes » avy amin’ny SDB. Teo ihany koa ny fanaovana jeritodika ny « Projet Pastoral Interprovincial » nandritra iny telo taona lasa iny ary koa ny fiarahamamolavola ny ho amin’ny telo taona manaraka, izay niarahana tamin’i Masera Alejandra « Pastoral des jeunes » avy amin’ny FMA. Isan’ny nanamarika iny fotoana iny moa, ny fahatongavan’ny Relique-n’i Don Bosco teo amin’ny toerana nanaovana ny fihaonam-be. Nanampy ny fahasoavana noraisin’ny tanora tamin’izany ihany koa, ny lahateny sy ny tso-drano natolotr’i Mompera Claudio, Provincialny SDB eto Madagasikara. Ny fihaonam-be manaraka no amin’ny telo taona indray vao hisy fa isika tsirairay avy no entanina hiaina sy amelomaso hatrany ny fiainam-panahy izay efa noraisintsika mba ho tonga amin’ny faratampom-pahasoavana dia ny fahatongavana ho olomasin’ny fanabeazana ireo tanora , indrindra ireo tsy misy mpiahy sy fadiranovana.

V

ita soa aman-tsara ny JMJ natao tany Diego ny 05-10 Septambra 2012 lasa teo. “Tanora katolika mijoro amin’ny finoana, manorina ny fiainany ao amin’I Kristy” no lohahevitra tamin’ity taona ity. Ny 05 Septambra no nandraisana ireo mpizaika mpivahiny, narahina lamesa fanokafana, teny amin’ny université. Ny 06 Septambra kosa dia samy nanao ny katesizy sy ny lamesa izay tarihin’ny Eveka ny isaky ny toby rehetra ary nofaranana tamin’ny sahoby. Ny 07 Sept dia toy izay hatrany saingy ny tolakandro dia nanao lalan’ny hazo fijaliana miaraka ny rehetra teny amin’ny université. Toy izany koa ny 08 Sept, fa ny nampiavaka io andro io kosa dia ny nanaovana diabe nankany Betahitry, ny fitsaohana ny Sakramenta Masina, ny alim-bavaka ary ny konfesy. Nofaranana ny alahady 09 Sept kosa ny JMJ Mada faha-7, ka lamesa lehibe sy sahoby no nanamarihana izany. Saika atomotra avokoa vao nanao ny fitadiava-bola sy ny fiomanana amin’ny ankapobeany tamin’iny dia iny ny rehetra, na dia nanana fotoana lava, telo taona be izao aza izy ireo niomanana tamin’izany, noho ny fahasahiranana isan-karazany. Samy nahatsapa ihany koa noho izany fa sarotra ny fitadiavana ny vola nentina satria dia lavitra dia lavitra tokoa no misy an’i Diego. Tsy arakarak’izay anefa fa tanora teo amin’ny 50000 teo ho eo no tonga nanatrika iny Fihaonam-ben’ny tanora Katolika andiany faha-7 iny. Araka ny hevitr’ireo tanora dia afa-po izy ireo tamin’iny dia iny. Teny an-dalana dia efa naka ambiance ny rehetra: nihira, nivavaka, nandihy, nizara hafaliana ary na dia nisy aza ny fahasimban’ny fiara teny an-dalana dia nisy hatrany ny firaisan-kinan’ny rehetra ary tsy nahakivy azy ireo izany. nisy ihany anefa ny indrokelin’ny mpandrafitra, toy ny tsy fahampian’ny trano fandraisana ka lasa baranahany ny tanora sasany, ny tsy fahatomombanan’ny karatry ny mpizaika, ny hafanana, ny rivotra varatraza, ny vovoka, ny tsy fahampian’ny rano taorian’ny alim-bavaka teny Betahitry. Koa manaitra ireo tomponandraikitra mpikarakara mba hametra mialoha ny isan’ny mpizaika mba hifanaraka tsara ny fandraisana rehetra ka mba tsy hiveranan’ny tahaka ireny intsony. Maro no nahazo fahasoavana tamin’iny JMJ 2012 iny, koa dia miom{na sahady {ry isika amin’ny JMJ 2015 any Fianarantsoa !!!!

Tanoran’Amboditanimena miaraka amin’i Don Bosco

Ando coord MSJM; Ivato

Domoina, Fafara, Olivier, Hanitra; Tanoran’Ivato


TAONA FAHA VI, N° 2

Page 7

Hanomboka amin’ny 16 aogositra 2015 ny fankalazàna ny faha-200 taonan’ny nahaterahan’i Don BOSCO. Ho fanomanam-panahy amin’izany dia alefan’ny Recteur Majeur mamangy ny firenena iasàn’ny zanany ny sisan -taolan’i Don Bosco. Ny sarin’ny vatany misy ny tanany ankavanana no hitety an’ izao tontolo izao, ao anaty vata. Io no ambara amin’ny fiteny hoe: reliques-n’i Don Bosco.

N

andalo nitsidika an’i Madagasikara teto ny taolam-balon’i Don Bosco ny 16 Aogositra-8 Septambra 2012 lasa teo. Teny Toliara no toerana notsidihan’i Don bosco voalohany teto Madagasikara, satria dia tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Toliara no nipetrahan’ny fiaramanidina nitondra azy rahefa avy any Angola. Ireto avy amin’ny Ny a ankapobeany nton-d ian’ny ireo toerana nijanonana sy “reliqu n’i don es”B nolalovan’i Don Bosco hitsidika n osco dia mba izay samy y fiang o n a n n y Fiara nahitana vahoaka marobe avokoa: a sy h a- m an Mahavatse, Ankililaoka, m kehitriny. Midík onina Ihosy, a izany ety ho fa Antsirabe, zary f Fianarantsoa, Ambositra, anenta ny tan nana ora sy ny zok Betafo, Marinarivo, hanava Ijely, iny o ny fin oany iz fitsidih Manazary, Ivato: CNDC, FMA ao any iza o; ary a n ’n y vaho ho Ivato, Kianjaben’i Don Bosco Ivato, aka Ka tôlika amin’n y anka Ambohidratrimo, Noviciat, pobeny Maison Don Bosco, fifamp fanehoana ny RDB, iankina n a e Kianjaben’i Mahamasina, o amin tarana ’ny ka mif andimb FMA y Ampasanimalo, Toamasina, Moramanga, Majunga, Port Bergé, Antsohihy, Ambanja (MSJM), Bemaneviky, Diego (JMJ).

jana sy fitiavana izany Olomasina Rain’ny tanora izany ny fanaovana Sorona Masina, ny alim-bavaka, ny fijerena horonan-tsary mitantara ny fiainany, ny fikasihana ny vata misy azy , ny fangatahana vavaka aminy amin’ny alalan’ny fanoratana vavaka, ny famafazana voninkazo azy, ny sahoby sns…. Anisan’ny nampietam-po ny fahitana ny finoan’ny olona satria hita soritra hatrany izany tamin’ny fanajana, fifantohana ary ny faharetana teo amin’izy ireo. Na Kristianina na tsia, na katolika na hafa finoana, na zaza na tanora na antitra. Na teo aza izany rehetra izany dia nisy hatrany ireo izay manohitra ny fiangonana ka sahy manaratsy azy manao hoe: taolam-paty, fatim-bazaha, sary vongana…. Tsy nampiova ny finoan’ny rehetra anefa izany satria maro ireo efa nahazo sy mbola miandrandra fahasoavana amin’i Don Bosco.

Marihina moa fa ny Provincial-n’ny Salezianina teto Madagasikara Père Claudio sy Monseigneur Saro, Evekan’Ambanja sady Salezianina no niara-dalana tamin’ny dian’ny reliques-n’i Don Bosco teto Madagasikara nandritra ny fitsidihana rehetra. Tomefy olona hatrany ireo toerana rehetra nandalovan’ny Reliquesn’i Don Bosco

Nandalo ny Katedraly rehetra teny antoerana ny Reliques, ary ny Eveka ihany koa dia saika nitsena azy niaraka tamin’ny Kristianina rehetra. Tsy latsadanja ihany koa ny fikarakarana nataon’ireo manam-pahefana isan’ambaratongany.

M ood

Samy nanomana ny fahatongavany tany aminy avy ny toerana rehetra izay nolalovany. Anisan’ny nanehoana fana-

M;

SJ

t ,C era ina mo oop o C D

Samy namoaka izay vetsovetsom-pony avokoa ireo tanora!

rice


Page 8

Namako

VAOVAOM-PARITRA NY ORATORI O AMPASANIMALO

« Vavolombelon’ ny fitiavana, miorim-paka ao amin’i Kristy, ndeha ho toriantsika amin’ny tanora i Jesoa ». Io no teny manentana ny fankalazana ny faha-25 taona nahatongavan’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara. Ho an’ny communauté eto Ivato dia niavaka ny fankalazana izany. Tamin’ny 13 mai2011 lasa teo manko no nankalazana manetriketrika ny fetin’ny fankasitrahana, ny fetin’I Mb Marie Dominique Mazzarello ary ny fetin’ny faha 25 taona nahatongavan’ny Filles de Marie Auxiliatrice teto amin’ny nosintsika (19852011) fety telo sosona izany no indray nankalazaina teto. Dimy amby roapolo taona tokoa ny nahatongavan’ny FMA teto Madagasikara. Tsy vahiny intsony ireo masera ireo fa valovotaka, efa tena Malagasy na fihetsika na fiteny na fomba. I Mahajanga no zokiny indrindra teo amin’ny sehatr’asa satria izy no toerana niasan’ireo masera voalohany indrindra ary Ambanja no zandriny indrindra satria vao nisokatra tamin’iny taona lasa iny. Samy nanana ny fiavahan’ny fankalazana ny faritra rehetra na ny tany Betafo, Manazary, Fianarantsoa, Mahajanga. Ny communauté Ampasanimalo sy ny tanoran’ny sekoly enyTsiadana koa dia niara -nankalaza izany teto Ivato. Ny lamesa no nanombohana azy, notarihin’I Monseigneur Odon Razanakolona sy mompera provinsialin’ny Salezianina ary pretra maromaro izay nisy ny solontenan’ny Distrikan’i Imerinafovoany, notronin’ny fianakaviambe Salezianina rehetra: S.D.B, C.M.B, Coopérateur, volontaires de Don Bosco. Teto ihany koa Soeur Ciri izay lehiben’ny masera Salezianina eto Madagasikara sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra ary ny sasatsasany tamin’ireo masera izay nanomboka ny asa fanirahana voalohany teto Madagasikara. Marihina moa fa eto Ivato dia misy an’i Masera Caterina sy i Masera Marica izay isan’ireo misionera voalohany. Taorian’ny lamesa dia naneho ny MITABE ny mpianatra teto eo amin’ny C.F.P, notohizana teny am-pisakafoanana ny korana: nifandimby nihira aram-pilazantsara ireo mpianatra nandritra izany. Tahaka ny fitsingerenan’ny taona rehetra dia nisy ny fanapahana mofo mamy izay nokarakarain’ny sampana Pâtisserie eto amin’ny sekoly ihany. Nitohy tamin’ny alalan’ny SAHOBY goavana izany ny hariva. Nandray anjara daholo ny mpianatra rehetra sy ny mpampianatra na ny avy eny Tsiadana na ny avy eto Ivato ary nampianan’ny mpianatra mainty molaly teto an-toerana koa, ny Foyer kilasy mandry, ny Oratorio Ivato. Fety be dia fety be tsy nisy tahaka izany ary ny masoandro mody no nampalahelo. Natao hampisongadina ny maha Malagasy ihany koa io fety io: Vakodrazana, dihim-paritra 6 (Tamatave, Fianarantsoa, Mahajanga, Diego, Antananarivo) nataon’ny mpianatra teto Ivato izay maneho ny fomba fitafy avy any faritra avy, nisy koa ny dihy koreana nataon’ny mpanabe avy any Tsiadana, thêatre mitantara ny fiainan’ny Mère Mazzarelo, ny hira gasy nanakoako nasehon’ny foyer, izay noravahana dihy sy hira madinika isankarazany. Afa-po sady feno hafaliana ny rehetra nandeha nody ary re teny an-dalana teny fa “tsara ny fety “. Hita nampisongadina ny fety ihany koa ny fandravahana ny toerana na ny “decoration”. Hita fa feno hafaliana sy ravoravo daholo ny olona nandeha nody Mme Claudia Mpampianatra ao amin’ny CFP Marie Auxiliatrice Ivato

Anisany vaovao le hibe tamin’iny taon a iny ho an’ny Pastoralin’ny tano ra Salezianina et o Madagasikara ny fanombohan’ny ORATORIO teto am in’ny Communauté FMA Ampasa nimalo. Talohan’ny andro fanokafana dia ni sy ny fihaonana voalohany tamin’ir eo naniry ho mpa nabe Oratorio, izay natao ny Alah ady 27 Febroary 20 11 tolak’andro ka nisy 10 ireo to nga niaraka tamin ’i Masera Alejandra sy Masera Di na. Nifampizarana ny hafatry ny Recteur Majeur, fa mpahafantarana ny Oratorio, sy ny MSJ ary ireo ga zety: tafatafa, namako, taridalana Pastoraly 2011… Ny 05 sy 06 Marsa tolakandro no nana ovana ny fiofanana niaraka ta min’i Ando (Ivato) . 15 ireo niofana momba ny hoe: “mpanentana sy ny entanina, tontolon’ny Oratorio, ny Assistance Sale zianina”, nianatra bans sy kilala o maro ihany koa… . Dia natao ny filazana fa hisoka tra ny ORATORIO. Ny 19 Marsa 20 11, fetin’i Md jo zefa, izay mpiaro manokana ny Co mmunauté teto am inay no nosokafana ny Oratorio . Natomboka tam in’ny vavaka sy ny bans ary ny « Manahoana re….” Avy eo nanao ny grand jeux, izay na hitana stand mar omaro. Niavaka tokoa satria ny HA FALIANA no loka nifampizarana. Teo koa ny moz ika, ny tafandria mandry. Nitombo niandalana koa ny mpanabe ka naha tratra 26, miampy ireo masera . Tena faly ny rehe tra ary mitohy hatrany ny fitiavana ny ankizy sy ny tano ra. Izany no andram-pi ainana niainanay, izay toy ny fiainana sy fanomez ana avy tamin’And riamanitra, sy Masina Maria Vo njin’ny Kristianina , Don Bosco, ary Mère Marie Dom inique sy ireo olom asina salezianina. Ny Masera Filles

de Marie Auxiliatri ce sy ny Mpanabe et o Tsiadana.


Page 9

Namako

KOLON-TSAINA Teraka tamin’ny 27 novambra 1838 tao Polminhac, Cantal, France, i Jacques Berthieu. Nohamasinina ho Pretra ny 21 may 1864 ary niditra tao amin’ny Fikambanana Zezoita ny taona 1873. Lasa misionera teto Madagasikara ny taona 1875. Isan’ ireo misionera Katolika mpamakilay teto amin’ny Nosy izy ary tao Sainte Marie no nigadonany voalohany niaraka tamin’ny Zezoita roa hafa sy ireo Maseran’ny Saint Joseph de Cluny. Isan’ny toerana nitoriany ny Vaovao Mahafaly sy ny asa pastoraly ny distrikan’Ambohimandroso (1881-1883); ny Distrikan’Ambositra (1886-1891). Ny taona 1891 no nafindra hiasa tany avatra’Antananarivo, tao Ambiatibe (Anjojorofady) i Mompera Jacques Berthieu. Tao anatin’ny vanim-potoana nandalovan’ny Fiangonana katôlika fanenjehana nandritra ny ady faharoa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny frantsay izany. Araka izany dia voasambotry ny Menalamba tao Ambohibemasoandro izy ny 08 jona 1896, ary dia novonina maty martiora tao Ambiatibe. Navarin’izy ireo tao amin’ny reniranon’ny Mananara Toerana nahafateny fatiny. Taty aoriana Ambiatibe: anefa dia maro tamin’isan’i Mompera Jacques Berthieu reo namono azy ireo no nibebaka sy nangatraka ny hatao batemy noho ny fahitan’izy ireo ny finoan’ity Mompera ity. Noho izy maty maritiora no maha-haingana kokoa ny fanandratana azy ho olomasina mitaha amin’ireo olon-tsambatra malagasy hafa eo amin’ny finoana katôlika dia RASOAMANARIVO Victoir sy Frera Raphael Louis RAFRINGA, izay isan’ny tena nifandray sy niara-niasa taminy ihany koa. Ny 17 Oktobra 1965 no nasandratry ny Papa Ray Masina Paul VI ho Olontsambatra ity Mompera ity nandritry ny « Conseil Œcuménique du Vatican »; ary ny 21 octobra 2012 teo kosa izy no nasandratry ny Papa Ray Masina Benoit XVI ho Olomasina.

! n a a o s Maha

Torohevitra vitsivitsy mety hanampy anao eo amin’ny fanadiovana ny zavatra ao an-tokan-trano ireto hatolotra antsika ireto:

FIRAVAKA Mba hampadio tsara ireny karazana firavaka hafakely ireny dia maka borosy nify sy paty fiborosiana nify. Koseho moramora amin’ireo ilay firavaka, kobano tsara ary hamaino amin’ny lamba malefaka rehefa avy eo TASIN-DALITRA Sady manahirana ny maso no manaratsy endrika ny fitaratra na ny entana ao an-trano ireny tasin-dalitra ireny. Azo atao tsara ny mikosika azy ireny amin’ny alalan’ny atsasaky ny tongolo be voavofy sy voatetika.

FITAOVANA VITA AMIN’NY BAKOLY Rehefa ela niasana ireny fitaovana vita amin’ny bakoly ao an-dakozia na any amin’ny trano fidiovana ireny dia mivadika ho mavomavo. Vinaigitra fotsy madio tsara dia ampy hikosehana azy.

Araka ny fanazavana nentin’ireo Komity mpikarakara an’iny fotoana fanandratana azy ho Olomasina iny niavaka tamin’ireo olomasina i Mompera Jacques Berthieu satria tsy mba nananana taolambalo.

Raha tena sarotra kosehina ny faritra mavo, dia ampangotrahy kely aloha ny vinaigitra mialoha ny hampiasana azy.

Endrika iray nisehoan’ny hasiny ihany koa anefa ny fifikirany mafy amin’ny finoana na teo aza ny fanenjehana maro samihafa, ny fanambazana voninahitra, eny hatramin’ny fampijaliana sy ny famonoana aza. Maminy tokoa araka izany ny mivavaka, ny fanaovana ny sapile ary indrindra ny fanajana ny lakroa masina.

Farany, mety koa ny mampiasa karibonetra nalona tao anaty vinaigitra hikosehana ny faritra mavo.

Saro-piaro manokana amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana any an-tsekoly tokoa i Mompera Jacques Berthieu , tsy latsa-danja aminy ihany koa anefa ny fanabeazana ny mponina amin’ny famokarana sy ny tontolon’ny fambolena.

FIRAVAKA VOLAFOTSY

Reharehan’ny Fiangonana tokoa i Mompera Jacques Berthieu. Ankehitriny dia tonga olomasina izy, ary lasa toeram-pivahinianana masina ihany koa ny toerana nahafatesany ao Ambiatibe, izay nanorenana tsangam-bato ho fahatsiarovana azy. Koa mangataha isika tanora amin’Andriamanitra miaraka amin’i Olomasina Jacques Berthieu mba hananantsika fikirizana hatrany amin’ny fifikirana amin’ny finoana ary indrindra hanana herim-po amin’ny fanabeazana ireo tanora sy ankizy indrindra ireo fadiranovana sy tsy misy mpiahy.

Ampangotrahy amin’ny rano ny ovy vitsivitsy. Lomy ao amin’iny ranon’ovy iny mandritra ny alina manontolo ny firavaka volafotsy na fitaovana vita amin’ny volafotsy mba hampadio azy. Azo atao koa ny manadio azy amin’ny alalan’ny ronono eran’ny vera notapohina vinaigitra 2 sotro lehibe.

Ando, Coord MSJM; Ivato

Mamie coord MSJM; FMA Mahajanga


Page 10

Namako

nto Hay Soratra sy Ka Jean Joseph

Ny foko manidina ambony dia ambony,

RABEARIVELO

Ary saika hisetra izay farany avo, Kanefa voadona, ka tsy afaka intsony

Olomangan’i Gasikara

Naratra ny elany ka indro izy lavo.

1901– 1936

Naniry hihoatra anao ry masoandro

Casimir Rabearivelo no tena anarany fa nosoloiny ho Jean J ean Joseph Rabearivelo taty aoriana. Ny 04 Marsa 1901 izy no teraka tao Isoraka Antananarivo. Zana-dRabozivelo ary tsy fantatra mazava ny rainy. Nanambady an-dRabako Marguerite izy tamin’ny 1926. Dimy mianadahy ny zanany, teny ambatonakanga no nahalehibe azy. Noseranin-java-mahory maro izy: 1933: maty ny zanany vavy voalohany; Sahirana tamin’ny fiainana izy ary nahatsapa fa tsy nahita izay tandrify azy. Nianatra tao amin’ny sekolin-dry Frères des écoles chrétiennes tao Andohalo aloha izy, tao amin‘ny Kolejy Masina Misely avy eo; voaroaka tao anefa satria tratra namaky ny Fleurs du mal nosoratan’i Charles Baudelaire; dia tao amin’ny Ecole Publique Flacourt ny farany. Vao 13 taona monja izy dia tsy nianatra intsony, nefa kosa tsy nitsahatra nampiana-tena ka hainy hatramin’ny teny espaniola. Nifandray tamin’ireo namany mbola nanohy fianarana tany amin’ny Lycée Gallieni izy ka tamin’izany no nahafahany namantatra mpanoratra malaza maro toan-dry Victor Hugo, Mallarmé, Verlaine; ary nahaliana azy tokoa i Charles Baudelaire.

Mazava! Naniry tsy hijanona akory Na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro: Ny alina tamy ary koa sorisory! Koa aizina anio re no sisa mamonto, Aizi-mitambatra sy mivangongo… Rotsiako mangina ny foko efa donto, Ary safosafoiko ny masoko bongo! A! toa efa hionona izany alahelo… Sy hafeniko mba hijanona angaha? O tsia! Fa ny sentoko mamelovelo Ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra! J.J. RABEARIVELO

Tany Ambatolampy no niasany voalohany, ka chef de Canton izy tamin’izany. Mpanala diso tao amin’ny Imprimerie de l’Imerina izy nanomboka tamin’ny 1924. Tamin’ny 1915, rahavao 14 taona monja, no nanomboka nanoratra tao amin’ny Revio Vakio izy, ary VERBAL no solon’anarana nentiny. Tamin’ny 1924 no namoahany ny boky voalohany (amin’ny teny frantsay) nitondra ny lohateny hoe: La coupe des cendres, nanaraka izany: Sylves (1927); Volumes (1928); Enfants d’Orphée (1931); Presques Songes (1934); Traduit de la nuit (1935). Nanoratra tononkalo malagasy tsy latsa-danja noho ireo tamin’ny fiteny frantsay koa izy, toy ny « Tsy hitony tsy akory »; ary nisy koa ny sombin-tantara nosoratany: « Lala roa », « Irène Ralimà »…, ary ny tantara filalao an-tsehatra: « Imaintsoanala »… Nanoratra lahatsoratra tsotra koa izy mba hamerenana ny hasin’ny poezia sy ny teny malagasy, niarahany nanoratra niaraka tamin’i Charles RAJOELISOLO sy ny Avana RAMANANTOANINA tao amin’ny FANDROSOAM-BAOVAO, nanomboka tamin’ny febroary 1932. Gazety sy revio maro no namoaka ireo asa sorany dia ny MPANDINIKA, RANOVELONA, FANDROSOAM-BAOVAO, DIAVOLANA. Ahitana ny asa sorany koa ny amboaran-tononkalo, Amboara voafantina, Lova, Kalokalo, tatsinanana. Noraisina tao amin’ny Akademia Malagasy izy tamin’ny1931 Ny 22 jona 1936 izy no maty teo amin’ny faha-36 taonany, ary nalevina tao Ambatofotsy Avaradrano, tany niaviany, ny 24 jona 1936.

Fantatrao ve

Ireo soa azo avy amin’ny voasary makirana ? (Citron)

♥ Raha tsy ampy sokay na calcium Ranom-boasary makirana afangaro amin’ny Yaourt sy tantely. ♥ Ati-vava masaka na aphtes na vodi-nify maharary Ranom-boasary makirana sy tantely tapohana rano kely dia lomana ny ati-vava. ♥ Voan’ny gripa Ranom-boasary makirana sy siramamy atao anaty rano eran’ny vera. ♥ Misy panda Asiana siramamy ny ranom-boasary makirana dia hosorana ny faritra. ♥ Vody tongotra vakivaky Sasana tsara ny vody tongotra dia hosorana voasary. ♥ Tarehy mitady ho kentrona Ranom-boasary makirana ampiarahana amin’ny tamenak’atody dia hosorana in-droa isan-kerin’andro.

Domoina, Coord MSJM;

Mamie coord MSJM;

Cooperatrice

FMA Mahajanga


Page 11

Namako

A N A K I HATS Somary feno ihany ilay fiar a fitanteram rangahy tam -bahoaka ka in’ilay ramat hoy ilay oa ngezabe ni fanesika teo  mba mik anilany: isakisa kely ihany ianao ra tsy mijanona matoa hoy iz y fa dia ny manosika ahy anie iana o hatramin’iz  Taiza ko ao e! a aho no nano sika anao ra mose, hoy ila fa miaina (m ifoka rivotra) y ramatoa fotsiny aho!

O A L A KIL SUDUKU: Fenoy isa 1-9 ny banga!!! 3

1

2

5

9

1

7

4

7

1

6

9

Niantso an-tele

8 9

4

izao?  Allo? Polisy y?  Fa ahoana iza ra noko fa nahatrat areo aty an-tra ian na ga ain a av  Tong jiolahy aho ato

1

3

5

3

3

5

2

4

2

8

6

8

2

4

6

7

8

2

8

7

5

1

3

y alina… tsibe iray indra faonina ity rafo

5

7 2

TRATRA:

9

9

3

5

7

3

1

9

4

7

5

ny…  Ha! Tsara iza ange no ako basy kilalao areo fa namban e! o  Haingana ian iza o et ika ireto tsy mihets nahatonga azy MITSITSY: Niara nisakafo tao antrano ireto zaza fa tsy tao ny ray amn-dreniny...Tezitra tamin’ilay zandriny ind rindra ilay zokiny ka niteny:  Maninina zao ny sakafonao no lalaovi na toy izao? Alazako amin’i Dada sy i Neny ianao fa mitsitsy han ina!  Ka i Dada mihits y aza no henoko niresa ka tamin’i Neny ko!  Hoe ahoana?

3 1

2 7

 Hoe: ilaina hono ny mitsitsy!!!

4 DIVAY sy Ronono

no natao veloma farany tao  Neny a, maninona i Pasitera am-piangonana? ny asany ka halefa hisotro  Efa antitra be izy dia vita ronono amin’izay Pasitera dia tsy mahazaka  Angaha rehefa antitra be ny misotro divay intsony?

TSY MAHATANTY: Mirondrona ny taksy brosy ho any ambanivohitra: mihirahira ny tanora ao anatiny sady faly.

5 6

1– Vanim-potoana litorjika 5– Ray Amandrenimpiangonana 2– Vavaka nampianariny 6– Reny Masina 3– Voninkazo zary vavaka 7– Isika tanoran’ny MSJ 4– Vahoaka kristianina

Radadabe izany toa mihafihafy aty aoriana aty?

IE! Tsy tantiko ny mandeha amin’ity fiara ity ko!

Sambany angaha?

IE! Sambany!

1. Anaty rano tsy lena an-tanety tsy malazo

Sarety foana angaha ny fandehananareo ka mba sendra fiara dia matahotra sy misalebolebo toy izao! Hahahaha

2. Totoina tsy fotsy avela fotsy ho azy.

Fiaramanidina no fandehanako ka! Pilaoty no asako fahiny tsinona

Inona ary izany? Ando coord MSJM; Ivato


Page 12

Namako

« Ny asanareo no hampandroso ny fiarahamonina sy ny tenanareo ary manatsara ny fiainanareo » Don Bosco

E

fa mijoro tsara ankehitriny ny ekipa mpandrindra ity « Gazety Namako » ity. Eto Ivato no misy izany, ary natsangana manokana mba hanatsara hatrany ny fahatongavan’izy ity eny amintsika tsirairay any, ary koa hitondra fanatsarana araka izay mahasoa sy mahafinaritra antsika. Araka izany dia tianay ny mampiomana antsika fa ny andiany izay hivoaka manaraka eo dia hiova rafitra tanteraka tokoa. Izany hoe raitra kokoa e!!! Asaina ihany koa isika mba hiara-hiasa amin’ireo Coordinateur MSJM eny an-toerana eny mba hizara ny soa sy ny tsara amin’ny tanora namana, amin’ny alalan’ny famoronana lahatsoratra entina mandrafitra ity gazetim-pifandraisantsika ity. Izay no azo natolotra, fa ho ela velona anie ny MSJ ary ho fitaovana mahomby amin’ny fikatsahana ny fiaraha-mientana efa nisy tamintsika hatramin’izay tokoa anie ity gazety « Namako » ity. Misaotra eeeeeeeeeeeeeeee!

Mana

titratit

ra ny

fisaora ka anj na, amin’ny ara, t fanato amin’n fandraisant ntosan siy a ity g azety N AMA KO it y

Mi jor oa ora ho mis io n tan era ora n’n nam y ana

Tan

Mouvement Salésien des Jeunes à Madagascar Maison Don bosco BP: 60 Tel: 22 451 03 Fax: 22451 01 E-mail: msj_fma@yahoo.fr pdjmada@yahoo.fr

a avit mah ia o d n nao nao a i a i y Eny a ts fa!!! Rah . ha y iza misy tsy

fom- o ny a o t na a e velo Areh a f e vana nareo. i pitia t a an

NAMAKO NOVEMBRE 2012  
Read more
Read more
Similar to
Popular now
Just for you